Panama: Fara-veloma an'i Guillermo Ford

Nomen'i Panama voninahitra tamin'ny alalan'ny fandevenana ara-panjakana, tamin'ny 22 Martsa i Guillermo “Billy” Ford[es], Filoha lefitra teo aloha ary Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny politika ara-toekarena (1989-1994).

Nampihetsi-po ny fotoana, hoy ireo Panameana nahatsiaro ny fiainan'ity mpanao politika sy mpandraharaha ity, izay olo-malaza fantatra amin'ny anarana hoe “Feo garagaran'Akoholahy” [es] noho ny feony mafy ary noho izy iray tamin'ireo namorona ny tarika Molirena (izay akoholahy ny marika famantarana).

Mahatsiaro azy ny vahoaka noho izy mpiaro ny demokrasia sy noho ny fanoherany ny miaramila mpanao didi-jadona Manuel Antonio Noriega; andraikitra izay noraketina ho tantara tamin'ilay sary zary famantarana, sary izay nalaina tamin'ny fandresin'ireo mpiaro ny fitondrana miaramila azy ireo.

Nambara tamin'ny gazety sy ny valan-tserasera ny teny fampaherezana; Nandritra izany fotoana izany, nanokatra ny saina mba hifantoka amin'ny mahazava-dehibe ny demokrasia ny fahafatesany, ny lova navelantsika taty aorina sy ny hasin'ny fiarahamonina Panameana ankehitriny.

Guillermo "Billy" Ford. Sarin-i Alberto Quiros Bonett.

Tsy hidirana lalina ny tantara nandritra io andro io, Yohel Amat tao amin'ny bilaoginy Así es mi País [es], nahatsiaro ny toe-draharaha politika sy ny toetry ny demokrasia tamin'ny faramparan'ny taona valopolo:

“Billy” Ford, junto a Guillermo Endara y a Ricardo Arias Calderón, tuvo la osadía de ser una de las caras de la parte política de un gran movimiento nacional de panameños, hartos de la dictadura de Noriega, de la falta de libertad y de ver como diariamente se pisoteaban todos nuestros derechos

El movimiento se conoció como la Cruzada Civilista.

“Billy” Ford, niara-dalana tamin'i Guillermo Endara sy i Ricardo Arias Calderón, dia iray tamin'ireo olona fantatra nanana fasahiana tamin'ireo mpanao politika nitarika ny hetsika nanerana ny firenena Panameana, leon'ny didi-jadon'i Noriega, leon'ny tsy fisian'ny fahalalahana ary vavolombelona iisan'andro ny fanitsakitsahana ny lalàna sy ny zo fototra.

Fantatra amin'ny anarana hoe Kroazady sivily ny fihetsiketsehana tamin'izany.

Nanipika ny andraikitr'i  Ford momba ny fanoherany ny didi-jadona koa i Yohel:

le ganó un puesto en la historia, el cual debe ser resaltado no sólo ahora sino siempre, y no solo a él, sino a toda esa masa anónima de panameños que se atrevieron a desafiar a los rifles y a los garrotes, armados solo con pañuelos blancos y del sonido de las pailas.

Nanana anjara-toerana izy teo amin'ny tantara, izay tokony ho fantatra mandrakariva fa tsy ny androany ihany, ary tsy izy irery ihany, fa ireo Panameana tsy fantatra anarana ihany koa izay nanana herim-po nanohitra ireo fitifirana sy fidarohana (tamin'ny basy sy ny kibay), mosoara fotsy sy feona takotra no hany mba fitaovam-piadiana teny amin'izy ireo.

Tao Contrapunto, tamin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “De la Muerte, el Kid y Guillermo Ford” [es] (“Tamin'ny fahafatesana, el Kid sy i Guillermo Ford”). Nifantoka momba ny fihetseha-pon'ny fiaraha-monina momba ny namoizan'i Panàma ireo olom-panjakana maty tamin'io andro io ilay mpanoratra Global Voices Ariel Moreno (Ford, mpanao politika sy i Leonardo Alvarado [es] -the Kid [es]- mpitendry mozika reggae):

¡a muerte es lo único que llega con certeza. Sin embargo la forma en que se afronta, la conclusión final que se saca de una vida puede variar por mucho.

Ny fahafatesana no zavatra iray fantatra fa hoavy tokoa.  Fa miovaova tanteraka kosa ny fomba hiatrehana izany, ny fiafarany avy amin'ny fiainana mankamin'ny fiainana hafa .

