Kiobà: Voarara ny Fiverenan'ilay Mpampianatra sady Bilaogera Amerikana

Ted Henken, mpampianatra ao amin'ny kolejy Baruch ao an-tanànan'ny Oniversité  New York (CUNY), bilaogera mahay manoratra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy  Kiobana, no nampandrenesin'ny minisiteran'ny Fiarovana Kiobàna fa tsy afa-miverina ao amin'ny nosy izy.

Nandritra izay 12 andro nijanony izay, niresaka tamina bilaogera maherin'ny 40 momba ny bilaogy sy ny aterineto ao Kiobà i Henken, vetivety monja dia tafavoaka ao amin'ny bilaoginy El Yuma izay rehetra hitany.  Ny resaka momba ny fiasana tenany, fivarotatena,  ary ny fanarahana ny fehinkevitra tapaky ny Kongresy faha VI vao haingana nataon'ny Antoko Komonista Kiobàna no anisan'ireo resaka niadian-kevitra tao amin'ny “El Yuma,” lohahevitra izay voaresaka betsaka tamin'ny gazety eto an-toerana sy vahiny.

Bilaogin'i Ted Henken "El Yuma."

Henken dia nihaona ihany koa tamin'ireo bilaogera avy amin'ny tontolo politika rehetra sy ny vondrona tsy ofisialy. Ireo bilaogera Kiobàna, La Joven Cuba , Havana Times ary Voces Cubanas no anisan'ireo fikambanana an-tserasera nanaitra azy.  Nanoratra ihany koa ny fihaonany tamin'ilay mpampianatra moa ny bilaogera sasany.  Araka ny hevitry ny mpanoratra ao amin'ny La Joven Cuba :

[…] hubo diferencias de opiniones, diferencias ideológicas y de perspectiva, pero siempre en un ambiente de respeto y donde primó escuchar más que convencer al interlocutor […]

[…] Nisy ny tsy fitovian-kevitra, tsy fitovian'ny fotokevitra ary ny vinavina, saingy tao anatin'ny fifanajana hatrany no nanaovana izany, ary ny fihainoana no voalohan-daharana noho ny fandresen-dahatra ny mpiresaka amin'ny tena […]

Nandritra ny fihaonany tamin'ny manampahefana tao amin'ny seranam-piaramanidina José Martí, nilaza i Henken fa nanontanian-dry zareo izy raha manana fahazoan-dalana hanao fanadihadiana ao Kiobà.  “Ny olona rehetra izay noresahiko dia samy nanome alalana ahy avokoa,” hoy izy namaly ity tompon'andraikitra ity tao anatin'ny firesahana manokana.  Nanamarina ny valinteniny avokoa izay nifampiresahany tamin'ny mpisera Twitter sy ny Facebook, ary ny mpamahana bilaogy hohadihadiana.

Mpiasa-panjakana no nametraka fanontaniana azy momba ny fanadihadihana nataony tamin'ireo bilaogy manohitra ny governemanta, fantatra ao amin'ny nosy ho toy ny “mpikarama an'ady” sy “manohitra ny revolisionera,” tahaka ny fihaonany tamin'i Yoani Sánchez ihany koa[es].

Ny volana Martsa lasa teo, nikarakara taptapak'ahitra momba ny bilaogy tao amin'ny Efitra malalaka “Cuba Futures” i Ted Henken, ary teo ambany fitantanan'ny Ivo-toerana Bildner an'ny Anjerimanontolon'i New  York.  Mpianatra ambaratonga ambony manana ny mahaizy azy sy mpikaroka ara-toekarena mipetraka ao amin'ny nosy, ao anatin'izany i  Carlos Alzugaray sy i Pavel Vidal, no nandray anjara tamina vaomiera isan-karazany tamin'io fotoana io.

Nanatrika izany koa ny Filoha U.S eo aloha James Carter tamin'ny fitsidihany ny nosy nandritra ny telo andro ny 30 Martsa tamin'ny taona lasa, niaraka tamin'ny solontenan'ny  mpanohitra Kiobà nahazo ny fankatoavan'ny governemanta.

Nalaina tao amin'ny vohikana ny hajiantsary

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.