Iran: Haromotana amin'ny tsangambato niorina nialoha ny vanim-potoana Islamika

Hita taratra fa na dia ny tsangambato aza any Iran dia karazany voantohintohina. Antony ara-pivavahana no taratra ho ambadiky ny halatra sy famotehana ny “tsangambato”n'ny olomangam-pirenena vita amin'ny varahina miorina ao an-tanàna.

Nanome baiko ny hamotehana ny sary narendrika (“tsangambato” varahina na tsangam-barahina) miisa 16 ahitana ilay olomanga Iraniana sady mpitifitra amin'ny tsipìka antsoina hoe Arash Kamangir [zary lasa toy ny tantarana angano] eo ambony kalesy sy soavaly ny manampahefana iray any avaratry ny firenena antsoina hoe Sari.

Iranian mythological hero and archer, Arash Kamangir.

OLomanga sady mpitifitra tsipìka zary angano Iraniana, Arash Kamangir.

Ny fanazavana ofisialy naharihary moa dia nolazaina fa azo raisina ho manivaiva ny kianja Imam nanangana ny Repoblika Islamika, Ayatollah Khomenei, ny fahitana soavaly eo.

Nolazaina moa i Kamangir fa nanome fofon'ain'ny tenany ny tsipìkany, izay nampiasaina hanitarana ny sisintanin'i Iran. Efa nandravaka ny zaridainan'ny tanànan'i Sari hatramin'ny 1975 moa ny sary narendrika (avy amin'ny fandrendrehana).

Ity lahatsary ity dia maneho ny sary narendrika nopotehina ary nampidirina tao amin'ny YouTube avy amin'ny mpisera  tamin'ny 29 Jona 2011:

http://www.youtube.com/watch?v=5rHTL_UzbDo

Kinendry mora potehina

Nanoratra i Azarmehr fa mihamaro ny “tsangambato” nopotehina tao ho ao, noho ny fanohizan'ny tompon'andraikitra Iraniana ny haromotany amin'ny tantaran'i Iran nialoha ny vanim-potoana Islamika. Hoy izy:

Hatramin'ny revolisiona Islamika tamin'ny 1979 anefa dia manohy ny politika anti-iraniana ny Repoblika Islamika. Matahotra izay mari-pamantarana iraniana nialoha ny vanim-potoana islamika rehetra ny fitondrana. Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay dia nihetsika indray ny politikam-pamotehana an'i Iran amin'ny alalan'ny fanesorana ny sary mampiseho ny tantara malazan'i Shahnameh (Bokin'ny Mpanjaka) tany Mashad, ny fanesorana ny tsangambaton'ny olomalaza Iraniana fahagola, Arash any Sari ary ankehitriny ry zareo dia te-hanaisotra ny tsangambaton'i Ariobarzanes any Yassuj.

Maro ny mpamaham-bolongana ary anisan'izany i Osyan Sabz no naka ny sary ny sisa tavela tao an-toerana rehefa noesorina sy nopotehina ny sary narendrika:

Kiasar nanatsoaka izay nolazain'i Abdulhossein Mokhtabad, mpanakanto avy any Sari, fa an'ny vahoakantsika ny “tsangambato” ka mila arovantsika.

Tara loatra izany aloha ho an'ny mpitaingina ao Sari.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.