Iran: Misambotra Alika (indray)

Niverina eny an-dalambe ny mpitandro ny filaminana Iraniana mba hanohy indray  ny fihetsika manala-baraka tamin'ny taona 2007: Fisamborana alika. Naharitra fotoana fohy ihany ny fisamborana alika farany teo, ary noafahana haingana avy eo ireo alika ireo. Ankehitriny, araka ny voalazan'ny gazety Iraniana, alika maromaro no nalaina ankeriny ary nafindra ” vonjimaika any amin'ny fonja”. Heverin'ny fitondrana Iraniana fa tsy Islamika ny fananana biby (an-trano), saingy mbola noleferiny hatrany izany. Azo natao izany satria ny olona tena tia miompy alika dia toa ny Iraniana ao an-drenivohitra sy ny tanora nandia fianarana ka mety hiteraka herisetra mahery vaika indray ny (resaka) alika.

Lahatsoratry Animal Persian miaraka amin'ny sary

Animal Persian bilaogy nanoratra tamim-panesoana sy vazivazy momba izay  heloka mavesatra mahazo ny olona tia miompy biby an-trano ao Iran sy izay mety hatrehiny eo anoloan'ny mpitsara amin'ny manaraka:

1- Fihazonana alika amin'ny fotoana maharitra ao amin'ny toeram-ponenana

2- Fampiatranoana alika roa mba hialokaloka ao aminy

3- Fizarana trakta ho fanohanana ireo izay manana alika

4- Famoronana bilaogy omena anarana alika sy fanoratana bilaogy mikasika ny alika

5- Mampitsangatsangana alika eny an-dalambe

6- Fandefasana lahatsoratra an-kafatra 15 ho fanohanana ny biby, indrindra ny alika

7-Fananana boky telo mikasika ny alika

8- Fitsidihana mampiahiahy any amin'ny toeram-pitsaboana biby

9- Fangala-tahaka ny feon'alika any amin'ny fetin'ny mpianatra

10- Fahitana sakafon'alika anakiroa ao an-tranonao

Ny bilaogy Anti Hunter nanoratra fa  mpikambana 39 ao amin'ny solombava-bahoaka Iraniana no nanolotra volavolan-dalàna mba handrara ny alika sy ny “biby mampidi-doza” hafa tsy hirenireny eny an-dalambe. Nantsoin”izy ireo ho ” faka-tahaka ny tandrefana ary olana ara-tsosialy sy ara-kolotsaina” ny biby fiompy an-trano. Nanambara ny bilaogera fa raha ankatoavin'ny antenimieram-pirenena izany soso-kevitra izany, dia ho voasazy ireo tompony raha miompy biby izay heverina fa tsy madio amin'ny Islamo. Anti Hunter nilaza koa hoe:

Iza no hitsara, ary inona ny masotsivana ampiasaina, raha ny biby zavaboarin'Andriamanitra no mampidi-doza? Dia tsy ho fatantsika ve ny fiarovana ataon'ny alika amin'ny olona? Moa mba nanontany ny hevitry ny manam-pahaizana ara-piaraha-monina, manam-pahaizana momba ny toetra ary ny hevitry ny dokotera mpitsabo biby ve ireo solombavambahoaka ireo?

Dardesaraye yek Dampezeshk (“Ahiahin'ny dokotera mpitsabo biby”) nanoratra fa mahita filazan-toetra tsara an'ny alika amin'ny filazan”i Imam Ali , ny Imam Shiita voalohany, nilaza fa mendrika ny hanana ireny (biby ireny) ny mpino.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.