Malezia: Fihaonamben'ny Bersih ao Amin'ny Valantserasera

Maherin'ny 1400 ireo vahoaka nosamborin'ny polisy tamin'ny famoriam-bahoaka  Bersih 2.0 androany, izay natao mba hanafainganana ny fanovana momba ny fifidianana ao Malaysia. Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso ny polisy, mba hanaparitahana ireo vahoaka izay mahatratra hatramin'ny 50,000  araka ny filazan'ny mpikarakara ny fihetsiketsehana. Midika hoe “madio” ny Berish amin'ny fiteny ao an-toerana.

Nambaran'ny governemanta farany teo fa tsy ara-dalàna ny Berish saingy taty aoriana dia nomeny alalana hanao hetsika ao anatin'ny kianja indray;  nolavin'ny mpiandraikitra ny toerana indray anefa ny fanomezana fahazoan-dalana hanao fihetsiketsehana. Ny hanolotra ireo fangatahana valo ho an'ny governemanta no drafitra voalohany napetraky ny Bersih.

Bersih rally from the Facebook page of Yuvanesh Prabakaran

Fihetsiketsehana nataon'ny Berish hita tao amin'ny pejy Facebook an'i Yuvanesh Prabakaran

Namoaka ity fanambarana ity ny Komity mpitantana an'ny Bersih 2.0 na ny Vondrona ho amin'ny Fifidianana Madio sy Mangarahara androany hariva:

Afa-po ny Berish 2.0 na dia teo aza ireo olana sy sakantsakana tsy maintsy natrehinay, Maleziana avy amin'ny seha-piainana rehetra no nandresy ny tsindry hazo lena ataon'ny polisy ka afaka miseho am-pilaminana ary marobe tsy mampino ny isan'izy ireo mba hampiseho ny fitiavany ny fireneny ary ho amin'ny fandalàna ny rariny.

Matahotra ihany anefa izahay satria an-jatony maro no efa nosamborina, tsy misy antony mazava ny antony nisamborana ny ankamaroan'izy ireo.

Tsy androany ny faran'ny fihetsiketsehana, fa dingana mitondra amin'ny lalana izay mbola lavitra izao ka ny fifidianana madio sy mangarahara ao Malezia no tanjona. Mitohy ny hetsika, mihetsika ho amin'ny fanovana momba ny fifidianana, amin'ny famoahana ireo nogadraina, ary amin'ny fitsaharan'ny herisetra ataon'ny manampahefana.

A grandma who joined the rally. From the Twitpic page of @eugeneteoh.

Renibe namonjy ny famoriam-bahoaka. Avy amin'ny pejy Twitpic @eugeneteoh.

Ny famoriam-bahoaka no lohahevitra lehibe resahina ao amin'ny valantseraseran'i Malezia, indrindra indrindra ao amin'ny Twitter sy Facebook. Maro ireo tenifototra ampiasan'ireo mpisiokantserasera fa ny #bersihstories no tena be mpitia ary tenifototra hafa malaza indrindra kosa no nampiasana androany mba handraketana ara-tantara ny fandraisana anjara sy ny fijerin'ireo mpanao fihetsiketsehana Berish.

Twitter trending map

Saritany malaza ao amin'ny Twitter

Ireto ambany manaraka ireo ny sombina tweet izay mampiasa tenifototra #bersihstories:

@edryfaizal: Maro ireo nilaza fa mankahala anay ny olom-pirenena sasany. Kanefa nandritra ny famoriam-bahoaka raha niserana teo aminay dia nanofahofa tanana anay ny mpandalo sy ny mpitondra fiarakaretsaka. Saiky nitomany aho.

@fourfeetnineaud: Raha namaky ny tweet momba ny horohoron-tany tany Japana aho. Nieritreritra fotsiny fa manana izany karazana hatsaram-panahy sy firaisankina izany ry zareo. Avy eo aho namaky ny #bersihstories

@edmundlaukm: Voatery niafina tany anaty kirihitrala akaikin'ny Hopitaly Tung Shin sy nananika ny tafo miaka-drantsana noho ny gazy ny ankamaroanay.

