Ejipta: Raha nahavita ny tsy vitan'ny fampitam-baovao mahazatra ny fitaovam-pampitam-baovaon'olotsotra

Ity no fizarana voalohany amin'ny andiam-panadihadiana momba ny revolisiona Ejipsiana avy amin'ny fomba fijerin'ny mpamaham-bolongana sady mpamokatra dokambarotra an-dahatsary Aalam Wassef, ary mifantoka amin'ny lahatsary an-tserasera sy ny fomba fampitam-baovao hafa niara-dalana tamin'ny rotaka sivily.

Ny antontam-panadihadiana dia novokarin'ny NarcoNews, vohikala miresaka momba ny ady amin'ny rongony sy ny demokrasia any Amerika Latina, ary nampiantrano ihany koa ny Sekolin'ny Fanaovan-gazety tsy misy fangarony notontosaina tamin'ny volana Mey tamin'ity taona ity, raha teo am-pivoahana ny lahatsary.

Na dia ny Latina Amerikana aza no ifantohana dia hita fa tafiditra tanaty fandaharam-potoana hobanjinina amin'ity taona ity i Ejipta: fandaharana iray mifantoka amin'ny revolisiona Ejipsiana resahin'ireo nandray anjara mavitrika, ary eo ihany koa ny fijery avy amin'ny fampitam-baovao izay teo amin'ny kianja Tahrir milaza ny tantara tamin'izao tontolo izao.

Ny  Lahatsary no tahaka ny fanorotoroana nampandresy ny fikirizana sy fiaretana nataon'ny sivily, ary manaraka izany y tantaran'ny fihetsiketseham-panoherana nandritra ny taona maro. Mitantara ny nanombohany namoaka lahatsary tamina solon'anarana i Aalam Wassef tamin'ny 2007 nitsikera ny fitondrana, sy ny nampalaza azy ireny vetivety.

Tsy hoe vintana tsara ihany izany: Wassef, namaham-bolongana tamina anarana samihafa izay niantsorohany, dia namoaka lahatsoratra tamin'ny bolongana ihany koa, nahazo tahalaka dokambarotra tamin'ny mili-pikarohana Google ary raha fehezina, niantoka fa izay te-hahazo ny hafatra dia naharay. Ary avy eo, nandeha tamin'ny tontolo “tena misy”, ny gazety.

Na dia nanazava ny ezaka nataony hanaitra ny Ejipsiana aza izy, dia tamin'ny nandraisan'ny BBC ny iray amin'ny tantarany no nahafantarany fa 28 taona taorian'ny nahazoan'i Hosni Mubarak ny fitondrana vao nipaka sy nihoatra sisintany ny hafany, nahazo ny nihoatra ny 10%-n'ny  Ejipsiana manana aterineto. Misy amin'ny teny Espaniola ihany koa moa ny lahatsary.

Taorian'ny hetsika fanentanana an-tserasera mahomby maromaro dia hitan'izy ireo fa mizotra mankany amina revolisiona iarahana amina namana Ejipsiana an'arivony manana tanjona tokana izy ireo: mamarana ny fitondrana. Ity Lahatsary manaraka ity, nalefa 20 andromialoha ny revolisiona no mety ho vato nitarika ny gorisagorisan-tany. Any amin'ny farany moa dia misy hafatra fohy miteny ny rehetra haka ny namany, hivoaka ho eny an-dalambe ary hiantsoantso hanala an'i Mubarak amin'ny 25 janoary 2011, vitany izany.

Mbola lavitr'ezaka tokoa ny asa miandry ny Ejipsiana maniry hanangana indray ny fireneny: mbola miezaka hatrany izy ireo amin'ny alalan'ny bolongana, fampitam-baovao ary eny an-dalambe. Manao tahaka izany ihany koa i Aalam Wassef amin'ireo vohikalany samihafa: roa ny kaonty YouTube, iray nybolongana ary eo koa ny tetikasa artistika an-tserasera. Araka ny famehezana ataon'i Wassef ao amin'ny fanadihadiana:

Tsy zavatra azonao ny demokrasia, zavatra kendrenao ho azo izany satria tsy hahazo demokrasia 100% izany na oviana na oviana ianao… mila mieritreritra ao an-tsainy ny tsirairay isaky ny mifoha maraina fa miankina aminy ny revolisiona. Izany no nampandeha azy, izany no nampahomby ny revolisiona. Raha misy ny iray amintsika no toa mahatsapa fa tsy misy idirany io, dia very io. Ary tsy maintsy manana izany fahatsapana izany aho isa-maraina.


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.