Tiorka: Niampisahotaka Ny Valantserasera Ny Horakora-panoherana ilay Mpanankato Kiorda

Aynur Doğan, mpanankato Kiorda-Tiorka, no nohorakorahan'ny ampahany tamin'ireo mpijery nandritra ilay fampisehoana ankalamanjana Istanbul Jazz Festival satria nanao hira tamin'ny teny Kiorda izy. Niredona ny hiram-pirenena Tiorka ny sasany tamin'ireo mpijery ho fanoherana ny zava-miseho, raha toa ka nanohana ilay mpihira kosa ny mpijery hafa.

Nony farany dia niala teo ambonin'ny lampihazo ilay mpanankato noho ny antsoantso mafy nataon'ireo mpijery. Araka ny hevitry ny sasany, ny antony nahatonga izany fikorontanana izany dia noho ny fifandonana nisy teo amin'ny mpitandro filaminana Tiorka sy ny mpitolona Kiorda ny omalin'ny andro ka nisiana fahafatesana lehilahy ampolony mahery avy amin'ny roa tonta.



Tarika Mpitendry mozika Masedoniana Baklava sy ilay mpihira Tiorka malaza Aynur, nanokatra ny Offest fahasivy, Fetin'ny mozika manerantany. Skopje, Makedonia. Saripika Mite Kuzevski, copyright Demotix (01/06/10)

Beyhan Demirci, anisan'ny mpijery tao, naka sy nandefa sarimihetsika misy ilay mpanankato niala teo an-dampihazo ary nofeheziny toy izao ny zava-niseho

‘Türkce soyle’ dediler, ‘şehitler ölmez’ dediler, ‘yuh’ dediler. Ve Aynur Doğan'ı sahneden indirdiler..

Hoy ireo mpijery ‘Mihirà hira Tiorka”, hoy izy ireo ‘tsy ho faty mandrakizay ny martiora’,  hoy koa izy ireo ‘boo’. Ary [farany] nahatonga an'i Aynur Doğan niala teo an-dampihazo izany…

Meltem Gürler, izay anisan'ireo mpijery ihany koa; nitatitra ny zava-nitranga:

Acikhavada yerin dibine girdik, Aynur'u Kurtce sarkilarindan dolayi sahnede protesto ettiler. Aynur sahneyi terk etti.Burasi vahim durumda.

Sahiran-tsaina mafy tokoa izahay tao amin'ny  [Fampisehoana] ankalamanjana,  nanohitra an'i Aynur [raha mbola] teo ambonin'ny sehatra [ny sasany] noho ny hirany amin'ny fiteny Kiorda. Nampalahelo ny zava-nitranga.

Aslı Tunç, anisan'ny nanatrika ny fampisehoana ihany koa,  nitatitra fa nandao ny fampisehoana ny sasany tamin'ireo mpijery taorian'ny fifamaliana tamin'ireo hafa izay nanohana ilay mpanakanto:

Izleyicilerin bir bolumu acik havayi terketti, tartismalar suruyor!

Nandao ny toerana ankalamanjana nisy ny [fampisehoana] ny sasany tamin'ireo mpijery,mbola nitohy ny fifamaliana!

Nanamarika koa izy ny amin'ny fomba nihiran'ireo mpijery ny hiram-pirenena ho mariky ny fanoherana:

Acik Hava'da rezalet suruyor! Bir kisim seyirci istiklal marsi soyleyip konseri sabote ediyor!

Mitohy ny Fifamaliana tao amin'ny [Fampisehoana] ankalamanjana! Ny sasany tamin'ireo mpijery [tao] mihira ilay hira İstiklal [Hiram-pirenena Tiora] mba hanakorontanana ny fampisehoana!

Niparitaka haingana tamin'ny tambazotran'ny  valantserasera ny vaovao alohan'ny nahazoan'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao mahazatra  izany indray avy eo. Nanomboka ny adihevitra tsy ankiato momba ny tsy fandeferana sy ny fanavakavaham-bolokoditra ao Tiorka. Na dia izany aza, mbola be fanantenana ny sasany na dia teo aza ny zava-nitranga, hoy @glcnavsar nanoratra:

Aynur Doğan'ı protesto edenler bu ülkedeki gelişimin öyle gerisinde ki umutsuzluk yaratamazlar artık; ancak utanç vesilesi olurlar.

Tsy maharaka ny fandrosoana misy eo amin'ity firenena ity ireo  manohitra an'i Aynur Doğan, tonga eo amin'ny tanjona izay tsy ahafahany mandiso fanantenana; [ka] mahamenatra ny ataony.

Mpanakanto Tiorka iray hafa malaza, Yasemin Göksu, no nilaza fa niantso an'i Aynur Doğan an-tariby izy ary nitafa fohy taminy tamin'ny alalan'ny “karajia” na “chat” taoriana kelin'ny nandrenesany ny zava-nitranga:

… ben şimdi konuştm Aynur Doğan'la. Olayı anlattı, birkaç kişi provoke etmş ama dinleyici Aynur'u sahiplenmiş. Tabi morali bozulmuş ama iyi

Vao avy niresaka tamin'i Aynur Doğan aho. Nanazava ny zava-nitranga izy, [toa] olona roa no nahatonga ny korontana saingy nanohana an'i Aynur kosa ny mpijery. Marina fa kivy izy nefa salama tsara hatrany.

Araka ny filazan'ireo izay nijanona hatramin'ny faran'ny fampisehoana, dia nahazo fihobiana lehibe avy amin'ny mpijery i Aynur Doğan, ary nihiaka teny filamatra ho firaisankina amin'i Doğan sy ny fanoherana ny fanavakavaham-bolokoditra, raha iny niakatra fanindroany teo ambonin'ny sehatra iny izy niaraka tamin'ny mpihira hafa.

@degendary, izay nanatrika ny fampisehoana, namariparitra ny faran'ny fampisehoana toy izao:

Konser sona eriyor Aynur sahneye geldi herkes ayakta Aynur U alkışladı, yasasın halkların kardeşliği sloganları atıldı

Nifarana ny fampisehoana, niakatra teo ambonin'ny sehatra i Aynur, nitsangana avokoa ny rehetra, nitehaka an'i Aynur, nihiaka teny filamatra “Ho ela velona anie ny firahalahian'ny vahoaka[ rehetra]”

Görgün Taner, lehiben'ny IKSV, fikambanana izay mikarakara ny Jazz Festival ao Istambol, nanambara fa:

Çok kulturlu seslerin yer aldığı konserler yapmaya devam edecegiz

Mbola hanohy hikarakara fampisehoana izahay izay ahitana ny feon'ny kolontsaina samihafa .

Taorian'ny zava-nitranga, niantso  firaisankina ho an'i Aynur Doğan ny pejy Facebook iray ary nilaza ny tsy fankasitrahana ny korontana natao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.