@elizabethwong: Nandeha namonjy toeram-pisakafoanana chappati ahitana sira, rano & dité izahay . Nahafinaritra ny tompon'izany & ny fianakaviany izay niteny hoe “mandrosoa, mandrosoa, mipetrapetraha, mipetrapetraha!”

@lingswaransingh: Manolo-kevitra aho mba hanaovantsika rehetra fanambarana rahampitso noho ny FRU, fitifirana baomba mampandatsa-dranomaso tao amin'ny hopitaly. Manao fanambarana marobe.

@lilunumlock: RT @khalids: #Bersih toy ny fotoam-pivorian'ny teambuilding [ekipa mpanorina]  ho an'ny Maleziana

@edmundlaukm: Mampahery tanteraka ny mahita ireo vahoaka avy amin'ny foko rehetra mifanampy hatrany. Mpinamana avokoa izahay rehetra, samy nankafy ihany koa izahay rehetra.

Protesters on the run. From the Facebook page of Yuvanesh Prabakaran.

Mpanao fihetsiketsehana eny an-dalana. Tao amin'ny pejy Facebook an'i Yuvanesh Prabakaran.

@jhybe: Lalana nasiana marika ao amin'ny kl izay andehanan'ny mpitolona, dadatoa sy nenitoa miaraka amin'ny sarontava . Maharikoriko tokoa izany.

@ShazGhaF: tena namana ireo mijanona eo akaikinao izay mihidy tanana rehefa miatrika ny tafondro-drano & kapaoakam-baomba mandatsa-dranomaso.

@mykaernate: nieritreritra aho tamin'ny voalohany fa ratsy ho an'ny firenena ny #bersih…taorian'ny namakiako ny #bersihstories….ankehitriny fantatro ny tena dikan'izany …FIRAISANA

@evelayn: Nisy lehilahy iray nanome anay sira kely napetrany teo amin'ny tanany raha notafihina tamin'ny alalan'ny baomba mampadatsa-dranomaso iny izahay. Nomeny anay avokoa izay rehetra teny aminy & tsy namonjy ny tenany akory izy

@EvangelineHan: fifangaroan'ny ratram-po sy fandresena ary firaisana ny #bersihstories . Mahafinaritra.

@ninoamigo: Nahita lehilahy iray nihazakazaka aho, mandeha amin'ny lalana mankany amin'ny kianjan'ny Merdeka, sempotry ny rano & ny baomba mandatsa-dranomaso.  vahoaka 30000 no niara-mitehaka

@lautbulan: Tsy misy olona misahirana hikolokolo ny tarehiny nandritra ny fanafihana amin'ny alalan'ny baomba mandatsa-dranomaso. Samy mandoa eraky ny lalana ny tsirairay. Ankehitriny, izany no firaisana.

@edryfaizal: rehefa nandeha tamin'ny arakely [sady fandehanan-tongotra no fandehanan'ny fiara saingy ny mpandeha an-tongotra no manan-jo kokoa] misy trano fipetrahan'olona. Nieritreritra aho fa hitora-bato anay ny olona monina ao. Saingy nitehaka anay sy nanandratra ny ankihiben-tanany ry zareo.

Many were surprised why a hospital was also attacked by the police. From the Facebook page of Fandi Foo.

Maro ireo gaga fa nahoana no notafihan'ny polisy ihany koa ny hopitaly. Sary tao amin'ny pejy Facebook an'i Fandi Foo.

Nametraka ny fizotry ny toe-draharaha nandritra ny andro ny vohikalan'ny Bersih. Ahitana ny sarin'ny fihaonana ny Picasaweb sy ny Facebook. Misy lahatsary youtube iray avy amin'i Malaysiakini nampiseho ny fandarohan'ny polisy ny mpandray anjara amin'ny Bersih

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.