Brezila: Hetsika Manerantany Manohitra ny Tohodrano Belo Monte an-tsary sy lahatsary

Nisandrahaka manerantany ny fihetsiketseham-panoherana ny fananganana ny tohodrano Belo Monte ny 19 ka hatramin'ny 22 Aogositra 2011. Na dia efa nanomboka aza ny asam-pananganana ity tohodrano ity, dia manomana fihetsiketseham-panoherana an'aterineto sy eny an-dalamben'ny tanàna maro any Brezila sy manoloana ny masoivoho sy Kaonsilà Breziliana ny mponina. Miaro ny mponina niorina tao hatry ny fahagola sy ny fambolena nentim-paharazana any amin'ny faritra Volta Grande do Xingu fanjakan'i Para ry zareo ireo ary miantso ho amin'ny fiarovana ihany koa ny Alan'i Amazonia sy ny tontolo iainana manodidina. Amin'ity lahatsoratra ity no anangonanay ny lahatsary sy sarin'ireo fihetsiketsehana manerantany.

Sao Paulo, tanàna lehibe indrindra any Brezila no nanomana ny fihetsiketsehana lehibe indrindra; nizotra tao amin'ny Avenue Paulista izany ary mandray anjara ao ihany koa ireo indizeny izay misy fiantraikany amin'ny fiainany  ny fananganana ity tohodrano hakana angovo ity. Raphael Tsavkko, izay mpanoratra ato amin'ny Global Voices no nisiokantsera (@Tsvakko) izay fahatsapany sy saripika maromaro avy amin'ny Diabe tao Sao Paulo nandritra ny folakandron'ny 20 Aogositra:

Banner reads: "Xingu Alive - Not Belo Monte!". Photo by Raphael Tsavkko on Flickr, used with permission.

Sora-baventy: "Velona i Xingu – Fa tsy i Belo Monte!". Saripika Raphael Tsavkko ao amin-ny Flickr, nahazoana alalana.

Nandrehidrehitra ny tanàna ny hafanampo, ary nisy Indiana nandoro saribakoly antsoina hoe “Dilma” [avy amin'ny hoe Filoha Breziliana Dilma Rousseff]:

Demonstrators march and burn an effigy in protest over the Belo Monte power plant construction. Sao Paulo, Brazil. Photo by Cris Faga, copyright Demotix (20-08-2011)

Diabe sy fandoroana sary ho fanoherana ny tetikasa hananganana ny tohodrano Belo Monte. Sao Paulo, Brezila. Saripika Cris Faga, copyright Demotix (20-08-2011)

Ny hetsika Brasil pela Vida nas Florestas (Brazil manohana ny fiainana an'ala) namoaka tamin'ny bolongany rohin'ny rakitsary roa ahitana ny fihetsiketseham-panoherana: ny an'i Luanda Francine ao amin'ny Flickr sy ny an'i Verena Glass ao amin'ny Picasa.

Namoaka fanombatombanana moa ny Polisy-Miaramila fa eo ho eo amin'ny 800 ny olona nanatrika ny fanoherana tao Sao Paulo. Jereo ny lahatsarin'ny fanoherana tao an-tanàna, mivoaka ao amin'ny YouTube napetrak'i Dhirak:

Ny vohikalan'ny Rede Brasil Atual no mitatitra ny fanoherana tany Belém, renivohitr'i Para, fanjakana hananganana ny tohodranon'i Belo Monte. Danilo Ramos no namoaka sary vitsivitsy ny diabe izay nizotra tamin'ilay tsena malaza Ver-o-Peso sy ny toerana manan-tantara hafa ao afovoan'ny tanàna.

Tao Altamira, ny fivondronana hananganana ny tohodrano, dia ny andro mialoha no nanaovana ny fihetsiketsehana, ny zoma19 Aogositra. Karen Hoffman no namoaka tao amin'ny Flickr-ny sary 15 tamin'ity hetsi-panoherana ity.

Ny diaben'i Fortaleza, tao amin'ny fanjakan'i Ceará, dia nizotra tao amin'ny fari-pivarotana tao afovoan-tanàna. Amin'ny alalan'ny posters sy ny teny filamatra no hihetsehan'ny mpikatroka manohitra ny tetikasa Belo Monte, sy ny fanoherana ihany koa ny lalàna vaovao momba ny ala:

March against the Belo Monte dam in Fortaleza, Brazil, on August 20, 2011. Photo by the author Joao Miguel Lima.

