Fitorahana Bilaogy Miafina Amin'ny WordPress sy Tor, Torolàlana Amin'ny Teny Espaniola

 

Ny Toro-làlana momba ny Fitorahana bilaogy miafina amin'ny WordPress sy Tor dia efa misy amin'ny teny Espaniola noho ny fandikan-tenin'ny mpanampy malalantsika Marianne Diaz.

Ny toro-làlana dia mampiseho fomba maro hiarovana ny mombamomba ny olona iray mba hisorohana ny valy bontana ary hampiena bebe kokoa ny risika amin'ny fanakambanana ny mombamomba ny mpitoraka bilaogy iray amin'ny asa sorany ao anaty aterineto amin'ny alàlan'ireo fitaovana tekinika samihafa.

Blogueo Anónimo con WordPress y Tor dia afaka sintonina tahaka amin'ny endriny “PDF”. Mety ilainao ny mametraka ny ny Adobe Acrobat Reader maimaim-poana mba hijerena azy.

Miangavy anao hisintona ny toro-lalana ary hanampy hampiely ity vaovao manan-danja ity. Asa misalasala ihany koa manampy anay handika ny toro-lalana amin'ny teninao manokana.

Ny toro-lalana dia hita amin'ireto teny ireto ihany koa:

Anglisy
Frantsay
Portuguese
Arabo
Farsi
Sinoa
Italiana

Raha mila fanampim-panazavana dia ilazao izahay ao amin'ny : advocacy [ at ] globalvoicesonline [ dot ] org

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.