Kenya : Tanora tia mampita-vaovao ao ambani-tanàna ao Kibera

Tambazaotra fampahalalam-baovaon'i Kibera ao Kenya

Vonona hampiseho endrika hafa sy miavaka ny tanàna onenany ireo tanora Kibera, ao Kenya, izay malaza ho ambani-tanàna lehibe indrindra ao Afrika. Miaraka amin'ny fankatsary enti-tanana, nitety ny arabe izy ireo mba hitady endrika mampiseho ny tontolo ny fomba fijerin'ny ao an-toerana an'i Kibera .

Tamin'ny volana aprily 2010 ny tetikasa no nanomboka, miaraka amin'ny atrikasa voalohany Map Kibera (‘Sarintany Kibera’) sy Kibera Community Development Agenda (KCODA) ( Fandaharan'asa Fampandrosoana ny tontolo ambani-tanàna ao Kibera’). Roa ny isan-dry zareo tamin'ny voalohany, faefa miisa 14 ireo mpikambana ankehitriny no mamolavola ny horonantsary, mikarakara sy mamoaka izany amin'ny aterineto, ary tsy amin'ny tranokala manokana Kibera News Network azy ireo ihany fa koa ao amin'ny Feon'ny  Kibera (‘Voix de Kibera’), tranonkala izay mamoaka ny horonantsarin'izy ireo ary ahitana vaovao hafa misongadina nalefa tamin'ny Somaiso (SMS) koa ohatra.

Isan-karazany ny votoaty hita ao: ny aro-lozan'ny asa, ny afo, ny loza ateraky ny fiaran-dalamby, izay toy ny hetsika ara-kolotsaina sy hetsika ara-politika. Io horonantsary io, ohatra, dia mampiseho tovolahy roa izay nisafidy asa aman-draharaha somary tsy mahazatra ao Kibera : tompona orinasa mikarakara ny hatsara-tarehy sy bika ( salon de beauté) izay hiasany ihany izy ireo, ary manolotra ihany koa ny fikarakarana tanana sy ny taovolo.

Amin'ity horonantsary ity, nandeha namangy an'i Kevin Irungu izahay, tovolahy iray izay manana vola miditra amin'ny alalan'ny zavakantony ihany.

Ireo ohatra roa voalohany ireo dia mampiseho hoe amin'ny ahoana ny asa famoronana sy ny asa fikirizana no manome vola. Tsy dia toy izany loatra ny an'ireo mponina sasany ao Kibera, manana vola miditra hivelomana no tolona goavana araka ny fanazavan'ireo mpanasa lamba izay miasa mafy nefa mbola tsy nahazo vola foana:

Ao Kibera, lohahevitra lehibe ny resaka fahasalamana : ireo lava-drano maloto mibaribary sy ny habetsahan'ny mponina no mahatonga ny areti-mifindra mihanaka haingana. Manampy trotraka izany ny olona marobe izay tsy manana fidiram-bola hividianana fanafody, ny aretina anefa mety hivadika ho valan'aretina mora foana :

Mbola afaka mahita horonantsary bebe kokoa ianao ao amin'ny tranonkala  Tambazotra Fampahalalam-baovao ao Kibera na ao amin'ny canal YouTube.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.