Diabe fanoherana ny tohodrano Belo Monte tany Fortaleza, Brezila, tamin'ny 20 Aogositra 2011. Saripika Joao Miguel Lima.

Tany Brasília, renivohi-pirenena ao Brezila, mandihy sy mihira fanandratana ny ala, ao amin'ny toerana voajanahary manakaiky ny tranoben'ny minisiteran'ny fitondrana federaly. Jereo ity lahatsary nivoaka tao amin'ny YouTube avy amin'ny mpisera FSPompeo2 ity:

Tamin'ny 22 Aogositra, dia fihetsiketsehana – izay nambara tao amin'ny vohikalan'ny fikambanana Xingu Vivo – no nizotra tao Rio de Janeiro, teo anoloan'ny foiben'ny Bankim-pirenena misahana ny Fampandrosoana (BNDES), miantso ny fitondrana tsy hampiasa ny volam-bahoaka amin'ny fananganana ny tohodrano.

Mieritreritra an-toerana ihany, mihetsika manerana ny tany

Nandritra ny Andro Iraisam-pirenena ho fiarovana an'i Amazon, 22 Aogositra, no niofo nahatratra ny manerantany ny hetsi-panoherana ny fananganana an'i Belo Monte. Ny fikambanana iraisampirenena Survival izay natokana hiaro ny vahoaka indizeny, namoaka lahatsoratra miaraka amin'ny sary avy any amin'ny tanàndehibe manerana izao tontolo izao, tahaka ity iray avy ao Londres:

"Dozens of people demonstrated against the Belo Monte dam, outside the Brazilian Embassy in London today." Credit © Survival

"Olona ampolony manohitra ny fananganana ny tohodrano Belo Monte, ivelan'ny masoivoho Breziliana ao Londres." Credit © Survival

Ao amin'ny Twitter, Xingu Vivo no mizara lahatsary ahitana ny fanoherana ny fananganana an'i Belo Monte tao Paris, Frantsa:

Any Etazonia, mpikatroka avy ao San Francisco no manao izay handrenesana ihany koa ny feony:

"Brazil: No Belo Monte Dam! Save the rainforest" outside the Brazilian consulate in San Francisco, USA. Photo by International Rivers on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

"Brezila: Tsy mila ny tohodrano Belo Monte! Arovy ny ala" Eo ivelan'ny masoivoho Breziliana ao San Francisco, Etazonia. Saripika International Rivers ao @ Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Demonstrators holding signs outside the Brazilian consulate in San Francisco, USA. Photo by International Rivers on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Mpanao fihetsiketsehana manandratra marika ampitan'ny masoivoho freziliana ao San Francisco, Etazonia. Saripika International Rivers ao @ Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Any Meksika misy mpikatroka mivezivezy miaro ny “rano sy fandriampahalemana” (#CaravanaTemaca) nanao fihetsiketsehana manoloana ny Kaosilàn'i Brezila ao Guadalajara “ho fiaraha-mientana anoherana an'i Belo Monte”. Ny tanjon-dry zareo moa dia ny hanolotra taratasy amin'ny Kaonsily “hitaky ny hanajana ny zon'ireo olombelona iharan'ny fanjavonana”:

Foto de Sididh / Prodh (Sistema integral de Información en Derechos Humanos del Centro Prodh) no Twitpic (@Sididh).

Saripikan'ny Sididh / Prodh (Sistema integral de Información en Derechos Humanos del Centro Prodh) no Twitpic (@Sididh).

Manana fanangonan-tsonia mandrisika ny filoha Dilma Rousseff hampitsahatra ny fanitarana ny tohodranon'i Belo Monte i Avaaz ary “hampiasa vola amin'ny angovo mahomby sy loharanonkery madio, hiaro ny zo fototry ny olona taloha (indizeny) sy ny fokonolona ao an-toerana ary hanohana ny fampandrosoana miaro ny fiainana sy ny tontolo iainana”.

Efa novakian'i Lou Gold [notsaraina] ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.