Maraoka: Ny Antoko Mpanohitra Twitter

Tamin'ny Alatsinainy, nanantosa fanentanana ny governemanta hampideradera ny “zavabitany” hatramin'ny nahazoany ny fitondrana. Sary goavana sy hafatra an-tsoratra SMS midera ny “vokatra azo” hatramin'ny efa-taona nitantanan'ny governemanta mpandala ny nentin-drazana tarihan'Atoa Abbas El Fassi ny fitondrana. Makassib.ma (Ny dikan'ny Makassib dia Zavabita) no vohikala natokana hanentanana izay natsangana roa volana monja mialoha ny fifidianana parlemantera izay antenaina ho tontosaina amin'ny 25 Novamber. Mampiasa ny sehatra ny mpisera Twitter Maraokana hanabantiana ny lazain'ny governemanta.

Ny mpamaham-bolongana Feryate nanoratra toy izao:

«لقد أصبح التويتو ما» -أي مستعملو التويتر المغاربة- هو الحزب المعارض الأول للحكومة» […] زوار هذا الموقع الاجتماعي، شنوا هجوما شرسا على الحملة التي أطلقتها الحكومة مؤخرا لتعداد إنجازاتها.
“Ny tontolon'ny Twitter Maraokana no lasa antoko mpanohitra voalohany ity governemanta ity.” Ny mpisera Twitter no nanao mamely mitsitaitaika ny fanentanana ataon'ny governemanta mikendry ny hampideradera ireo lazaina ho zavabita.

Tamin'ny alalan'ny esoeso sy ny hatsikana no nanapahan'ny mpisiokantsera Maraokana hanokana tenifototra, #Makassib, ho fakana tahaka hihomehezana ilay lazaina fa fahombiazan'ny [zavabitan’] governemantany. Indreto misy ohatra vitsy tamin'izay efa nosiahina:

Omar El Hyani (@O_El_Hyani):

“If you can't convince them, confuse them” #makassib

Rehefa tsy resinao lahatra dia asaritaho #makassib

Yassine (@Yastoch):

Ny azon'ny sasany mampahantra ny hafa #Makassib

Adil Amouri (@AdilAmouri):

En consultant #Makassib .ma, j'allais presque croire qu'on a plus de problèmes au Maroc !

Rehefa mijery amin'ny alalan'ny vohikalan'ny #Makassib , Saiky nino aho hoe tsy misy olana intsony any Maraoka!

Nawfal (@nawfal):

Ce qui est intéressant dans #makassib c'est que le web s'impose définitivement comme canal officiel de com au Maroc.Ça c'est un vrai makssab (acquis)

Ny mahaliana amin'ny #Makassib dia naka toerana tanteraka ho fantsom-baovao ofisialy ny aterineto eto Maraoka, ary dia tena zavabita izany.

Sana Guessous (@sguessous) nandrohy tamina lahatsary iray nataona tanora mpanohana ny demokrasia miantso ny isikan'ny filaharana amin'ny alahady ho avy izao hanohitra ny fianjadian'ny fari-piainana. Nisioka izy:

Et pan dans ta face, #Makassib !

Toraka an-tavanao #Makassib!

Ity ilay lahatsary:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.