Yemen: Zomam-pandresena ho an'i Syria sy i Yemen

Nanambatra ny anarany amin'ny Hetsika isan-jomà, ho fiaraha-mientana, ny Revolisionera any Syria sy Yemen izay manohitra amam-bolana izao ny fitondrana mpanao didijadona sy be fihaikana. Ao amin'ny “Zomam-pandresena ho an'i Syria sy i Yemen” no nandritra ny ezaka ataony hizara tsy amin'ny anarana iray ihany, fa amin'ny saina mihofahofa mitovy, hiaka hatramin'ny rakipeo sy lahatsary aza, ny mpikatroka ao amin'ny firenena roa tonta.

Hiakam-pahafahana ho an'i Syria sy i Yemen no re nanerana ny lalana faha-60 tany Sanaa tamin'ny “Zomam-pandresena ho an'i Syria sy i Yemen.” (Lahatsary navoakan'i alabdulkadir)

Tany Taiz tamin'ny Zoma, nihiaka ho fiaraha-mientana amin'i Syria “Manao sorona ny fanahinay sy ny ranay ho anao izahay ry Syria”. (Lahatsary navoakan'i : taizcitynet)

Nihiaka izy ireo “Ny ampitso ho afaka, tsy misy Ali, tsy misy Bashar, efa lasa ny andron'ny fatsora, ho ela velona ny vahoaka Arabo”.

Mpanao fihetsiketsehana any Hodeidah mihiaka ihany koa ho amin'ny fahafahan'i Syria sy i Yemen ary miara-mientana amin'i Dara'a. (Lahatsary navoakan'i : shababalhodeidah)

Raha ho any Syria kosa, tany Tadmor, Mihiaka tahaka izao kosa ny mpanao fihetsiketsehana Syriana “Iray i Syria sy i Yemen.” (Lahatsary navoakan'i : SHAMSNN)

Tany Halab, namerina hiaka Yemenita ry zareo “Aleo maty toy izay afa-baraka”

Ary tany Idlib, Syria, nihiaka ho fiaraha-mientana amin'i Yemen ny mpanao fihetsiketsehana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.