Koety: mpianatra ejipsiana voaroaka fa nanontany momba ny revolisiona

Nanaitra ny Koesiana ny nahita ny vaovao, andron’ny zoma, nandroahana ny mpianatra ejipsiana 10 taona antsoina hoe Bassim Mohammed Fathi amin’ny sekoly any Koety rehetra noho ny fanontaniany tsotra manao hoe “Nahoana ianareo no tsy manao revolisiona?” Ny tena nanafintohina tamin’ilay tantara dia ny nitateran’ny mpampianatra azy ny fanontaniana tany amin’ny minisiteran’ny fampianarana, izay nanapa-kevitra ny handroaka azy. Nametraka fitarainana tamin’ny manampahefana tao amin’ny minisitera ny rain’ilay zaza, izay naka ny fanapahankevitra manohitra tapaka ny voalohany ka namerina ny zaza ho any an-tsekoly 24 ora monja taorian’ny niparitahan’ny vaovao tamin’ny gazety koesiana.

Fanapahan-kevitra nomelohina

Schoolboy in Kuwait. Image by Flickr user Steve & Jemma Copley (CC BY-SA 2.0).

Schoolboy in Kuwait. Image by Flickr user Steve & Jemma Copley (CC BY-SA 2.0).

Nanohitra izao fanapahan-kevitra izao ny siokantsera Koesiana ary niantso ny minisitry ny fampianarana hiditra an-tsehatra ka hamerina io ankizy io an-tsekoly. Niditra an-tsehatra ihany koa ny mpikambana parlemantera fa niteny ny minisitra Ahmad Al-Mulaifi fa manao fanamarihana manohitra an’i Koety ilay zaza. Ny mpisiokantsera Koesiana, Dr. Fawaz Al-Farhan (@FawazFarhan), no anisany voalohany nanameloka ity fanapahan-kevitra tsy mety ataon’ny minisitera ity tamin’ny filazany hoe:

على الوزير المليفي أن يرد اعتبار الطفل المصري عن طريق استقباله وإجابته بنفسه عن تساؤل الطفل ، يجب أن ننتزع من قلوب أطفالنا الخوف من السؤال

@FawazFarhan: Tokony hamaly ny fanajana ilay zaza ny minisitra Al-Mulaifi amin’ny fampiatranoana azy sy ny hamaliany manokana ny fanontaniany; tokony esorintsika ao ampon’ny zanatsika ny tahotra hanontany.

Mpisera Twitter iray, antsoina amin’ny anaram-bositra hoe Zeus (@Zeus_K) no nanoratra hoe tokony horaisina amin’ny fomba matotra sy mila ny fifantohan’ny olona rehetra ny fanontanian’ity zaza Ejipsiana iray:

اذا لم يرجع الطفل المصري المفصول الى مقاعد الدراسة ومحاسبة كل من ساهم باعتماد فصله ، وجب علينا الاعتصام أمام مبنى وزارة التربية

@Zeus_K: Raha tsy mahazo miverina an-tsekoly ilay mpianatra Ejipsiana voaroaka ary tsy atao ho andraikitr’ireo nandroaka io, dia tokony hanohitra eo anoloan’ny minisitera isika

Mpamaham-bolongana Koesiana sady mpisiokantsera malaza antsoina hoe nEo (@Om9edda) no nampitandrina ny minisitra tamin’ny fanambarany:

الى الوزير المليفي: تصريحك اليوم بالجرايد حول الطفل المصري المفصول قد يكلفك سياسيا الكثير لانه دليل على عدم علمك بما يجري في وزارتك

@Om9edda: Ho an’ny minisitra Al-Mulaifi: Mety hisy fiantraikany ara-politika aminao ny fanambarana nataonao momba ilay zaza Ejipsiana voaroaka satria porofo io fa tsy mahalala akory izay mitranga ao amin’ny minisiteranao ianao.

Mitsikera ny fihetsika natao tamin’ilay mpianatra Ejipsiana ihany koa ny mpisiokantsera Koesiana Mohammed Alqattan (@MJQ_KWT) :

قصة الطفل المصري المفصول يجب أن تنحل بطرق تربوية راقية وفاعلة تتمثل في تقييم الفكر ومعالجته. فلا يجب التعسّف مع قاصر ألقى كلمات بريئة.

@MJQ_KWT: Tokony ho voavaha amin’ny fomba fitaizana mahomby amin’ny fandanjalanjana ny tranga ity raharaha momba ilay zazalahy ejipsiana ity; Tsy tokony hisy fihoaram-pahefana atao amin'ny tsy ampy taona miteny voambolana tsotra.

Mpahay lalàna iray antsoina hoe Nasser Najaf (@NasserNajaf) no namosa-kevitra manazava ny haavom-pampianarana any Koety ankehitriny raha maka lasitra amina tranga iray hafa teo aloha ahitana mpampianatra Anjerimanontolo nitory ny mpianany satria nitsikera azy an-tserasera ireo:

دور المُعلم بدأ يأخذ منعطف خطير، فبالأمس دكتورة تحيل طالباتها للتحقيق، واليوم يتم فصل طالب في مرحلة الابتدائية لتوجيهه سؤال إلى معلمته.

@NasserNajaf: Miditra kihon-dalana mampidi-doza ny asa maha-mpampianatra; Taloha, mandefa ny mpianany hohadihadiana ny mpampianatra ary ankehitriny kosa dia voaroaka ny mpianatra manontany ny mpampianatra.

Ilay vehivavy mpikatroka Koesiana Nabila Alanjari (@Nalanjari) ihany koa no farany namoaka hevitra nilaza ny maha-zava-poana ny fomba niasan'ny minisitera nanoloana ity toe-draharaha ity:

قضية الطفل المصري هل تستحق كل ذلك اشخلينا للأنظمة العربية المتسلطة

@Nalanjari: Mendrika ho tonga amin'izao toe-draharaha izao ve ity zaza Ejipsiana ity; Inona ny navelantsika ho an'ny fitondrana Arabo mpanao didy jadona?

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.