Côte d'Ivoire: Mikiribiby i Gbagbo, Fanoherana Afrikana

Raha mbola mihidy ao amin'ny bunker misy azy ao amin'ny firenena hatrany ny filoha Ivoariana teo aloha Laurent Gbagbo, mikiry mandà ny fahareseny nandritra ny fifidianana filoham-pirenena 2010, niteraka adihevitra teo amin'ny olom-pirenena sy ny mpanao politika frantsay, mbamin'ny Fiaraha-monina Afrikana any Frantsa ny fandraisana anjara an'i Frantsa hanongana azy.

Pro-Gbagbo protests in Paris, France, March 26, 2011. Image by Flickr user anw.fr (CC BY-NC-SA 2.0).

mpanohana an-i Gbagbo manao fihetsiketsehana any Paris, France, 26 Marsa 2011. Saripika mpisera Flickr anw.fr (CC BY-NC-SA 2.0).

Hatrany Paris ka hatrany Douala

Ny 6 Aprily 2011 dia nisy fihetsiketsehana natao manoloana ny Antenimieram-pirenena Frantsay tao Paris raha jerena ny navoakan'ny mpisera YouTube Mamou922 azy. Ity manaraka ity no ahitantsika ny tangoron'olona mifanantrika amin'ny polisy frantsay miaro tranom-panjakana iray:

Tamin'ny 5 Aprily 2011, tao Douala, renivohitra ara-toe-karen'i Kamerona dia nivory teo afovoan-tanàna ny mpitondra Moto Taxi haneho ny fanohanany an'i Laurent Gbagbo. Ity lahatsary manaraka ity dia navoakan'i Gri-Gri International tao amin'ny Wat TV, bolongana mpamoaka vaovao:

Manazava ny iray amin'ireo nanontaniana :

Misy ifandraisany amin'ny Afrikana rehetra ny olon'i Côte d'Ivoire […] mampitandrina ny fiarahamonina iraisampirenena sy Lafrantsa izahay hampitsahatra izay ataony ao Côte d'Ivoire […]

Raha jerena izay nitranga tany Kamerona nandritra ny ady ho amin'ny fahaleovantena dia hoy izy hoe:

Azonay ankehitriny ny fahamarinana hoe novonoin'i Lafrantsa ny ray aman-dreninay 50 taona lasa izay

Sahirana ny masoivoho

Nanao tatitra [fr]  tamin'ny vaomieran'ny raharaham-bahinin'ny Antenimieran-doholona Frantsay ny minisitra frantsay Fmisahana ny fiarovana Minister Gérard Longuet ny maraina'ny 7 aprily2011. Nolazainy ary fa manodidina ny arivo eo ho eo ny isan'ny olona mitam-piadiana miaro an'i Laurent Gbagbo fa ny tena mahasarotra ny fidirana an-tsehatra ao amin'ny lapam-panjakana ao Cocody (iafenan'i Gbagbo) dia ny fahamaroan'ny masoivoho manodidina azy. Lasa toerana saropady sy fanaovana tetikady ireto farany noho izany :

Navoakan'ny gaety frantsay JDD tao amin'ny takelaka Facebook-ny ny fanavotana ny ambasadera japoney nataon'ny tafika frantsay anatin'ny LICORNE avy tao an-tranony izay notafihan'ny mpikaram an'ady ny alin'ny 6 Aprily. Ny loharano nahazoana ny lahatsary moa dia ny Minisitera Frantsay:

Araka ny lazain'ny Jeune Afrique, gazetiboky Afrikana miteny frantsay lehibe indrindra, dia miaramila angoley tsara ofana 100 [fr] no andamosin'ny tafik'i Gbagbo miaro ny bunker-ny filoha izay mbola iafenan'ny filoha teo aloha.


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.