Masedoanina: Làlana Vaovao Mety hanimba ny Lovan-kolontsaina

Mety hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny lova ara-kolotsainan'ny firenena ny Lalàna vaovao ao Masedoniana. Vasilka Dimitrovska, mpanoratra ny bilaogy malaza Archaeological Diary, no nanohitra tamin'ny  fametrahana lalàna ankamehana avy amin'ny hevitry ny matihanina iray:

Nanao ny Volavolan-dalàna momba ny “fikarakarana zavatra tsy niorina ara-dalàna”, fantatra amin'ny anarana hoe Lalàna ho fampanarahan-dalàna ny fananganana tsy ara-dalàna, izay hitondra ny paika farany amin'ny lova ara-kolontsaina ny any amin'ny Repoblika Masedoniana  (RM). Fantatra tsara fa ny ankamaroan'ny toerana arkeôlôjika dia eny amin'ny faritra ambanivohitra, saingy misy maro ihany koa anefa eny amin'ny tontolo andrenivohitra – afovoan'ny tànandehibe. Ahitana tranobe namboarina tsy nahazoana alalana ihany koa ao amin'ny ankamaroan'ireny toerana ireny, izay manimba hatrany ny tànandehibe tranainy iorenany. Araka ny Archaeological Map an'ny RM ( laharana faha-2, navoakan'ny Akademia Masedoanina momba ny Siansa sy ny Zavakanto tamin'ny taona 1995), ao amin'ny faritany tokana ao amin'ny tànanan'i Skopje,  nahitana toerana arkeolojika maherin'ny 150. Io faritra io dia misandrahaka amin'nytoerana fantatry ny be sy ny maro amin'ny fanorenana tsy ara-dalàna [tànana kely/ ambanivohitran'i] Volkovo, Zlokukjani, Pripor…

Ohatra, naka amin'ny tany 40 hektara izay mandrakotra ny sisa tavelan'ny tanàna romana taloha an'i Scupi ny tranomihaja an'ireo mpanakarena tsara indrindra ao Zlokukjani, namotika tanteraka ny tantaran'i Masedoniana sy izao tontolo izao .

Te-hanoratra lavalava kokoa aho sy hanolotra tahiry momba izany tranga izany, kanefa fandaniam-potoana tsy amin'ny antony izany. Raha hatao ho ara-dalàna ny fananganana tsy ara-dalàna manodidina sy ny anatin'ny faritry ny toerana arkeolojika, dia ho very ny ampahany lehibe amin'ny lova ara-kolotsaina Masedoniana. Tafiditra amin'izany ny sasany amin'ireo tànana fahagola lehibe indrindra, tahaka an'i, Heraclea, Lychnidos, sns. Nampiasana vola goavana ny fitantanana ny fikarohana arkeolojika, kanefa tsy nahavita namokatra na dia boky iray [izay ankasitrahan'ny fikambanana siantifika] na dia taorian'izay taona maro izay aza. Hanimba ny vokatr'ireo fampiasana vola tamin'ny arkeolojia io lalàna vaovao mikasika ny fampanarahan-dalàna ny fananganana tsy ara-dalàna io.

Roman tombstones and sarcophagi from Scupi in front of Skopje City Museum

Vatom-pasana sy vatampaty romana an'i Scupi eo anoloan'ny Tranombakoka ao an-tanànan'i Skopje. Sary: Filip Stojanovski,

Amin'ny maha arkeology azy, Ramatoa Dimitrovska nanambara fa voatery hijery akaiky ny lova ara-kolontsaina izy, fa tsy mijery ny vanim-potoana ara-tantara momba ny fananganana trano. Ny voalohany tokony atao, araka ny heviny, dia ny amoahana indray sy hanatanterahana ny Lalàna maty momba ny  Lova Ara-kolontsaina.

Mpamaky iray, Aleksandar, nilaza ny heviny :

Mazava ho azy fa tsy naka ny hevitry ny olona ireo izay nanoratra ny Lalàna – olana hatrizay fantatra tsara ao Masedoanina. Somary voafetra ny hevitry ny Kabinetra… Mampalahelo ny milaza izany, fa tsy miraharaha zavatra maro ny vahoaka izay miantraika mivantana eo amin'ny fiainany, araka izany, hijanona ho tsy mihetsika izy ireo amin'izany. Ary dia hiverina indray amin'ny olana mikasika ny fampianarana isika, sns.,  sns…

Vao haingana ny Global Voices no nitatitra ireo fitarainana nataon'ny bilaogera hafa, izay nanohitra ny fananganana tranom-panjakana vaovao amin'izay ho mety toerana arkeolojika ao afovoan'ny renivohitra Masedoaniana.

