Tontolo Arabo: Fanontaniana ary Fiafaran'ny tantara Taorian'ny Fahafatesan'i Bin Laden

Maty novonoina tamin'ny fanafihan'ny CIA nataon'ny Amerikana tao Abbottage ao Pakistan ilay mpampihorohoro Oussama bin Laden  omaly. Mpiserasera manerana ny tontolo Arabo no nilaza ny heviny manoloana izany vaovao izany.

Tao amin'ny Twitter, nirongatra nandritra ny tontolo andro ireo fihetsehampo, ny sasany falifaly amin'ny fahafatesany, ary ny hafa  kosa malahelo ny fahalasan'ny lehiben'i Al Qaeda teo amin'ny faha 54 taonany, izay nantsoin'izy ireo hoe maritiora.

Fanontaniana

Maro ireo fanontaniana nipetraka taorian'ny fanambarana ny fahafatesany ka  indreto sombiny amin'izany:

Avy amin'ny Emirats Arabo Mitambatra, Sultan Al Qassemi nanontany hoe:

Manontany tena aho raha handefa telegrama ho fiarabana ny Etazonia tamin'ny famonoana an'i Bin Laden ny lehiben'ny Arabo sy izao tontolo izao…

Rania Hafez Ejytiana  nanampy hoe:

Ka andeha hanaporofo anay ve izy ireo fa novonoiny marina tokoa izy sa tokony hinoanay fotsiny izay lazainy ?!!

Andy Carvin mpahay manokana momba ny valan-tserasera ao amin'ny NPR, izay ni-tweet tamim-pivitrihana mikasika ny revolisiona sy ny zava-misongadina tao amin'ny faritra Arabo, nanana fanontaniana mitovitovy ihany koa izy:

Gaga raha nahare fa notontosaina androany ny fanafihana. Manontany hoe nahoana izy ireo no tena matoky tena. Lavotondro? fitaovana fitiliana haingana ny ADN ?

Ary nanontany i Lebanese Antoun Issa hoe:

Tokony inoantsika ve fa efa manana paikady hafa ny Al-Qaida raha sanatria ka maty i Osama Bin Laden? Maro ireo mitovy hevitra azy ho afaka hisolo ny toerany. #mbolatsyvita

Fanantenana

Miverina ao Egypt, Mahmood Salem, aka Sandmonkey, ni-tweet hoe:

Raha toa ka matindry zareo teo aloha i Ghaddafi ary avy eo i OBL androany, tonga dia mety nahavoa roa indray mipalaka !

ary nihantsy ny Arabia Saodita ka nilaza hoe:

Saodita malala, miala tsiny izahay raha mandray ny fifehezana ny Faritra sy i AlQaeda tamin'ny fotoana iray. Afaka maka indray an'i AlQaeda ianareo! #Tena tsara sitrapo izahay

Libyan Ibn Omar nanantena fa hitondra fitoniana ho an'ireo fianakaviana rehetra niharam-boina ny fahafatesan'i Bin Laden. Nanoratra izy hoe:

Antenaina fa hitondra fitoniana ho an'ireo fianakaviana niaram-boina manerana izao tontolo izao ny fahafatesan'i binladin noho ny fampihorohorona nataony

Ary i Brian Conley, izay ni-tweet tao amin'ny @BaghdadBrian, nanamarika hoe:

Midika ve izany fa ho esorina ny tafika ary adinoina indray fa mbola misy i #afghanistan? Tamin'ny taona 2011 ve sa 1991? Mbola maro ny fihavanam-pirenena sns ilaina

Obama

Nandray fidokafana ary koa fanesoana avy amin'ny Tweeter ny Filoha Amerikana Barack Obama tamin'ny fanambarana nataony izay nolazainy fa maty tamin'ny fanafihana nataon'ny tafika Amerikana i Bin Laden.

Sarah Raslan nidera izany kabary izany :

Kabary mahafinaritra, #Obama. Fanajana lehibe tamin'ny fanamarihana fa tsy lehiben'ny #miozolomana i #OBL  fa saingy namono Miozolomana sy tsy miozolomana koa

Raha nanamarika i Eman Hashim avy ao Ejypta,

Obama: Tsy nisafidy hirotsaka amin'ny ady i Amerika! Mamazivazy ahy ve ianao? Avelao aho hampatsiahy anao zavatra iray antsoina hoe.. hmmm ….IRAQ!!! #Obama #OBL #Iraq

Praiminisitra Britanika David Cameron koa nilaza zavatra mampihomehy, raha nanambara ny filazany tao amin'ny kaonty Twitter ny  fikambanana bilaogy Araba-Amerikana KABOBfest

Ankehitriny, tsy nisy nivaha ny olan'ny tsirairay. (MT @AJELive) PM Britanika  Cameron: ny fahafatesan'i Osama “hitondra fitoniana lehibe” ho an'izao tontolo izao http://aje.me/jlqOzi

Manitsy ny hadisoana

Nandritra izany, Mpanao matoan-dahatsoratra Ejyptiana Mona El Tahawi  nahita ny famonoana an'i Ben Laden tahaka ny fanarenana ny hadisoana izay efa tamin'ny 31 taona lasa. Ni-tweet izy hoe:

Fahadisoana goavana ho an'i Etazonia ny fiarahany niasa tamin'i OBL sy ny volany mba hanavotana ireo Soviétika tao Afghanistan. Tao anatin'ny 31 taona ny hanitsiana izany fahadisoana izany.

Fihetsehampo maro samihafa avy amin'ny tontolo Arabo mikasika ny fahafatesan'i Ben Laden afaka arahina ao amin'ny lahatsoratra hafa manaraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.