Alavoly Mahatsikaiky Miaraka Amin'ny mèmes Tenifototra Japoney

Tamin'ny herinandro izay nanoloran'i Twitter ny fahafahan'ny tenim-pirenena Japoney mampiasa tenifototra, nanao tahaka ny andevolahy nahita fotsimbary ny tontolon'ny Twitter Japoney.

Hatramin'izao dia tenifototra anglisy foana no nampiasaina tanaty tweets Japoney, izay azo nampiasaina ho azo potsirina na sivana amin'ny fikarohana atao. Mazàna dia tsy nanome ny manodidina manokana ambadiky ny hetsika na anarana fampielezan-kevitra an'iny bitsika iny izany.

Ny sasany dia mandinika fa avadiky ny tenifofotra Japoney ho fitobatobahana ohgiri i Twitter, karazana kilalaon-teny izay avy amin'ny fomba fitantarana angano rakugo fahiny . Mifaninana amin'ny fanomezana valinteny lalina indrindra ireo mpandray anjara, momba ny lohahevitra fohy iray.

Milaza i Wordsmith Hideaki Matsunaga hoe:

人によってはタイムラインが日本語ハッシュタグ大喜利に埋め尽くされている場合もあるようだ。「#名作のタイトルに団地妻をつけるとロマンポルノになる」など、ついつい大喜利に参加したくなるネタが続出している。

Maro ny olona no mahita ny laharam-baovaony feno tweet ohgiri. Mipoitra isanandro ny lohahevitra izay tokony hovaliana, tahaka ny hoe “Tovano amin'ny teny hoe ‘vady an-trano manahirana”’ ny sarimihetsika iray fahita matetika dia mivadika ho sarimihetsika mampanonofy vetaveta”.

Manome fanazavana maro avy amin'ny fomba fijery ara-pototry ny teny izy, ary milaza fa ny antony lehibe dia mety hoe raha ampitahaina amin'ny tenifototra voasoratra amin'ny alfabeta, ny tenifototra Japoney dia mora avadika ho fehezanteny :

アルファベット文には半角スペースは欠かせないが、そこでハッシュタグは切れる。空白を除いたとしても、#followmejpや#londonriotのように二~三語の連結ぐらいが限界。あるいはアンダーバーを使って #where_we_come_from というような形にすることも可能は可能だが、冗長であるし字数も費やしてしまう。必然的に、文より単語のハッシュタグが増える。

一方、日本語は(わざわざ分かち書きをしない限り)空白を使わないので、句読点を除けばハッシュタグで文を表現できる。その結果、「#小説のタイトルの一部を残業に変えると悲しくなる」のような自然な日本語がハッシュタグで表現できる。

Ilaina ny elanelana rehefa mampiasa alfabeta nefa hanapatitaka ny tenifototra izany. Azonao atao ny mampitohy ireo teny tsy misy elanelana, tahaka ny #followmejp na ny #londonriot, nefa voafetra ho an'ny teny roa na telo ihany izany. Azonao atao koa ny mampiasa ny tsipika ambany, tahaka ny hoe #where_we_come_from”, nefa miverimberina izany ary mametra ny isan'ny litera azo ampiasaina.
 

Amin'ny lafiny iray ny tenifototra Japoney dia mety ho fehezanteny iray manontolo. Midika izany fa ny tenifofotra dia mety hanehoana zavatra tahaka ny hoe “Soloy ny teny iray anatin'ny lohatenin'ny boky amin'ny teny hoe “fanalavana” dia ho lasa tantara mampalahelo izany”, mijanona ho Japoney mahazatra izany.

Hetsika Ohgiri nalain'ny mpampiasa Flickr raccoflickr

Indreto misy “mème” telo (zavatra malaza miverimberine amin'ny aterineto) lohahevitra nironana tany Tokyo nandritra ny andro iray na roa.

Fantatrao hoe “mpanome endrika – na designer” ianao rehefa“ (#デザイナーあるある)

Nisy mème “aru aru” (fantatrao rehefa) maro, izay niarahan'ny olona nifaly tamin'ny fitserana na fifanakalozana fahatsiarovana iraisana. Tamin'ny faran'ny volana Jolay, nahazo ny anjarany koa ny mpamorona sary sy vohikala ary nizara ny tsy nety andavanandro, tanaty tweets marobe.

