Zambia: Fampielezan-kevitra An-tserasera Ataon'ny Antoko Politika

Roa herinandro latsaka mialoha ny hifidianana amin'ny 20 Septembra 2011, nanatontosa fampielezan-kevitra amin'ny fomba hafa tsy toy ny mahazatra amin'ny fampiasana afisy, dokambarotra amin'ny fahitalavitra, na feonkira amin'ny radio intsony ireo antoko politika, fa sehatra vaovao indray izao no ampiasan'izy ireo—ny tranonkala.

Enina amin'ireo antolo folo nirotsaka kandidà ho filoham-pirenena no mampiasa tranokala mba hisarika ireo  Mpiserasera 817,000 miaraka amin'ny olona 137,000 ao amin'ny Facebook.

Iray amin'ireo antoko, Alliance for Development and Democracy (Fikambanana ho an'ny Fampandrosoana sy ny Demokrasia) (ADD), nanazava ny antony namoronany azy:

Na dia manana mineraly marobe aza i Zambia ary manana solika ihany koa sy tombotsoa lehibe amin'ny fizahan-tany sy ny fambolena, dia mbola mijanona ho firenena mahantra hatrany  miaraka amin'ny ankamaroan'ireo mponina  miaina ao anatin'ny fahantrana. Nivondrona ireo mponina ireo fa tokony hisy zavatra atao.

Ahitana sombiny amin'ny fampielezan-kevitra ataon'ny kandidà hofidiana filoham-pirenena ADD Charles Milupi ny tranokala.

Namorona tranokala miloko ho an'ny antokony ihany koa ny kandidà MDD  Rupiah Banda.

Sarin'ny Filoha Rupiah Banda ao amin'ny tranokalan'ny antokon'ny fitondrana.

Tamin'ny lahateniny voalohany tao amin'ny tranokala, nilaza ny Filoha Banda fa:

 

Amin'ny maha Filoha, miasa miaraka amin'ny ekipa MMD aho, andraikitra efa napetraka ho sahaninay ny fanatsarana ny toekaren'i Zambia, ny fiantohana ny fandriampahalemana, ny fiainana tsara kokoa sy mandroso ho an'ny Zambiana rehetra. Niasa manokana izahay hanatsara indrindra ny fahasalamana sy ny fampianarana, hampitombo ny vokatry ny fambolena ary miantoka sy mampiakatra ny isan'ny asa ao Zambia, indrindra indrindra ho an'ireo faritra ambanivohitra.

Rehefa mijery ny tranokalan'ny antoko ianao, tianay ho tsapanao ny antony ilantsika manohy ny fiarahamiasa, manohana ny antoko MMD ho an'ny Zambiana manontolo, manohy ny fandaharan'asa ny fampandrosoana izay efa narosonay ho amin'ny fampandrosoana lehibe ho an'i Zambia firenena malalantsika.

Antokon'ny Fanavaozana Nasionaly, fantatra amin'ny fanafohezan-teny hoe, NAREP, nandefa ity hafatra manaraka ity:

Tsy ny famoronana asa vaovao 1 tapitrisa amin'ny alalan'ny fanavaozana an'i Zambia ho firenena matanjaka ara-angovo ihany ny vinavinan'ny NAREP fa,  ny famoronana orinasa vaovao 10,000 isaky ny faritany. Tsy voasahala ny hafatray ho amin'ny fanovana tena izy kanefa mila ny olona tsirairay ao Zambia izahay mba handre izany. Mila vola isika amin'izany ary mila fanohanana ara-pitaovana ihany koa. Mila ny fanohananao koa izay ary miantso anao, mba hiaraka aminay hanangana Zambia vaovao.

Ny Front Patriotique (PF), antoko mpanohitra matanjaka indrindra, nanararaotra nampiasa aterineto ihany koa mba hisarihana ireo mpiserasera. Mampiseho ny mombamomba ny kandidà PF Michael Sata ny tranokala, izay iray amin'ireo fandaharan'asany ny:

tsy misotro rano amin'ny tavoahangy …raha tsy efa manana rano fisotro madio avokoa ny Zambiana rehetra.

Ny tranokalan'ny antoko Miray ho an'ny Fampandrosoana ny Firenena (UPND), antoko mpanohitra matanjaka faharoa, manome toerana bebe kokoa ny filohan'ny antoko, Hakainde Hichilema, kandidà nirotsaka ho fidiana filoham-pirenena ary mitondra ny anarany ihany.
Amin'ny fiantsoana ireo Zambiana mba hifidy azy, Hichilema nanome ny mombamomba azy tao amin'ny tranonkala toy izao:

Ny kandidà ho filoham-pirenena Hakainde Hichilema (HH) sy ny Antoko Miray ho an'ny Fampandrosoana ny Firenena ( United Party for National Development (UPND) no fanantenan'ireo vahoaka rehetra ao Zambia hitondra fanovana sy hoavy mamiratra.

Ny Zambiana ho amin'ny Fizakan-tena sy ny Fampandrosoana (ZED), niditra tamin'izany sehatra izany koa ka nametraka tranokala ho an'ireo mpanohana sy mpankasitraka azy.

*Hajin-tsary: Sary fampielezan-kevitry ny kandidà avy amin'ny antoko Patriotic Front Michael Sata.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.