Okraina: Mpanao politika mpisera ao amin'ny Facebook sy Twitter

Mihoatra ny iray tapitrisa izao ny vahoaka Okrainianina mampiasa [uk] Facebook ary mihoatra ny 80,000 ireo mpampiasa [en]  Twitter. Mihamaro hatrany ireo mpanao politika  Okrainiana misafidy ny hiditra mpikambana amin'ireo tambazotran-tserasera ireo. Amin'izao fotoana izao, mihoatra ny 50 amin'izy ireo izao no efa mpikambana ao amin'ny Facebook ary mihoatra ny 20 ireo antoko politika sy ireo singa politika no mpikambana ao amin'ny Twitter. Ny tompon'andraikitra eo amin'ny resaka aterineto sy ny vohikalan'ny haino aman-jery mpifaninana ara-tsosialy rehetra Watcher.com.ua dia mametraka rafitra ahafahana mijery ny filahatr'ireo mpanao politika manana ny lazany ireo amin'ny alalan'ny kaontin'izy ireo eo amin'ireo tambazotran-tserasera roa ireo.

Ny lazan'ireo mpanao politika Okrainiana ireo ao amin'ny Facebook sy Twitter

Sary nalaina teo amin'ny solosaina ahitana ireo mpanao politika Okrainiana

Araka ny voalaza ao amin'ny Watcher.com.ua,  raha ny tamin'ny 12 Aprily taona 2011, ny takelaka ao amin'ny Facebook manana ny lazany indrindra dia: ny lehiben'ny antoko mpanohitra “Batkivshchyna” (mg. Tanindray) tarihan'i Yulia Tymoshenko’s (sandoka), ahitana “mpankafy” 5,421 ; Praiministra Lesya Orobets’, manana “mpankafy” 2,229; ary solombavambahoaka tarihan'i “Batkivshchyna” Oleksandr Turchynov's, ahitana “mpankafy”  1,602. Ny Praiministra  Mykola Tomenko sy Oles Doniy no manana namana miisa 5,000 ao amin'ny kaontiny Facebook, ny mpitarika ao amin'ny ankolafinkery ankavanana  VO “Svoboda” (mg. Fahafahana) Oleh Tyahnybok dia manana namana 4,995 , ny Praiministra Lesya Orobets – dia manana namana 4,789.

Ny kaonty Twitter manana ny lazany indrindra (rehefa nohamarinina) dia ny kaontin'i: Yulia Tymoshenko – dia manana mpanara-dia 12,832, i “Sylna Ukraina” (mg. Okraina matanjaka) lehiben'ny tarika sy Praiministra lefitra Serhiy Tihipko – manana mpanara-dia 4,294, ary i  Lesya Orobets – dia manana mpanara-dia 4,197.

Ny andraikitry ny mpanao politika ao amin'ny valan-tserasera

Tamin'ny faha 4 Aprily taona 2011, namoaka fanadihadiana [uk] iray tao amin'ny Watcher.com.ua i Maksym  Savanevsky mikasika ny andraikitry ny mpanao politika ao amin'ny tambazotran-tserasera Facebook sy Twitter . Nadika etsy ambany ny fehin’ izany:

Ny fehiny azo sintonina nandritra ny fanadihadianay mikasika ny andraikitry ny mpanao politika Okrainianina eto amin'ny tambazotra-tsosialy dia toy izao: tsy misy na hery politika iray aza ka manana paikady fiasa eto amin'ny tontolo manodidina. Hita miharihary sahady ny olana eo anivon'ny ara-teknika. Ohatra amin'izany, mpikambana ao amin'ny Facebook ny antoko “Za Ukrainu” (mg. Ho an'i Okraina) fa kaonty ho an'olon-tsotra no ampiasainy, izay afaka vonoina amin'ny fotoana rehetra raha mandika ny lalàna eo amin'ny tambazotra-tsosialy.

Nisafidy ny hampiasa paikady somary hafa kely ny mpisolo tenan'ny antoko politika “Sylna Ukraina” (mg. Okraina matanjaka). Namorona takelaka roa avy izy ireo, ahitana io antoko politika io sy ny Sergiy Tihipko [lehibe mpitarika ny antoko] amin'ny fiteny Okrainiana sy Rosiana – takelaka 4 noho izany ny fitambarany. Tsy azoko an-tsaina hoe amin'ny fomba ahoana no aneken'ny foibem-pitondrana ny fizarazaran'ny mpamaky izay mifototra amin'ny fomba fiteny, fa ny sasany amin'izy ireo dia mety efa resy lahatra tsara mihitsy. Mitovy tsy misy valaka ny votoatin-dresaka voalaza amin'ireo fiteny roa samihafa ireo.

Mandray ny tenany ho toy ireo olon-tsotra mpikambana ao amin'ny Facebook ireo mpanao politika sasany ary tsy miavaka amin'ny hafa izy ireo amin'ny fomba rehetra – miresaka momba ny sarin'ny namany izy ireo, mizara ny fomba fijeriny mikasika zavatra avy novidiany, ary tsy dia miresaka momba ny asa aman'andraikiny eo amin'ny sehatra politika izy ireo. Mihevitra aho fa ny naman'ny antoko Volodymyr Aryev sy Oles Doniy dia tsy mahafantatra akory hoe Praiministra izy ireo.

Fa misy fahasamihafana maro amin'ny fihetsik'izy ireo. Ohatra, i Doniy izao dia efa manana namana 5,000, izay no fetra farany ao amin'ny Facebook. Sarotsarotra ny mieritreritra olona iray izay  manana namana 5,000 na latsak'izany aza,  500 no tena namany amin'ny  fiainany andavanandro. Noho izany, mazava ho azy fa maro ny olona no te ho namana Praiministra iray, ary tsy manda ny fangatahan'izy ireo  koa ity farany.