@kamesaku
「ここは?」「目立たせたい」「ここは?」「もっと目立たせたいい」「ここは?」「目立つように」「ここはいいですよね」「目立つように」#デザイナーあるある

“Eto?” “Ah, tianay hivoaka tsara ilay izy.” “Ary ity?” “tianay hivoaka tsara koa io.” “Ary eto ary e?” “Io koa” “Tsy ity kosa e?” “Tsy maintsy atao miavaka.” #FantatraoHoeDesignerIanaoRehefa #YouKnowYoureADesignerWhen

@1041DC
ダミーです。この文章はダミーです。ダミーです。この文章はダミーです。ダミーです。この文章はダミーです。ダミーです。この文章はダミーです。ダミーです。この文章はダミーです。ダミーです。この文章はダミーです。ダミーです。この文章はダミーです。ダミーです。この文章 #デザイナーあるある

Fehezanteny diso io. Fehezanteny diso io. Fehezanteny diso io. Fehezanteny diso io. Fehezanteny diso io. Fehezanteny diso io. Fehezanteny diso io. Fehezanteny diso io. #YouKnowYoureADesignerWhen.

Tokugawa Ieyasu, "shogun" (andriana japoney) voalohany nandritra ny vanimpotoana faha-andriana Tokugawa

Bitsika mahazatra tamin'ny  vanim-potoana Edo (#江戸時代のTwitterにありがちなこと)

Mety ho tahaka ny ahoana ny media sosialy nandritra ny vanim-potoana Edo (1603–1868)?

Mety ho nampiasa Foursquare ny lehilahy hividianana tapakila any amin'ny faritry ny jiro mena (toerana feno mpivaro-tena) :

@ryu_po_po
I'm at 吉原遊郭 (江戸日本橋1-2-3)#江戸時代のtwitterにありがちなこと

Aty amin'ny Fokotanin'ny jiro mena aty Yoshiwara aho (1-2-3 Edo Nihonbashi).

Nanana anjara tamin'ny fanovàna ny zava-bita tsara indrindra ho an'ny Tweet isan-tsegondra i Japana ho an'ny hetsika mampientanentana maro, ary hatramin'ny nadravan'ny afo an'i Edo indray (Tokyo ankehitriny) ….

@Ein__Clown
また火事なう #江戸時代のtwitterにありがちなこと

Afo HAFA.

Iray tamin'ireo bitsika nalaza indrindra no niresaka momba ny Tranga tany Honnō-ji, izay naneren'i Akechi Mitsuhide an'i Oda Nobunaga hamono tena. Efa ela talohan'ny vanim-potoana Edo izany tranga izany, fa tsy nampiova hevitra ireo mpibitsika!

@sakatandao
信長「本能寺なう!」光秀「敵は本能寺にあり!」 #江戸時代のtwitterにありがちなこと

Nobunaga: “Aty Honnō-ji aho izao!” Mitsuhide: “Miandry any Honnō-ji ny fahavalo!”

Ity iray ity mampahatsiahy ny resaka tamin'ny Komodaoro Perry, tonga tany amin'ny morontsiraka Japoney niaraka tamin'ny sambo mpiadiany mba hanokatra ny firenena.

@12chikasa22
本人からRT来たwwww RT @ペリー Hello 🙂 RT やべぇwwww黒船来たwwww #江戸時代のtwitterにありがちなこと

Ity dia RT (Avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: famerenana mandefa bitsika nalefan'olon-kafa) avy amin'i Perry tenany ihany! RT @Perry Miarahaba 🙂 RT Kiii tazako ireo sambo mainty!!!!!

Soloy teny hoe “Udon” ny teny iray anaty lohatenina sarimihetsika dia lasa Kagawa izany sarimihetsika izany” (#タイトルの一部をうどんにすると香川が舞台になる)

Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr alkuden

Ny prefektioran'i Kagawa dia fanta-daza amin'ny udon (paty vita amin'ny varimbazaha). Sady maneho ny reharehan'ny any an-toerana ireo mpibitsika  no manome kolotsaim-bahoaka.

@highoh
ティファニーで、うどんを。 #タイトルの一部をうどんにすると香川が舞台になる

Udon ao amin'ny Tiffany

@aegisL
アイ・アム・うどん#タイトルの一部をうどんにすると香川が舞台になる

Udon aho

@p_e_n_t_o_
ネヴァーエンディングうどん#タイトルの一部をうどんにすると香川が舞台になる

Ny Udon tsy manam-petra

@yamainutakumi
崖の上のうどん #タイトルの一部をうどんにすると香川が舞台になる

Udon eo amoron-tevana akaikin'ny ranomasina

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.