Mpandika asongadina: Fabienne Der Hagopian

Fabienne Der Hagopian dia nonina tany Etazonia nandritra ny taona maro talohan'ny nifindrany ho any Frantsa, tany niaviany, izay iasàny ankehitriny amin'ny maha-manampahaizana manokana ara-barotra sy mahaleotena azy eo anivon'ny aterineto. Avy aminà fianakaviana Armeniana, nandika betsaka ho amin'ny teny Frantsay izy tamin'ireo lahatsoratra momba an'i Kaokazy tao amin'ny Global Voices amin'ny teny Frantsay, izay nosoratan'ilay mpamoaka ny lahatsoratray avy ao Kaokazy, Onnik Krikorian, nefa koa mahaliana azy ny mikasika  izao tontolo izao amin'ny lafiny rehetra. Vao haingana izy no nifindra avy ao Parisy nankany ambanivohitr'i Normandie, any akaikin'i Honfleur – izay rakotry ny aterineto haingam-pandeha rahateo! Androany, miverina mijery ny niainany ny maha-mpandika an-tsitrapo azy eto amin'ny  Global Voices i Fabienne…

 

Fabienne Der Hagopian in France

Fabienne Der Hagopian: Herintaona sy tapany lasa izay no nahitako ny Global Voices. Tsy tsaroako intsony izay nahatonga ahy hitsidika azy, nefa kosa tonga aho dia babo avy hatrany noho ny antony maro samihafa. Voalohany, mankafy ny aterineto aho satria  loharanom-pahalalana tsy hita noanoa izy, izay ahafahan'ny tsirairay (mazàna) maneho hevitra ary ny Global Voices Online no iray tena azo itarafana an'izany. Loharano sarobidy amin'ny fijerin'ireo olona izay ‘miaina’ mivantana ny vaovao, na noforonin'izy tenany mihitsy. Ary ireny dia tantara tsy mba taterin'ireo mpanao gazety: fijoroana vavolombelona mivantana

Amin'ny maha-Frantsay avy amina fianakaviana manam-pihaviana Armeniana ahy, dia loharano mahafinaritra ihany koa izy mikasika ny fomba fiainana any Armenia, ary ny fifanolanana amin'ny Azerbaijan, ambaran'ireo olona izay mipetraka any amin'izao andro izao.

Farany, fahafinaretana ny miara-miasa amin'ity andian'olona tsara fandray ity, ary tena tombontsoa be ny fahafahana manampy na dia kely monja ihany aza mba hanely ny feon'ireny  olona ireny.


Q: Hatraiza ny fifandraisana akaiky eo aminao sy ny fianakaviana Armeniana niavianao?

FDH: Tena kely ny fahafantarako momba an'i Armenia amin'izao fotoana raha ny marina. Ny fianakaviako avy amin'ny andaniny roa, saingy misaraka, dia nandositra nandritra ny fanombohan'ny vonomoka rehefa nanomboka nisy ‘tsy hita nanjavonana’ ny olona tao anatin'ny fianakaviana. Any Istambul ry zareo no monina. Ny fianakavian'ny raiko nandositra nankany Libanona, ny avy amin'ny reniko nanketo Frantsa. Nifindra avy any Libanona nankaty Frantsa ny raiko taty aoriana mba hiofana ho injeniera ary tao anatina fikambanana Armeniana iray no nifanenany tamin'ny reniko… Taorian'izay dia fantatr'izy ireo fa ny raiben'izy ireo tsirairay avy, izay samy nonina tany Istambul, dia nifankahalala ary fahazàrany ny niara-nilalao echec. Boribory ny tany.  Miparitaka eto Frantsa, Libanona, Soeda, ny sasany any Etazonia, sy Kanada, saingy tsy misy intsony raha ny marina ny mipetraka any Armenia  amin'ny fianakaviako Armeniana. Izany no mahatonga ny fahitako fa hoe tena mahaliana tokoa ny mamaky izay voasoratra ao amin'ny  Global Voices Caucasus momba ny zava-misy any an-toerana.

Q: Global Voices Caucasus dia nanangana tetikasa iray ho ezaka fampifandraisana mivantana mandalo amin'ny aterineto ny Armeniana sy ny Azeris amin'ny alalan'ny  bilaogy iray sy pejy Facebook iray. Heverinao ve fa afaka manana toerana eo amin'ny famahana ny olana ny tambajotra sosialy?

FDH: Ny tetikasan'i Onnik Krikorian sy Arzu, azeri iray mpitoraka bilaogy, no hany tokana fantatro hatreto. Ny lanjan'ny bilaogy koa dia mifototra amin'ny fanomezana fahafahana mahazo vaovao tsy mandalo ireo fanaraha-mason'ny manampahefana. Anatin'izay mety ho fifanolanana, dia misy foana ny ezaka goavana handisoana ny vaovao: noho ny amin'ireo bilaogera, afaka manao jery todika tsara ny mpamaky, manana loharanom-baovao hafa, mamaky fijoroana vavolombelona ary manao ny fanadihadiana izy tenany ihany.

Q: Nandritra ny herintaona izao, nandika bilaogy avy any amin'ny faritra Afovoany Atsinanana ho amin'ny teny Frantsay ianao. Ireny dia nambara fa nitàna anjara asa betsaka tokoa tamin'ireo fitroaran'ny Arabo. Ahoana no fahatsapanao izany?

FDH: Tahaka ny any Armenia, ny tambajotra sosialy dia tetezana iray ho an'ny vaovao izay miala ny fanarahamason'ireo manampahefana. Lasa sarotra (enga anie) ny manakana ny korianam-baovao. Ary dingana iray voalohany tena mahafinaritra izay. Rehefa misaina ny vonomoka nahazo ny Armeniana sy ny Holocaust ianao, ny fialàna bàla dia ny hoe: “tsy nahafantatra izahay.” Amin'izao fotoana, sarotra be ny hialokaloka foana ao ambanin'ny tsy fahalalàna. Saingy ny sisa manerana izao tontolo izao dia tsy maintsy mihaino sy mihetsika. Na izany aza, tsy lasa lavitra ny finday manoloana ny fitaovam-piadiana. Izay no mahatonga ny Global Voices hitàna toerana saropady, amin'ny fanelezana ny feon'ireo bilaogera avy any amin'ny faritra manerana izao tontolo izao nefa tsy mba mameno ny pejy voalohan'ny gazety (ary mbola lasa lavitra kokoa noho ny revolisiona Arabo aza). Izay no mampiavaka  ny  Global Voices: asongadiny ny fiainana “manara-penitra” izay raha ny marina dia tsy tena manara-penitra manao ahoana.

Q: Ahoana no fomba ifidiananao ny lahatsoratra hadika amin'ny teny Frantsay, ary koa , nahoana ianao no nisafidy ny ho mpirotsaka an-tsitrapo tahaka izao?

FDH : Hatramin'ny nandaozako an'i Parisy ka nifindrako ho aty aminà toeram-piompiana fahiny aty ambanivohitr'i Normandie aty, dia tsoriko fa mora kokoa ny manadino ny tontolo manodidina. Ny mandika ho an'ny Global Voices dia ahafahako mijanona ho mifandray tsy tapaka amin'izay mitranga eran'izao tontolo izao,  amin'ny sehatra bitika, ary mandray anjara kely amin'ny fanelezam-baovao mikasika izay mitranga any  Oganda na  Brezila. Tiako ny mandika lahatsoratra mikasika ireo firenena tsy dia fantatra loatra, no sady mijery ny omby miraoka ahitra eny an-dohasaha!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.