Iran: Misara-tsaina noho ny fifanolanan'i Ahmadinejad sy i Khamenei ny bilaogera Islamista

Tarataratry ny mpamaham-bolongana Islamista fa vita hatreo ny volan-tantely eo amin'ny filohan'i Iran Mahmoud Ahmadinejad sy ny mpitarika ny Repoblika Islamika Ayatollah Ali Khamenei. Misy ny manohitra an'i Ahmadinejad ary manohana ny Mpitarika Faratampony ary ny hafa kosa tsy miova amin'ny fanohanana an'i Ahmadinejad.

Khamenei and Ahmadinejad in happier times

Khamenei (ankavia) sy Ahmadinejad anaty fotoana tsara kokoa

Nanomboka ity raharaha ity rehefa nanaiky ny fametraham-pialan'ny minisitra Iraniana momba ny Fitsikilovana Heydar Moslehi ny filoha Ahmadinejad tamin'ny 18 Aprily 2011. Ora vitsivitsy mialoha izany ny lehiben'ny kabinetran'i Ahmadinejad, Atoa Esfandyar Rahim Mashai dia “nitsikera tsy nisy fanononana mivantana ny anarany ny minisitry ny fitsikilovana,” araka ny nolazain'ny  fandaharan'ny PBS Tehran Bureau. Nandritra izany fotoana izany dia nandeha ny tsahotsaho fa niangavy ny tokony hiverenan'ny minisitra amin'ny toerany i Khamenei. Vohikala Iraniana maro no namoaka ny taratasy avy amin'i Ali Khamenei ho “porofo”.

Ahestan, mpamaham-bolongana Islamista no manoratra [fa] ny fifanolanana misy eo amin'i Khamenei sy i Ahmadinejad:

Tsy fantatro an, sady tsy mpanohana an'i Ahmadinejad [amin'ny teny Persiana dia mifanonona ho Ahmadinejadi ny mpanohana an'i Ahmadinejad] no tsy fahavalony. Filoha manana ny heriny sy ny lesokany izy… Efa nahazo lesona ny tsy hatoky tanteraka olona iray aho, indrindra ka hoe avy amin'ny tontolon'ny politika.

Ahestan mihevitra fa mampisy fiantraikany ratsy amin'ny Tanora Hezbollah any Iran ny fihetsik'i Ahmadinejad's attitude has had a negative impact on Hezbollah youth in Iran eo amin'ny fanajana ny mpitondra fivavahana ambony.

Rehefa tonga teo amin'ny fitondrana i Ahmadinejad enin-taona lasa izay dia afa-niaina isika valo taona taty aoriana, eny 16 taona aza. Efa nomentsika ho azy izany fandresena izany ary nanonontena ho Ahmadinejadi isika. Saingy tsy nitsinjo mmandeha ireo Ulmas, mpitondra fivavahana ambony, izy ary nihalalina ny hantsana manasaraka an-dry zareo, na dia teo aza ny tolo-kevitra avy amin'ny Mpitarika Faratampony nilaza fa zava-dehibe tokoa ny fanajana ny mpitondra ambony amin'ny fivavahana. Ankehitriny, miahiahy amin'ny zava-drehetra ny Ahmadinejadis hiringiriny, ka tsy manaja ny mpitondra fivavahana sy ny heviny.

Manoratra ny mpamaham-bolongana Iranian hafa, Mahtab Tabatabi [fa]:

Fa inona no nitranga ka mahatonga ny Imam Khamenei hametraka an-taratasy ny baikony? Midika ve izany fa tsy misy mihaino izy? Andriamanitra no mahalala hoe impiry i God knows how many times during the last seven years Ahmadinejad nandritra izay fito taona nitondrany izay no tsy nanoa an'i Khamenei raha niteny tamin'ny anaran'ny Islam sy ny fitondrana izy?… Tokony hahalala ny Hezbollah hoe inona no tian'ny Mpitarika, ka raha tsy manoa izany i Ahmadinejad, dia tokony ho hafa ny fomba fijerin-dry zareo azy.

Voatsikera ihany koa i Mashai, Lehiben'ny kabinetran'i Ahmadinejad. Efa tratran'izany ihany koa izy tao anatin'ny taona vitsivitsy, ka tafiditra amin'izany ny firesahana momba an'i Isiraely sy ny tantaran'i Iran.

Khate Enghelab manoratra [fa]:

Namadika ny vatontsika i Ahmadinejad. Raha tokony hiresaka momba ny “Jihady ara-toe-karena ” [araka ny fandrisihan'i Khamenei nandritra ny taombaovao Iraniana] isika dia i Mashai [Lehiben'ny kabinetran'i Ahmadinejad] no resahintsika. Maro ny minisitra noesorina tamin'ny toerany noho ilay rangahy io. Raha nihaino ny Mpitarika izao i Ahmadinejad ka nanaisotra azy dia tsy tonga amin'izao toe-javatra izao isika.

Saingy hita fa tsy manirery kosa i Ahmadinejad ato amin'ny tontolon'ny serasera. Ao amin'ny taratasy  navoaka tao amin'ny Aeennews [fa], vohikala mpanohana an'i Ahmadinejad, dia manambara ny fanohanany ny filoha Iraniana ny vondrona “mpamaham-bolongana sy mpanao gazety avy any amin'ny faritanin'i Fars”. Manondro azy ho ny “tena mpanohana ny voatsindry” ka mandrahona ny hamotika ny fahavalony rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.