Misy parlemantera indray nisafidy fomba iray hafa dia i Andriy Shevchenko izany. Na dia izy aza no voalohany indrindra niditra mpikambana tao amin'ny Facebook, dia izy no vitsy namana indrindra raha atao ny fampitahàna – aman-jatony fotsiny. Ary mety tena namany amin'izao fotoana izao ireo aman-jatony ireo. Fa amin'ny  Twitter kosa, tsy mila miandry ny valin-tenin'ny olona izay tiana arahana ny mpikambana ao, i Shevchenko izao dia manana mpanara-dia eo amin'ny 1,500 eo ho eo, ary faha5 amin'ireo isa ireo dia mpanao politika Okrainiana [ao amin'ny Twitter].

Raha nahatratra io fetra farany amin'ny fananana namana  5,000 io, dia nanova ny paikadiny ny iray amin'ireo mpanao politika mpialoha lalana ireo [eo amin'ny haino aman-jery sosialy] – dia i Lesya Orobets izany. Ankoatra ny fananany kaonty Facebook, dia namorona takelaka Facebook ihany koa izy. Mifantoka amin'ny resaka asa aman'andraikiny avokoa ny ao amin'io takelaka io, ary mampiasa ny kaontiny manokana izy raha hifanerasera amin'ireo tena namany. Kely sisa dia handresy i Orobets  ao amin'ny Twitter  – mihoatra ny 4,000 ny mpanara-dia azy ary manam-bitana hitana ny toerana faha 2 izy ka hisongona an'i Serhiy Tihipko.

Manantena ny fiakaran'ny isan'ny kaonty Twitter an'ireo mpanao politika izahay afaka fotoana fohy. Misy ifandraisany amin'ny fahatsoran'ny fampiasana io fitaovana io izany sy ny fahombiazan'i  Yulia Tymoshenko [mpanao politika voalohany indrindra izay manana “kaonty voamarina” ao amin'ny Twitter] teo amin'ny fampiasana azy. Tao anatin'ny iray volana sy tapany monja dia efa nahangona mpanara-dia miisa 12,000 izy, izay tsara lavitra noho ny nantenaina, raha jerena ny mpamaky Okraniana ao amin'ny Twitter amin'ny ankapobeny dia mahatratra 100,000 ka hatramin'ny 150,000 ny mpampiasa azy.

Fanamarihana anankiray koa –raha oharina tamin'ny taona 2009-2010, dia nihena ny fijirihana ny andraikitr'ireo mpanao politika ao amin'ny kaonty Facebook-ny. Na izany aza, dia mbola mitana ny voalohan-daharana ny takelaka misy an'i Yulia Tymoshenko eo amin'ny filaharana ao amin'ny Facebook, na dia tsy misy ifandraisany amin'ny antoko politika “Batkivshchyna” sy ny mpitarika izany aza izy io.

Raha jerena indray ny fiovana kasaina atao eo amin'ny rafi-pifidianana Okrainiana izay miainga any amin'ny fototra ka hatrany amin'ny sehatra ankapobeny, dia maro ireo mpanao politika no mandefa eritreritra mankany amin'ny aterineto ankehitriny, ka mandray azy ho fitaovana manan-danja iray ahafahana miara-miasa miaraka amin'ny mpifidy azy, ary indrindra indrindra any amin'ny faritra misy tanàna manana mponina miisa 100,000 no mihoatra.

Haino aman-jery sosialy, ny governemanta Okrainiana sy ny mpanohitra

Na dia mihamitombo hatrany aza ny andraikitry ny mpanao politika  Okrainiana, dia mbola ambany hatrany ny isan'ireny sangan'olona ireny any amin'ny tambazotra-tsosialy  raha natao ny fampitahàna. Ny mety ho anton'izany dia ny ankamaroan'ny mpanao politika dia mahatsapa hatrany fa ny fahitalavitra no mbola fitaovana manan-danja ahafahana mifanerasera amin'ny mpifidy, ary ny famehezana ny fahitalavitra – no làlana [uk] mankany amin'ny fahombiazana ara-politika. Nefa raha dinihana ny fihenan'ny fahalalahana an-gazety [en] ao Okraina, dia tsapa hoe nahoana ny ankabeazan'ny mpanao politika izay mavitrika amin'ny fampiasana ny haino aman-jery sosialy (jereo ny filaharana etsy ambony) no maneho fanoherana.

Raha ny filohan'i Okraina no resahana, araka ny foto-baovao ofisialy, dia tsy manana kaonty amin'ny tambazotran'ny haino aman-jery sosialy mihitsy izy [uk], tafiditra ao anatin'izany koa ny Twitter. Ilay kaonty Twitter @PresidentUA dia fangalàna tahaka ny fanambarana ofisialy any amin'ny vohikalan'ny filoha manam-pahefana, dia manana mpanara-dia efa ho 2,000, ary iray hafa koa, @Prezident_UA, izay manana mpanara-dia miisa 715. Ilay kaonty mpangala-tahaka izay misolo ny tenan'ny PM Okrainiana  Mykola Azarov (@PremierUkraine) dia manana mpanara-dia mihoatra ny 1,300.

Raha hiverenana ny taona 2009, dia namorona kaonty Twitter @President_UA (jereo ity lahatsoratra ato amin'ny GV ity) ny filoha Okrainiana teo aloha Victor Yushchenko, izay notohanan'ny mpanao gazetiny araka ny heno. Nefa, maro ireo mpampiasa aterineto no manakiana izy io noho izy mankaleo sy maneho ny lanjany mirefarefa amin'ny tany noho ny tsy fahaizana mampiasa io fitaovam-pampiasana bilaogy bitika io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.