Bahrain: Nosamborina ilay Bilaogera Malaza Mahmood Al-Yousif

Taorian'ny tamin'ny 3 ora maraina, ora any an-toerana, dia nosamborina tao an-tranony ilay bilaogera malaza Mahmood al-Yousif. Ni- tweet izy alohan'ny nialany tao an-trano miaraka amin'ireo polisy:

Ato amiko ny polisy

Mahmood Al-Yousif, nikabary tamin'ny fotoan-dehibe tao an-toerana

Bilaogera manana ny lanjany i Al-Yousif ary ny hafatra farany nosoratany  dia ny fanohanany ny fitambaran'ny Bahrainis . Tamin'ny 15 Martsa, nanoratra izy hoe:

Nifidy ny hiverina [aty Bahrain] aho mba hanohana ny soa iombonana sy ny fifandeferana. Ary hiezaka hampiseho hatrany amin'ny olona fa tsy miankina amin'ny finoan'izy ireo, ny sata na ny haren'izy ireo, raha tsy nahitam-bahaolana ny hampikambana antsika Bahrainis ka anjarantsika ny mitady vahaolana tsara mba hiaraha-monina miaraka sy hanatsara ny fahasamihafantsika.

Tsy te-hanondro olona aho na koa faly hanome fampitandremana. Momba ny hankatoavana ny antony manokana izao ady izao aho, mba hanohizantsika ny lalana, tsy  mampaninona na dia ho mafy aza izany.

Al-Yousif  no misahana ny fintantanan'ny tranokala antsoina hoe  JustBahraini, fanentanana iraisana ho enti-manohitra ny fanavakavahana ara-pinoana. Nilaza koa izy vao haingana fa nahazo fandrahonana avy amin'ny polisy ny iray amin'ireo mpanohana ny fanentanana.

Namafisin'ny rahalahiny ny fisamborana azy, ary koa ny zanany lahy, izay ni-tweet:

Tonga tao an-tranonay ny polisy ary nisambotra ny raiko Mahmood Al-Yousif. @BahrainRights @OnlineBahrain

Sary avy amin'ny Rotary Club ny Adliya, afaka jerena ao amin'ny Creative Commons (CC BY-NC-ND 2.0) license.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.