Goatemalà: Manaraka ny Fifidianana Amin'ny Ankapobeny

Androany, [11 Septembra 2011], no handeha hifidy filoham-paritra, ben'ny tanàna, solombavahoaka ary filoham-pirenena ny olom-pirenena Goatemalteka . An-jatony ireo niasa vao maraimbe mba hametraka demokrasia  tena izy. Na dia tsy afaka mifidy aza ireo Gotemalteka monina any ivelany, vahoaka an-jatony manerana izao tontolo izao no manaraka akaiky ny zava-miseho amin'ny alalan'ny fampiasana ny teknolojia vaovao.

Tsy mbola nisy toy ity fifidianana ity: voalohany eo amin'ny tantara izany hoe tanora avokoa ny ankamaroan'ny mpifidy. Latsaky ny telopolo taona avokoa ny olom-pirenena telo tapitrisa.

Ary koa, voalohany teo amin'ny tantaran'i Goatemalà, izany hoe betsaka kokoa ny latsabato avy any ambanivohitra noho ny latsabato andrenivohitra, ary vehivavy no hofidiana ho filoha lefitra –ireo kandidà ho filoham-pirenena telo natao fitsapan-kevitra no nilaza fa hifidy vehivavy ho filoha lefitra miaraka aminy .

Josue Goge, jgoge ao amin'ny Flickr, "Vonona andeha hifidy aho. Ary ianao?" (CC BY 2.0)

Ity manaraka ity ireo tetikasa sy rohy mahafa-po indrindra nosafidiana ho arahina mandritra ny andro (mankany any amin'ny tranokala misy fiteny Espanola avokoa ny rohy rehetra):

@PlazaPublicaGT nametraka sehatra fitantarana manokana ahitana tatitra sy fanadihadiana tsy miankina momba ny fifidianana, namoaka lahatsoaratra mahafa-po ihany koa ary manaraka akaiky ny fandehan'ny fifidianana miaraka amin'ireo mpanao gazety aminà sehatra samihafa ao amin'ny firenena .

Tenemos el poder (manana fahefana izahay), Tranokala mampivoatra ny fanentanana ny tanora sy mandrisika azy ireo mba hahalala ny antony maha zava-dehibe ny hoavin'ny firenena  amin'ny andraikitra sahaniny eo amin'ny tontolo politika.

Pilas con tu voto mandrisika ny tanora hanara-baovao sy hifidy. Tranonkala hafa ihany koa no ampiasana amin'ny hetsika tahaka izao, toy ny Ve por que, Se busca Presidente, Politica Stereo ary ny Vozz Guatemala.

Guatemala Visible sy Congreso Transparente manoro lalana feno ny amin'ny mombamomba ny kandidà sy ny fikarakarana.

Efa nanomboka nifidy sahady ireo Goatemalteka ary manao fitantarana manokana momba ny fifidianana any amin'ny fivondronana lehibe indrindra ao an-drenivohitra ny fampahalalam-baovao lehibe, manao tahaka izany ihany koa ny valantserasera sy ny faritra manodidina any amin'ny faritra ambanivohitra, nitatitra vaovao avy amin'ireo tanàna manerana ny firenena ny tranokala tahaka ny Mi Jutiapa, Pueblo Clic, sy @Barillas ao Huehuetenangoare.

Vao voalohany indrindra, “Mirador Electoral”, mpanaramaso ny maha ara-dalàna ny fifidianana, no nametraka sehatra #Ushahidi mba ahafahan'ireo olom-pirenena mitatitra izay fandikan-dalàna mitranga mandritra ny andro-pifidianana .

Tao amin'ny Twitter, #eleccionesgt no tenifototra amin'ny ankapobeny hanarahana ny fifidianana; tenifototra azo isafidianana koa ny #evoto

Ny manampahefana momba ny fifidianana, ny Fitsarana Ambonin'ny Fifidianana, hamoaka valim-pifidianana vonjimaika ao amin'ny tranokalany androany alina.

Azo antenaina fa ho fankalaza milamina sy itambarambe ny demokrasia, ny zo hifidy ary ny fitakiana ny valim-pifidianana avy amin'ny mpanao politika voafidy ity fifidianana ity. Mety hisy ny fifidianana fiodinana faharoa raha toa ireo kandidà ho filoham-pirenena ka tsy misy mahatratra vato manankery 51% .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.