Côte d'Ivoire: Lavo i Laurent Gbagbo

Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana momba ny Korontana any Côte d'Ivoire 2011 ity.

Nivoaka ny vaovao malaza tamin'ny 11 aprily 2011 tamin'ny 01 ora GMT : nosamborina tao amin'ny fonenany ao Cocody i Laurent Gbagbo niaraka tamin'ny vadiny, Simone, sy ireo olona akaiky azy. Dimy volana aty aorian'ny fandavany hiala amin'ny fitondrana ha hanome izany an'ilay filoha vaovao any Côte d'Ivoire izay eken'ny vondrona iraisam-pirenena, Alassane Outtara, hiditra amin'ny kihon-dalana vaovao indray ve ny krizy?

Ny fizotry ny zava-misy tamin'ny 10 sy 11 aprily 2011

Nanambara tao amin'ny twitter ny fiadidiana ny filoha frantsay (@Elysée) [fr] fa manaiky handray anjara amin'ny fanafihana hotanterahan'ny miaramila any Côte d'Ivoire i Lafrantsa ny 10 aprily:

@Elysée: Araka ny nifanarahana tamin'ny filoha #Ouattara, ny sekretera jeneralin'ny #ONU nangataka an'i N #Sarkozy hanohy ny fanafihana ataon'ny ONUCI.

Tao amin'io fanambarana io, nanamarina ny fandarohany baomba nataony indray [fr] i Elysée, fandarohana izay mikendry ny tranon'ny filoha ao Cocody,  Abidjan, izay iafenan'i Laurent Gbagbo, fanapahan-kevitra hamaly faty ny fanafihana nikendrena ny Hotel du Golf, foiben-toeran'i Ouattara, nataon'ny mpiaro ny filoha Gbagbo (FDS) [fr] . Nianjera ny baomba voalohany tamin'ny 5 ora (ora ao Abidjan).

Ity lahatsary ity nalefan'i terryko0 tao amin'ny YouTube tamin'ny 11 aprily. Ny lohateniny: “Abidjan 10-04-2011. Tirs de missiles contre la résidence de Laurent Gbagbo” (Tifitra misily hikendrena ny tranon'i Laurent Gbagbo):

Nampihena ny herin'ny tafik'i Gbagbo ny fanafihana, araka ny hita amin'ireto lahatsary eto ambany ireto, nalaina ora vitsy taorian'ny daroka baomba. Navoaka aterineto ao amin'ny YouTube  izy ireto tamin'ny 10 aprily, nampiasain'i Atteby. Hita ao, maratra, i Sidiki Bakaba, mpilalao sarimihetsika ivoariana izay nanao valandresaka tao amin'ny tranonkala Slate Afrique [fr] vao haingana:

Ao amin'ity lahatsary ity, nalaina tao amin'ny YouTube nampiasain'i atteby, ekipa mpitsabo am-perinasa mitsabo ny miaramila ao amin'ny tranon'ny filoha:

Ny marainan'ny 11 aprily 2011, ity lahatsary manaraka ity mampiseho tifitra miainga ao  Blockhaus, faritra manakaiky an'i Cocody, Abidjan, mampiseho fiarabe mifono vy an'ny UNICORN,tafika frantsay any Côte d'Ivoire, mandeha. Araka ny voalazan'ny fahitalavitra lgconnectTV, izay nandefa ireto sary ireto tao amin'ny YouTube, dia mizotra mankany amin'ny tranon'i Gbagbo ireto fiaraba mifono vy ireto:

Amin'ny 11 ora GMT, ny fahitalavitra France24 nanamarina ny vaovao hita ao amin'ny pejy voalohany [fr]:

Fiarabe mifono vy maromaro, tarihin'ny helikôptera, manatona ny tranon'i Laurent Gbagbo, araka ny fanambarana nataon'ny AFP.

Araka ny lahatsoratra an-gazety navoakan'i Reuters adin'ny roa taty aorian'ny fanafihana, nosamborin'ny tafika manokana frantsay i Laurent Gbagbo, ary natolotra ny Tafika Repoblikana an'i Ouattara. Nanoratra ny France24 momba izay :

[MAIKA] Nilaza i Reuters fa nosamborin'ny tafika manokana frantsay i Laurent Gbagbo
 
Fandriampahalemana ankoatra ny zavatra rehetra
 
Taorian'ny fisamborana, nentina tany amin'ny Hotel du Golf  i Gbagbo  , nambenana miaramilan'ny tafika iraisam-pirenena. Ao amin'ity lahatsary manaraka ity izay navoakan'ny TCI, fahitalavitra akaikin'i Ouattara, no nahitana an'i Gbagbo nametaka akanjo fiarovana amin'ny bala nandritra ny nisamborana azy mba hiarovany ny ainy:

Alassane Ouattara, filoha eken'ny vondrona iraisam-pirenena ho filohan'i Côte d'Ivoire, no nanome baiko ny miaramilany tsy hanitsakitsaka ny zon'olombelona manoloana an'i Laurent Gbagbo sy ny vadiny.

Nampiseho lahatsary hafa koa ny TCI, izay nitenenan'i filoha teo aloha hampitsahatra ny ady fa hiverina ho amin'ny fandriampahalemana:

http://www.youtube.com/watch?v=Qca5nDIw4yc

Je souhaite qu'on arrête les armes, qu'on rentre dans la partie civile de la crise, et qu'on la conclue rapidement pour que le pays reprenne.

Iriako raha ajanona ny fitaovam-piadiana, hojerena ny mahazo ny sivily amin'ny krizy, ka hitadiavana vahaolana haingana izany hiverenan'ny firenena ho amin'ny fandriampahalemana.

Nilaza tamin'ny vahoaka Ivoariana sy ny vondrona iraisam-pirenena i Ouattara fa hamafisina ny fampiharana ny fanarahan-dalàna, hiantohany ny ‘fiarovana ny ain'i Laurent Gbagbo sy ny vadiny, ary hanao dingana izy hampanjakana ny fahamarinana.

Niombonana izany faniriana hiverina amin'ny fandriam-pahalemana izany toa an'i Diouf Mamy (@mymaluydealbi) izay nanoratra tao amin'ny twitter:

@mymaluydealbi: Après ce qui s'est passé, j'espère que Ouattara sera le président de tous les Ivoiriens sans exception. Que la paix revienne en #civ2010

@mymaluydealbi: Taorian'ny zava-nitranga, inoako fa ho filohan'ny Ivoariana rehetra tsy an-kanavaka i Ouattara. Hiverina anie ny fandriam-pahalemana aty Côte d'Ivoire #CIV2010

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.