Kyrgyzstan: Habetsahana sy Hatsarana mialoha ny Fifidianana

Hisy fifidianana Filoham-pirenena ilay firenena kely nalaza tamin'ny rotaka politika amin'ny volana Oktobra 2011. Ankehitriny dia manam-bintana halaza amin'ny zavatra hafa indray i Kyrgyzstan: mpizaka zom-pirenena Kyrgyz 83 no nisoratra anarana hifaninana hameno ny banga amin'ny sezan'ny Filoha. Mahavalalanina ihany ny lisitry ny kandidà. Misy ny mpahay lalàna, tantsaha, mpandraharaha, mpampianatra, olona manana dokotorà, mpanao politika ary misy hatramin'ny olona tsy manana asa vitsy dia vitsy aza. Kandidà 16 no solontenan'Antoko, 67 no nirotsaka tamin'ny anaran'ny tenany. 6 ny vavy ary 77 ny lahy. Izy rehetra ireo dia tsy maintsy mahangona soniam-panohanana 30.000, mandoa petra-bola ho amin'ny fifidianana (manodidina ny $2200) ary adinina amin'ny fahaizana teny Kyrgyz.

Mazava loatra fa niresaka be momba ireto karazana kandidà ho filoha ireto ny virtoaly Kyrgyzstan.

“Kandidà 83!!! Mampihomehy!!! Na izany aza manantena ny tsaratsara kokoa…”, hoy ny mpisera AizatM ao amin'ny Kaonty Twitter [rus].

“Isa mampiontana izany kandidà 83 izany”, hoy ny mpisera Chingiz_KG [rus].

“Ka ahoana ry firenena? Miarahaba ny kandidà 83!”, hoy ny mpisera IlyaLukash, mpandala ny zon'olombelona nihiaka[rus].

Ny mpisera ao amin'ny Diesel forum no namoaka hevitra azo ampiharina kokoa. Te-hahalala ry zareo hoe ho tahaka ny ahoana ny vatom-pifidianana.

“Hihorongorona ve ny vatom-pifidianana? ))”, hoy ny mpisera forum $kyMeR nanontany [rus].

“Tokony ho vita amin'ny taratasim-pidiovana(mihorona) ny biletà. Misy dikany izy amin'izay”, hoy ny sosokevitra[rus]avy amin'ny mpisera forum llena.

“Malaza amin'ny fiara i Alemaina, malaza amin'ny fahaiza-mamoron-javatra i Japan, fanta-daza amin'ny entam-barotra i Shina fa malaza amin'ny famokarana Filoha i Kyrgyzstan!” hoy ny hanihanin'ny mpisera forum Ilyich.

Mahatonga ny virtoaly Kyrgyzstanis hieritreritra momba ny kalitaon'ny kandidà ihany koa ny isa 83. Efa misimisy ihany ny mpanao politika Kyrgyz no mannaa kaonty any amin'ny valan-tserasera; ary vitsy amin'izy ireo no manana bolongana manokana. Fantatry ny Virtoaly Kyrgyzstan fa ny ankamaroan'ny mpanao politika Kyrgyz dia mamahana indray ny valan-tserasera rehefa mialoha fotoan-dehibe ara-politika ihany (fivoriana, fifidianana sns.). Rehefa amin'ny fotoana hafa dia manatona ny zero ny fahavitrihana. Tsy tokony hisy intsony ny tsy firaharahiana tahaka izany ka nahatonga ny fananganana hetsika ao amin'ny Facebook manao hoe “Miala ny mpanao politika “maty”!”. Noforonin'i Azamat Imanaliev, tonian'ny sampana mpampahalala vaovao lehibe AKIpress ny Hetsika, sy ny mpisera amin'ny valan-tserasera mavitrika iray. Ny Hetsika moa dia miantso ny mpiserasera amin'ny valan-tserasera ao Kyrgyzstan rehetra hanaisotra namana sy tsy hanaraka ny mpanao politika Kyrgyz manomboka ny 25 Septambra, andro hanombohan'ny fampielezan-kevitra.

“Mieritreritra aho raha afa-manao flash mob [hetsika tselatra] isika hanaisotra ny kaontin'ny mpanao politika amin'ny lisitry ny namantsika. Androm-pifidianana ihany no mba ahatsiarovany antsika. RT!”, Azzzik nanoratra tao amin'ny Twitter-ny [rus].

