Tetikasa “Exploring Taboos”, diaben'ny vehivavy an-tapitrisa

Noraiketin'ireo gazety malaza ary koa ny vaovao an'olo-tsotra an-tantara ireo zava-niseho nandritra ny revolisiona Ejyptiana, ka nitodika tany amin'ny fampandrosoana izay niteraka ny fionganan'i Hosni Moubarak tamin'ny 11 febroary 2011 avokoa ny mason'izao tontolo izao. Niara nifarimbona ireo bilaogera na ireo mpira-miasa isan-karazany tamin'ny tetikasa Rising Voices tao Ejypta mba hilazalaza ny zava-niseho amin'ny alalan'ny zava-niainan'izy ireo manokana .

Na dia izany aza anefa, iray volana taorian'ny fihetsiketseham-bahoaka manan-tantara, nitodika tany amin'ny fihetsiketseham-panoheranatany an-kafa ny mason'ny ankamaroan'izao tontolo izao sy tamin'ny  fiantraikan ‘ny  loza voajanahary. Kanefa maro ireo bilaogera Ejyptiana nanohy nanoratra izay mety hiseho mandritra ity fotoanan'ny tetezamita ity.

Ejyptiana marobe no nanohy amin'ny fampiroboroboana ny zon'ny vehivavy ao Ejypta taorian'ny nialan'i Mubarak. Mpikambana ao amin'ny tetikasa  Exploring Taboos no nanoratra momba ny fandraisany anjara tamin'ny ( Diaben'ny vehivavy an-tapitrisa) izay natao ny 8 marsa 2011 izay nampisy  fanoherana ny fihetsiketsehana sy ny fanorisorenana avy amin'ireo nanohitra ny fitakiana (horonantsary amin'ny  teny arabo).

Sarin'ny Million Woman March tao Caire, Avy amin'i : Al-Jazeera Anglisy, nampiasaina araka ny zon'ny mpamorona NoDerivs 2.0 Generic (CC BY-ND 2.0).

Nandray anjara teo anilan'ireo vehivavy tao amin'ny fihetsiketsehana i Ahmed Awadalla ao amin'ny bilaogy Rebel with a Cause. Namariparitra ny zava-niseho izy araka ny hevitry ny “lehilahy izay tonga tao mba hanohana ny fihetsiketsehan'ireo vehivavy ho amin'ny fahalalahana sy ny demokrasia “. Nandray anjara tamin'ny alalan'ny fizarana trakta mampiseho ny hetaheta, ary indrindra ny fandraisan'anjara miavaka an'ireo vehivavy amin'ny fandrafetana ny lalampanorenana, ny lalàna sy ny politika manaraka ho an'ny firenena ary koa ny  fampanantenana amin'ny fitovian-jo tanteraka ho an'ny vehivavy izy. Niantso amin'ny fametrahana lalàna izay manameloka ny herisetra atao amin'ny vehivavy any an-trano na eny an-dalambé koa ny fihetsiketsehana. Nosoratany tao amin'io lahatsoratra io ny fihetsaham-pon'ny sasany izay nahita ny tao anatin'ny traktra sy ny hetahetan'ireo mpanao fihetsiketsehana:

Nanomboka niantsoantso amin'ny fiarovana ny zon'ny vehivavy izahay. Minitra vitsy taty aoriana, andian-dehilahy an-jatony no nanomboka nivory ka niventsoventso ny teny filamatra ! Niteny izy ireo hoe: “Ny lehilahy dia lehilahy ary ny vehivavy dia vehivavy; zanak'i Suzan Moubarak ianareo; Modia ry vehivavy !”

Niezaka namaly izahay tamin'ny alalan'ny fihirana ny hiram-pirenenana ary niteny hoe “Miaraka ny Lehilahy sy ny Vehivavy”. Toa hita sanganehana izy ireo tamin'ny fahatongavanay ary hita feno fanebahana sy vazivazy ny fijerin'izy ireo. Hita tokoa fa ny mety ho fisian'ny filatsahan'ny vehivavy amin'ny fifidianana filoham-pirenena no tena tsy zakan'izy ireo.

Ny zavatra nahasosotra dia satria nampiasa ny teny filamatra islamika manohitra anay izay miteny hoe “Mahamenatra ny feon'ny vehivavy”, “nahoana ny Tompo no tsy nandefa vehivavy mpaminany?”. Nohodidinina sy natositosika haingana izahay, zava-dratsy no niseho avy eo. Vehivavy amin'ny sokaji-taona rehetra no nokitikitihana, nongotana ny volon'izy ireo, teny amin'ny vatan'ireo vehivavy ny tanana maloton'ireo mpanorisory. Nanao izay afako aho mba hiarovana ireo namako ary nisy ny fikasihan-tanana sy fifamaliana am-bava.

Nolazaina fa “tafiole” miaro ny  “mpivaro-tena” aho. Nolazaina fa tsy  Éjyptiana aho satria nanao izany.

Nanoratra ny hevitra sasantsasany izay nampiasaina ho fanoherana an'ireo mpanao fihetsiketsehana izy, tao anatin'izany ny filazana fa nangatahana tamin'ny fotoana tsy maha-mety azy ny hetaheta araka izay heverin'ny hafa fa zavatra tena ilaina maika izany. Na dia izany aza anefa, tsy mety mandefitra i Awadalla, izay nanoratra fa tsy afaka miandry ireo zo ireo ary tsy tapitra ny hitolomany amin'izay hinoany.

Inoako fa izay miseho ankehitriny dia hampiseho amin'ny andro iray lehibe ny toetra tsy azo ekena izay mihatra amin'ny vehivavy. Lehilahy maromaro no tokony hijoro koa mba ho an'ny vehivavy. Hanampy betsaka amin'ny fangatahanay izany.

Mafy ny tolona. Nanimba ny momba ny fahasamihafan'ny vahoaka ny fitondrana sy ny didy jadona an'i Mubarak. Mety mbola haharitra taona maro anefa izany vao hisy ny fiovan'ny toe-tsaina. Mino aho anefa fa vonona ho amin'izany isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.