Amin'ny lalàna vaovao, ireo mponina ao amin'ny toerana izay misy ny fananganana tsy ara-dalàna dia nasaina handoa 1€/m² ho zon'ny fananan-tany mba haha-ara-dalàna azy ireo. Araka ny mahazatra, nanao fanentanana dokambarotra lafovidy ny governemanta mba hahatonga ny lalàna ho tiam-bahoaka, izay ahitana horonantsary alefan'ireo fahitalavitra mankasitraka ny fitondrana. Izany  andrana mba hamenoana ny banga noho ny fandaniam-bolam-panjakana izany dia naseho ho toy ny fomban'ireo sokajin’ olona andrenivohitra sy ambanivohitra, izay nampiasa vola tamin'ny fananganana trano tsy nahazoana alalana na tsy nahazo ireo alalana rehetra ilaina, mba hahazo ny tena zo amin'ny fananan-tany amin'ny vidiny mora. Lalàna ilaina koa izany ho an'ireo Andriamborivory (potentat) izay nanorina trano fonenana amin'ny faritra voaaro, tahaka ny valan-javaboarim-pirenena (parcs nationaux) .

Vatom-pasana Vitalis, officier taloha tamin'ny mpitaingi-tsoavaly romana, naseho eo anoloan'ny Tranombakoka ao an-tanànan'i Skopje. Sary: Filip Stojanovski, CC-BY.

Mba hampitomboina ny tombotsoa ara-kolotsaina, indreto vaovao fanampiny momba ny toerana arkeolojika an'i Masedoanina voalaza ao amin'ny lahatsoratra, miaraka amin'ny lahatsoratra Wikipedia :

  • Scupi no mpialoha làlana romana ny renivohitra ankehitriny Skopje. Toby miaramila naorina ny 168 talohan'i JC, nanjary tanàna mandroso izany, izay rava tamin'ny horohorontany tamin'ny 518 taorian'i JC. Nifindra tamin'ny kilometatra maromaro eny amin'ny renirano ny vahoaka ary nampiasa hazo kely taloha mba hanamboarana ny  “tanana fahiny” ankehitriny, izany hoe mandan'i Kale, fampisehoana ny loza vao haingana. Sasany amin'ireo vatom-pasana an'ireo fasana no afaka jerena ao amin'ny ivon-toerana Skopje akaikin'ny Tranombakoka ao an-tanàna, kanefa ny toerana tena izy dia eo akaikin'ny làlana mankany Kosovo, mikatona ho an'ny mpitsidika.
  • Heraclea Lyncestis dia eo akaikin'i Bitola, tanàna lehibe faharoa an'ny  Repoblika Masedoanina. Namboarin'i  Le Roi Phillip II de Macédoine tamin'ny taonjato fahaIV  talohan'i JC, io “Toerana ‘Héraclès ao amin'ny tanànan'i Lynx” io dia mitondra foana ny sisa tavela romana sy byzantins, amin'izany ny mozaika malaza sy ny teatra. Taona maro izay, nandravaka ny làlana amin'ny sarisokitra maromaro romana amin'ny toerana ny governemanta.
  • Lychnidos no anarana grika taloha Ohrid. Io faritra madio sy stratejika lehibe io dia nipetrahana tsy an-kijanona nandritra ny taona maromaro, ary koa fantatra tsara amin'ny hairafitrano (architecture), ny sy ikônina mbamin'ny tahiry voarakitra tamin'ny andro antenantenany sy ny vanim-potoanan'ny ottomane. Ny fikarohana vaovao tambanin'io tongoa (couche) io nandritra ny taompolo roa farany no nahitana ny Asakanton'ny (artefacts) andro fahagola, nahitana amphithéâtre iray, izay mbola ampiasaina hanaovana fampisehoana rindra-kira hatramin'izao; sy fasan'ny mpiady sy jeneraly Masedoniana fahiny (sarontava sy fitaovam-piadiana vita amin'ny volamena) ary fitaovana sarobidy fanaom-behivavy mihaja.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.