Koety: Mandresy indray ny praiministra

Nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra i Sheikh Nasser Al-Mohammed Al-Sabah noho izy voatendry ho praiminisitra fanimpitony tanatin'ny dimy taona teo amin'io toerana io. Tamin'ny 7 Febroary 2006 izy no voatendry voalohany ary governemanta enina nanomboka tamin'izay no teo ambany fiadidiany.

Tamin'izy voatendry voalohany ho praiminisitra, dia mpitoraka bilaogy maromaro no nandray soa aman-tsara ny fanapahan-kevitry ny Amir-n'i Koety Sheikh Sabah Al-Ahmad Al-Jaber Al-Sabah, milaza fa mety ho isan'ireo hitarika an'i Koety amin'ny fijery lavitra liberaly i Al-Mohammed. Amin'izao fotoana izao, niova be ny fandehan-javatra ary nanao fanentanana ny mpitoraka bilaogy sasany sy ny mpampiasa Twitter, miaraka amin'ny ireo vondrona ara-politika sasany mangataka ny fialàny.

Tamin'ny 8 Martsa, fiaraha-mipetraka faobe mangataka ny fialàn'i Al-Mohammed no nokarakaraina, ary nahitana endrika mpanohitra nanao lahateny amina olona miisa 700, manome tsiny ny praiminisitra amin'ny kolikoly. Nitohy foana ny fipetrapetrahana nandritra ny herinandro maro taty aoriana mandra-pialan'ny kabinetra noho ny fangatahana nataon'ny parlemanta hanala ministera telo, izay toa miseho lany ho mpikambana ao amin'ny fianakavian'ny mpitondra Al-Sabah. Maro no nanantena fa tsy hisy an'i Al-Mohammed ho praiminisitra ny governemanta vaovao, na izany aza, nanapa-kevitra ny hanendry azy ho praiministra ny Amir, izay manana ny zo ara-lalam-panorenana tsara amin'izany.

Naneho ny fahadisoam-panantenany ny mpitoraka bilaogy sasantsasany miaraka amin'ny miaraka amin'ity fanapahan-kevitra tanatin'ny 10 andro ity ary koa ny mety ho vokatry ny fanapahan-kevitra amin'ny hoavy. Misy teny notsongaina avy amin'ny bilaogy “The Constitution“:

يتسائل البعض حول أسباب عدم رغبة البعض في أن يتولى الشيخ ناصر المحمد رئاسة الوزراء من جديد. دعوني ألخص رأينا سرقات تعدت ما كنا نسمع به من ألاف إلى ملايين ووصلت الى المليارات من الدنانير. رأينا شيكات تدفع لنواب ويتم تجييرها على أنها صدقات وكفالة أيتام. رأينا إعتداء على نواب و على مواطنين لمجرد حضورهم ومشاركتهم ندوات. رأينا إعلام لا هدف له سوى التلميع للرئيس وضرب معارضينه رأينا إعلام يقسم الكويتيين.
Manontany mikasika ny ao ambadiky ny antony tsy nitiavana an'i Nasser Al-Mohammed ho lany praiminisitra indray ny mpitoraka bilaogy sasany .Aleo hofeheziko. Efa rentsika ny vola an-tapitrisa lavitrisa nangalarina. Efa rentsika ny mpikamban'ny parlemanta manao kolikaly ambadiky ny filazana fa manampy ny fikambanana ara-tsosialy sy ny mpanohana ny trano fitaizana kamboty. Efa hitantsika ny mpikamban'ny parlemanta sy ny mponina nodarohana noho ny fanatrehana ny fivorivorian'ny polisy. Hitantsika ny haino aman-jery izay tsy hita izay lazainy afa-tsy ny manasohaso ny praiministra ary manasa vangy ny mpanohitra azy. Hitantsika ny haino aman-jery izay mampizara ny Koesiana.

Mpitoraka bilaogy hafa mitondra ny anarana hoe “Al-Fargad” no nanoratra ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “ny dite jasmin'ny fanjakana (The Jasmine Tea State)” mitsikera ny fanendrena indray an'i Al-Mohammed:

أبشروا بالفساد الأداري، أبشروا بالرشاوي، أبشروا بالفضائح، أبشروا بعودة الأعلام الفاسد…

Arahabaina anie ny kolikoly, arahabaina ny manao izany, arahabaina ny fahafaham-baraka, arahabaina ny fiverenan'ny haino aman-jery mikorontana

Etsy andaniny kosa, mpitoraka bilaogy “Le Koweit” no mizara naoty tsara:

الكثير أصابهم اليأس والإحباط بعد تكليف الشيخ ناصر المحمد بتشكيل حكومته السابعة. ولا ألومهم، بل أنا أيضاَ أصابني مثل ما أصابهم ولكني فكرت ووجدت أن الأمر لم ينتهي بعد. فإعادة تكليف الشيخ ناصر المحمد ليست نهاية المطاف، لقد خسرنا معركة ولكننا لم نخسر الحرب.
Betsaka no diso fanantenana satria voatendry hanorina ny governemanta fahafito indray i Sheikh Nasser Al-Mohammed. Tsy manome tsiny azy ireo aho, na izaho ihany koa za diso fanantenana nefa mihevitra aho ary mahita fa tsy tapitra hatreo akory ny tantara satria mbola tsy resy tamin'ny ady isika na resy tamin'ny ady lehibe akory aza.

Ary farany fa tsy kely indrindra, 3ajel nanoratra tao amin'ny bilaoginy”Bil Kuwaity Al-Fasih” ny mpitoraka bilaogy Koesiana, lahatsoratra izay milaza ny alahelony, miteny mivantana amin'ny praiministra:

سمو الرئيس لا أشعر بغير الأسى لحال الكويت أما حالك فهي من صنعك وها نحن نعود من جديد لمشاهدة الفيلم الماسخ المحمد يشكل للمرة السابعة على التوالي ولأن كل شيء تقوم به يأتي متأخرا فأن التعديل الموسع الذي راهنا أنه سيخفف – قليلا – من حدة التوتر لم يعد ذو جدى الآن لأنه تأخر عن موعده كثيرا بعد أن كانت فرصة مناسبة بداية السنة
Ry tompokolahy, mahatsiaro malahelo mihitsy aho noho ny toe-javatra iainan'i Koety, ary koa ny toe-javatra iainanao, hoy aho hoe, nataonao ho anao irery izy ity ary eto isika izao, miverina mijery ny horonantsary tsy misy tsiron'i Al-Mohammed angatahana ny hametraka ny governemanta fahafito amin'ny laharana. Tara avokoa ny zavatra rehetra ataonao, tsy hisy ilàna azy avokoa ny fanovana lehibe niezahantsika tsy hanenjanana ny raharaha, satria ianao dia tara lava foana na dia teo aza ny fanovana nataonao teny izay fotoana fanararaotana lehibe tokoa ho anao mba ho tsara fanombohana ianao amin'ity taona ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.