Noho ny fahafatesan'i Billy Ford, namoaka lalàna ny Governemanta Panameana mba ho andro Fisaonam-pirenena ny 22 Martsa. Izy roa tonta, Ariel tao Contrapunto [es] ary i Yohel tao Así es mi País [es], nifampizara fa io andro fisaonana io dia tsy tokony atao andro tsy fiasana fotsiny, fa fotoana iray mba handinihana ny lova navelan'ireo olona niaro ny demokrasia.

Tao amin'ny bilaogy mariaemma [es], nahatsiaro tamim-panajàna ny lovan”i Ford koa ny mpanoratra ary nanazava fa anisan'ny tantaran'ny Panameana izay tsy fantany izany. Aminy, dia io no fotoana.

donde todavía habían lugar para héroes, personas que tenían los pies en la tierra y luchaban por cosas justas. Una época donde el pueblo estaba unido por un bien común y estaba informado de las realidades que nos sucedían, un pueblo con conocimiento, un pueblo preocupado.

Raha mbola teo, dia misy toerana ho an'ny mahery fo, olona izay nampiasa tongotra sy nitolona tamin'ny ara-drariny. Fotoana izay nampiray ny olom-pirenena tamin'ny alalan'ny ny finoana mitovy sy ny fahalalana ny zava-misy ianana, ireo  olom-pirenena manana fahalalana, ireo olom-pirenena izay voakasika.

Nanontany ny mpanoratra:

donde está este pueblo ahora? Solo veo ciertas banderas verbales levantarse, “Prohibido Olvidar” gritan algunos; pero, prohibido olvidar que? La opresión? La situación? La lucha de poder? La libertad? que es lo que está prohibido olvidar? más bien me parece que la gente grita en silencio, prohibido perdonar.

Aiza ny vahoaka ankehitriny? vao avy nahita saina misidina aho, misy hafatra hoe, “Voarara ny Manadino” hoy ny hafa mihiaka; kanefa, voarara hanadino inona? Ny tsindry azo lena? Ny zavamisy? Ny tolona ho an'ny fahefana? Ny fahalalana? Inona no sakanantsika hadinoina? Toa hitako tokoa ireo vahoaka mihiaka mangina hoe  “Voarara ny manadino.”

Nanasongadina i Mariaemma fa tsy misy zavatra ianarana, tsy ilaina ny mampatsiahy fa:

“Gente que murió, héroes olvidados en tumbas vacías, cuerpos desaparecidos, personas torturadas, una época de terror, dicen todos. Pero, que aprendimos de esto?”

Maty ireo olona sasany, ny mahery fo anaty fasam-poana, tsy hita ireo vata-mangatsiaka, vahoaka voatorotoro, taonan'ny fampihorohoroana, hoy ny rehetra. Araka izany, inona no nianarantsika?

Raha mamaky ireo mpanoratra telo ireo, dia misy ny hevitra itovizany: manazava tsara izy ireo fa sady tsy masina no tsy tonga lafatra i Billy Ford, fa olona nahay niaro ny foto-keviny raha manana koa izy. Araka izany, samy mahatsiaro ny tantaran'i Panamà farany sy ny maha zava-dehibe ny lova navelan'ireo izay tsy mba nitsahatra manoloana ny toe-draharaha izy ireo.

Tao amin'ny Contrapunto [es], namarana i Ariel hoe:

La muerte de cualquier persona es igual. El corazón deja de latir. La vida por otro lado es lo que cuenta, en lo que se invierte el tiempo en lo que se ponen las ganas en lo que se canta tanto con los labios como con las acciones. Cuenta aquellas cosas que hicimos mientras respiramos no las que se nos quiera atribuir una vez nos llegue el fatal encuentro. He allí la diferencia.

Zavatra mitovy ny Fahafatesana amin'ny olona tsirairay avy. Mijanona ny fitempon'ny fo. Ny fiainana no tena zava-dehibe indrindra izay handaniantsika ny fotoanantsika sy hanaovantsika fiezahana, izay hirahiraintsika tsy amin'ny vava ihany fa amin'ny asa ihany koa. Ny lehibe indrindra dia ny zavatra izay ataontsika raha mbola miaina isika fa tsy ireo izay nomena antsika taorian'ny fihaonana mahafaty. Izay no maha samihafa azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.