Syria : Bilaogeran'ny ‘Gay Girl in Damascus’ nalaina ankeriny

Fanampiny (9 Jona 2011): Hatramin'ny niovahan'ity lahatsoratra ity dia lasa ihany ny fanontaniana hoe iza marina moa i “Amina Arraf”. Voaporofo fa vehivavy Kroasiana monina any Londres io vehivavy amin'ny sary io. Vakio ato izany.

Nanjary nalaza be vetivety i Amina Arraf. Mi-bilaogy amin'ny solon'anarana hoe Amina Abdullah. Manoratra momba ny politika, ny fikomiam-bahoaka vao haingana teo ary ny maha-vehivavy mitia vehivavy azy ao Syria. Mizaka zom-pirenena roa samihafa Amerikana sy Syriana raehivavy ary namariparitra ny zavamisy iainana andavan'andro ao Syria nandritra izay herinandro vitsivitsy izay ny lahatsoratra nataony.

Ankehitriny, nilaza ny bilaogy manokana an'i Amina fa nalain'ny manampahefana ankeriny izy. Ny rahavaviny Rania O. Ismail, no nitatitra:

Androany teo amin'ny 6ora hariva teo ora Damaskosy, nandehandeha tao amin'ny faritra fiantsonan'ny fiara Abbasid i Amira, eo akaikin'ny lalana Fares al Khouri.  Niaraka tamin'ny namany izy handeha hihaona amin'ny olona mpikambana ao amin'ny vaomieram-pandaminana ao an-toerana.

Amina Arraf

Nilaza tamin'ny namany i Amina fa handroso aloha kokoa izy ka tafasaraka ry zareo.  Toa nahita ilay olona izay notadiaviny i Amina.  Tamin'izay fotoana izay indrindra no nisy lehilahy telo tokony ho roapolo taona eo ho eo naka azy an-keriny, raha mbola teo akaiky teo ilay namany tamin'io fotoana io. Araka ny nambaran'ny nanatri-maso (izay tsy mitonona anarana) dia nitondra fitaovam-piadiana ireo olona ireo.  Novelesin'i Amina ny iray tamin'ireo ary niteny ilay namany izy mba handeha hiantso ny dadany.

Notapenan'ny lehilahy iray tamin'ny tanany ny vavan'i Amina ary avy eo natosiny mafy tao anatin'ny Dacia Logan mena misy ny sarin'i Basel Assed mipetaka eo amin'ny varavaram-pitaratra.  Tsy naharay ny nomeraon'ilay fiara teo ilay vavolombelona .  Nandeha tampoka izy ary nahita ny dadan'i Amina.

Ahiahiana ho anisan'ny mpisahana ny filaminana na milisin'ny antoko Baas ireo lehilahy naka an-keriny ireo.  Tsy fantatra ankehitriny hoe aiza i Amina, any am-ponja ve izy sa voatazona any amin'ny toeran-kafa ao Damaskosy.

Ora vitsy taorian'ny hafatra voalohany nalefany, nandefa ny vaovao farany ny rahavavin'i Amina :

Niresaka tamin'ny  ray aman-dreniny tamin'ny finday aho ary ny hany azonay ambara amin'izao fotoana izao dia tsy hita izy. Miezaka mikaroka azy fatratra ny toerana izay mety misy azy ny dadany.

Indrisy anefa, fa farafahakeliny 18 tahaka ny isan'ny antoko sy ny andian-jiolahimboto ny karazana vondrona polisy ao Syria.  Tsy fantatray izay naka azy ankeriny ka tsy fantatray hoe iza no angatahana mba hanafaka azy.  Mety noteren'ireo mpaka ankeriny nafindra toerana koa izy.

Hoy ny nambaran'ny hafa ao amin'ny fianakaviana izay efa nigadra tamin'ireny toerana ireny hoe manantena izahay fa ho ahafahana tsy ela izy. Fa raha mikasa ny hamono azy izy ireo dia efa nataony izany.

Izany indrindra no tokony ivavahantsika.

Ao amin'ny lahatsoratra nanoratan'ny The Guardian ny momba an'i Amina herinandro vitsivitsy lasa izay no mamariparitra azy ho “vehivavy mahery fon'ny fikomiana ao amin'ny firenena mpandala ny nentindrazana”.

Misiokantsera ho firaisankina amin'i Amina ny namany sy ny mpanohana azy ary mampiasa ny tenifototra#FreeAmina, sy nanangana ny Takelaka Facebook koa mba hanentana ny rehetra hitdy fifandraisana amin'ny Masoivoho Amerikana , ny mpanao gazety ary ny olona fata-daza hafa mba hitaky ny fanafahana an'i Amina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.