“Andao hanaisotra azy ireo ao anatin'ny andro iray voafaritra. Ataovy sary an-tsaina anie ny fisaritahany – mpihaino maro no ho very ao anatin'ny andro iray. Ho kivy ry zareo ))”, hoy izy nanampy [rus].

Somary teritery ihany ny valiny azo amin'ilay hetsika. Raha mandray tsara ny hevitra ny mpisera maro, ny hafa kosa manontany raha miy dikany izany.

“Ry vahoaka, Nahoana ianareo no tezitra tokoa? Fahadalana izany. Velona ny Fampielezan-kevitra an-tserasera mialoha ny fialan-tsasatra ohatra – izany no maha-be mpitsidika azy ireo sy mampiakatra ny varotra. Mazoto ny olona rehefa mila azy, na manana tombontsoa, na te-hanaitra ny besinimaro. Zavatra mandeha ho azy izany. Traikefa manerantany”, hoy i Aliya Akmatova nanoratra eo amin'ny rindrin'ny hetsika [rus].

“Maninona no esorintsika indray rehefa nampiantsika? Tsy te-hanelingelina na iza na iza ry zareo. Mieritreritra aho fa tsy amin'ny fifidianana filoham-pirenena ihany no ampiasan'ny mpanao politika valantserasera”, tenin'i Peri Adanova  [rus].

“Tsy hitako ny dikan'ny fanesorana ny mpanao politika. Fa naninona aho no nampiditra an-dry zareo? Tsy mandona ahy ry zareo. Fantatro ny tantaram-piainany rehefa manoratra ny sasany amin'izany ry zareo, na dia tsy ry zareo mivantana aza no manoratra azy. Ny sasany amin-dry zareo manoratra mihitsy, azonareo jerena izany. Tsy misy dikany ny katroka”, navoakan'ny [rus]mpisera ao amin'ny Diesel forum DRIVE2.KG .

Rehefa nandeha ny adihevitra dia 247 no nanaiky ny hanaisotra ny mpanao politika ary 78 no mety hanao izany, araka ny hita ao amin'ny takelaky ny hetsika [rus]. Ankoatra izany dia nihena be dia be ny isan'ny kandidà. Maro amin'izy ireo no tsy nahaloa vola; vitsy no tsy afaka fanadinana teny Kyrgyz na/sy tsy ampy ny isan'ny sonia hanohanana. Tapitra amin'ny 25 Septambra 2011 ny fisoratana anarana hirotsaka hofidiana. Hanomboka amin'ny 25 Septambra ka hatramin'ny 29 Oktobra ny Fampielezan-kevitra.

Ho hita eo moa izay valin-kafatra avy amin'ny mpanao politika Kyrgyz (raha misy izany) amin'ny 25 Septambra. Fa mbola maro no tsy resy lahatra. Araka ny lazain'ny solontenan'ny gazety Rosiana “Rossiyskaya Gazeta” Igor Shestakov hoe [rus]:

“Izao no ho endrikendriky ny e-governemantantsika rahampitso. Afa-manontany ianao na mamoaka hevitra saingy tsy hamaly anao mihitsy ny mpanao politika”.

*Fidiana hiasa enintaona ny Filohan'i Kyrgyzstan. Tsy azo fidiana indroa ny olona iray. Ny olona mahazo mirotsaka hofidiana ho filoha dia ny mizaka ny zom-pirenen'ny Repoblika Kyrgyz ary tsy manana zom-pirenena firenena vahiny, tsy latsaky 35 taona ary tsy mihoatra ny 70 taona, tsy latsaky ny 15 taona no efa nonina tao Kyrgyzstan.

**Lisitry ny kaontin'ny mpanao politika Kyrgyz any amin'ny valantserasera (isaorana ny mpisera forum Diesel Afina

Kamchibek Tashiev (FB)

Roza Otunbayeva (FB)

Omurbek Babanov (FB)

Tursunbai Bakir uluu (FB)

Temir Sariev (FB)

Iskhak Pirmatov

Shirin Aitmatova (FB)

Dastan Bekeshev (FB)

Felix Kulov (FB)

Emil Umetaliev (FB)

Joomart Saparbaev (FB)

Ulan Cholponbaev (FB)

Aida Salyanova

Omurbek Tekebaev (FB)

Nariman Tuleev (FB, Forum)

Edil Baisalov (FB)

Akylbek Japarov (FB)

Asiya Sasykbaeva (FB)

Adakhan Madumarov (FB)

Ravshan Jeenbekov (FB)

Alikbek Jekshenkulov (FB)

Ismail Isakov (FB)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.