Filipina: Lolong, Mamba Goavana Indrindra Manerantany

Mamba an-dranotsira, lehilahy, mirefy 6,4 metatra no voasambotra tao Bunawan, Agusan del Sur, ao amin'ny faritra atsinanan'ny nosy Mindanao ao Filipina. Fantatra fa ity no  mamba ela niainana indrindra mbola velona manerantany amin'ny karazany ary nomena anarana hoe “Lolong” ho fahatsiarovana ilay olona nahasambotra azy.

Araka ny voalazan'ny vaovao, dia afindra amin'ny toeram-pitsangatsanganana ilay mamba saingy nangataka tamin'ny governemanta ny mpiaro ny zon'ny biby mba hamela ilay mamba hiverina eny amin'ny tontolon-dia fivelomany. Niady hevitra ny mpiserasera ny amin'ny maha rariny na tsia ny fihazonana an'i ‘Lolong’. Ireto manaraka ireto ny sombin'ny fihetseham-po tao amin'ny twitter sy facebook.

@jamelaaisha Miahiahy ny amin'ilay karazana toeram-pitsangatsangana hatokan'izy ireo ho an'ilay mamba ao #Agusan aho. Tsy misy tontolo voajanahary ahafahany mivelona an-kalalahana sy am-pilaminana ho azy ao?

@aaaussy OOh, tratran'ny zoochosis na aretina mora kirikiriana vokatry ny “fihazonana” azy ilay mamba goavambe ! mahereza ry mamba goavana! Andro Iraisam-pirenena ho Fisorohana ny Famonoantena izao!

@harold_geronimo Indraindray, tsy azoko mihitsy no tena ijoroan'ny PETA. Hevitra tsy mitombina ny fangatahana fahafahana ho an'ilay mamba goavambe izay mety handrapaka olombelona dimy ho sakafony fotsiny.

@jeroplane Tsy mino aho fa hevitra tsara ny fametrahana ilay mamba ao an-toeram-pitsanganana, kanefa matahotra kosa aho raha mahafantatra fa mirehareha eny rehetra eny ity biby lehibe ity.

@liberated_jr03 Fantatro fa tokony havela malalaka hiverina eny amin'ny tontolo fivelomany ny biby tahaka an'i Lolong. Na dia izany aza, tsy manana faritra lavitrin'ny tanàna isika.

@AntonioAEmberda Rahoviana indray vao mety hahita “Lolong” hafa amin'ireo toerana fitrandrahana navaozina/nambolena hazo?

Love Anover eritreritra kely fotsiny!BUWAYANG LOLONG nonina tao amin'ny HENIHENY AGUSAN nandritra ny zato taona, izay faritra arovana manokana. Mbola TSY VOAMARINA AKORY raha efa namono olona izy, manaiky ve ianao? Nahoana no noesorina tao AMIN NY MISY AZY IZY?

Niely erakin'ny serasera ny sarin'ilay mamba 'Lolong

Matetika hatramin'izay dia nafangaro tamin'ny mpanao politika mpanao kolikoly ny mamba, tsy mahagaga arak’ izany raha mampitaha an'i  ‘Lolong’ amin'ireo mpanao politika mampiadi-hevitra ireo mpiserasera.

@kingdjlogan Ilay mamba lehibe ao Agusan del Sur Phils ankehitriny no mamba lehibe indrindra voasambotra. Vao avy navoaka tao amin'ny hopitaly ny iray goavambe indrindra hafa avy ao Pampanga. (fanamarihan'ny mpanoratra: Pampanga, faritany niavian'ny filoham-pirenena teo aloha Gloria Arroyo, izay voarohirohy aminà raharaha fangalarana maro ankehitriny. Vao avy nivoaka ny hopitaly izy taorian'ny fandidiana natao azy.)

@tonyocruz Tandaan: Maraming mas malalaking buwaya sa pamahalaan.

@tonyocruz Tsarovy fa: Misy mamba lehibe kokoa ao amin'ny governemanta

@jocereisma Crocodile captured. FG in the hospital. Congressman punched a security guard. hanuva yan, puro na lang BUWAYA ang balita ngayon!

@jocereisma Mamba voasambotra. FG any amin'ny hopitaly. Solombavambahoaka  iray namely totohondry mpiambina. Fa inona no mitranga, mitantara momba ilay MAMBA avokoa ny fampahalalam-baovao rehetra! (fanamarihan'ny mpanoratra: FG : First Gentleman no ilazana ny vadin'ny Rtoa filoha teo aloha Arroyo)

@RAndRat “kirikirina”‘ ilay mamba goavambe ary mila “fotoana mba ho sitrana”… Toa mitovy tanteraka ny nahazo an'i Arroyos…

@adeltamano Mamba goavambe indrindra manerantany voababo tao Agusan del Sur. Atoro hevitra ireo mpanao politika nenti-paharazana mba hitandrina tsara rehefa mandalo amin'io faritra io.

Jograts Mountaineers Bakit hndi na lng mga tunay na Buwaya sa Gobyerno ang ikulong. kaya pakawalan si Lolong sa wild.. 😉

Jograts Mountaineers Fa nahoana no tsy samborina izay tena mamba ao amin'ny governemanta. Raha izany, avelao hiverina any amin'ny tontolo fivelomany i Lolong.. 😉

Daniel Radcliff Jazmin III Di ako naniniwala na si Lolong ang biggest crocodile…………..BUTIKI lang siya kumpara sa nakararami sa GOBYERNO!

Tsy mino aho hoe Lolong no mamba goavana indrindra…………..ANDRONGO izany raha oharina amin'ireo mamba ao amin'ny governemanta
Ity ambany ity youtube, horonantsary misy an'i ‘Lolong’ taorian'ny fisamborana azy

http://www.youtube.com/watch?v=iamtsPypgXQ&feature=player_embedded#!

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.