Tontolo Arabo: Mahatsiaro ny 11 Septambra

9-11 Tribute Lights Photowalk

Jiro tsiaro 9-11 , New York 2010 © Kamau Akabueze Flickr (nahazoana alalana)

Nanome voninahitra ireo namoy ny ainy 3000 tamin'ny 11 septembra ny Mpisiokantserasera manerana ny tontolo Arabo, mahatsiahy ny zava-niseho mahatsiravina nataon'ny mpampihorohoro Al Qaeda izay nandefa fiaramanidina mpitondra olona 4 handona ny tranobe tao Etazonia izao tontolo izao folo taona lasa izay.

Mpanao tantara an-tsary Saodiana Malek Nejer nilaza fa heloka mahatsiravina ny tamin'ny 11 Septambra, na iza na iza nahavita izany.

عموماً، ١١ سبتمبر جريمة بشعه، سواء قام به مسلمين أو يهود أو حتى مجموعة كائنات فضائية
@Nejer: heloka mahatsiravina ny tamin'ny 11 Septembra, na Miozolomana na Jiosy na extra-terrestres

Avy ao Dubai,  Emirà Arabo Mitambatra, no nanamarika i AbstruseArif:

@AbstruseArif: today is one of those days that many wished didnt happen..yet it did..#screamsstillresonates #911

Androany no iray amin'ny andro izay tsy irian'ny maro ho hisy..fa efa nitranga..#screamsstillresonates #911

Avy any Bahrain, bilaogera Mohammed Al Maskati na emoodz, ni-tweet hoe:

@emoodz: My thoughts and prayers go to the American, Afghan and Iraqi victims of the horrific terror acts of #911.. May their souls rest in peace..

Ho an'ireo  Amerikana, Afgana ary Irakiana niharam-boina tamin'ny fampihorohorona mahatsiravina #911 ny eritreritra sy ny vavaka ataoko….. Handry am-piadanana anie ny fanahin'izy ireo.

Nampiany hoe:

@emoodz: Lots of lessons to be learnt by how America handled the aftermath of #911.. Focus on the future but never forget the past.. #lulu #Bahrain

Marobe ireo lesona azo tsoahina tamin'ny fomba nitantanan'i Amerika ny fiantraikan'ny loza #911.. Mifantoka amin'ny hoavy kanefa aza adino koa ny lasa .. #lulu #Bahrain

Dokotera mpitsabo nify Saodiana Nouf Abdulrahman manameloka niampanga ilay mpampihorohoro Saodiana Osama bin Laden noho ny fahafatesan'ireo niharam-boina tamin'ny 11 Septambra, sy ny ady tany Iraka sy Afganistana – nirotsahan'i Etazonia niady tamin'ny fampihorohoroana.

Ni-tweet izy hoe:

ضحايا العراق و افغانستان انا احمل بن لادن – لا رحمه الله – دمائهم و دموع أهاليهم وليس ضحايا امريكا فقط #sept11
@Dr_Nouf: Miampanga an'i Osama bin Laden aho- tsy ho tafandry mandry anie ny fanahiny -noho ny ràn'ireo namoy ny ainy tao Iraka sy Afganistana ary ny ranomason'ireo fianakaviany, fa tsy ny niharam-boina tao Amerika ihany

Ho an'i  Saud Al Sheikh, avy any Arabia Saodita, mampatsiahy habibiana hafa ny fahatsiarovana. Nisioka izy hoe:

@SAMAlsheikh: You remember 911 yet you don't remember the massacre of 8000+ muslims in bosnia.

Mahatsiaro ny 911 ianao kanefa kosa tsy mahatsiaro ny famonoana miozolomana mihoatra ny 8000 tao bosnia

@SAMAlsheikh: You remember 911 but you don't remember an estimated 2million palestinians killed since 1948

Mahatsiaro ny 911 ianao kanefa kosa tsy mahatsiaro ireo palestiniana tombanana eo amin'ny 2 tapitrisa eo izay namoy ny ainy hatramin'ny taona 1948

Avy any Riyadh, Arabia Saodita, AhmadOTB nanao fanamarihana tahaka izany ihany koa:

@AhmadOTB: It's 9/11 in the states but it's 24/7 in Palestine, Iraq and Afghanistan

9/11 ao Etazonia fa 24/7 kosa ao Palestina, Iraka ary Afganistana

Ary i Nora Al Ashaikh, avy ao Arabia Saodita, nanampy toy izao kosa:

@Neeart: I'm so sorry that some people died in 9/11 but it's happening every day in middle east, people are dying every day…

Maneho ny alaheloko aho noho ireo olona sasany namoy ny ainy tamin'ny 9/11 kanefa zava-pitranga isan'andro ihany izany ao amin'ny faritra Afovoany Atsinanana, misy olona maty foana isan'andro..

Namana Saodina, Haneen Baitalmal kosa, na dia izany aza, sanganehana tamin'ny tsy firaharahian'ny olona sasany. Nanamarika izy hoe :

@HaneenBa: I truly can't understand people who say 9/11 is overrated. Have some mercy in you for gods sake!

Tsy azoko mihitsy ny olona izay milaza fa tafahoatra no atao amin'ny 9/11. Mba manana fo mitsetra azafady indrindra tompoko!

Ary farany nefa tsy ny kely indrindra, mpanao gazety monina ao Dubai Tom Gara nanao fanamarihana toy izao:


@tomgara
: In the ten years it has taken to almost build a new World Trade Centre, Dubai basically built Dubai.

Naharitra mila ho folo taona no hananganana indray ny World Trade Centre, Dubai nahatsarana ny fototr'i Dubai

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.