Ejipta: Baolina kitra (fandaka) nialoha sy taorian'ny Revolisiona

Nandritra ny taona vitsivitsy izay, ny baolina fandaka na football (soccer) no loharanon-kafalian'ny Ejipsiana voalohany. Ny ekipam-pirenena Ejipsiana no efa nahazo ny amboaran'i Afrika intelo misesy notontosaina tany Ejipta, Ghana ary Angola. Mandritra ny fifaninanam-pirenena moa dia mahazatra ny mahita ny olona mifantoka lalina eo anoloan'ny vata fahitalavitra, vonona miaraka amin'ny sainam-pireneny sy ny anjombon'ny fiara hitety arabe isak'izay mahazo fandresena ny ekipany.

Omaly anefa, nikatroka tamin'i Afrika Atsimo i Ejipta, ka resy teo amin'ny minitra farany. Mihamahazo vahana ny tombatombana ankehitriny fa mety ho sambany eo amin'ny tantara tsy handray anjara amin'ny fiadiana ny amboaran'i Afrika manaraka i Ejipta. Saingy, tsy nisy nalahelo tamin'izany akory ny tao Ejipta. Faly aza ny sasany. Ilay revolisiona farany teo tany Ejipta ve no nampisy izany fiovana izany?

Mieriteritra i Mazen sy i Yasser fa nataon'ny Ejipsiana ho fandosirana ny olona andavanandrony ny baolina fandaka (teo aloha).

@MazenAdel: اول مرة مزعلش ان منتخب مصر اتغلب,زمان كنا بنفرح عشان مفيش غير الكورة يفرحنا,دلوقتى عايشين البديل الاكبر الى بيفرحنا كل يوم ببلدنا
@MazenAdel: Sambany, tsy nalahelo aho raha resy isika. taloha ny football ihany no zavatra iray nampitraka antsika, saingy ankehitriny eo amin'ny kihon-dalana mampitraka antsika isan'andro isika izao.
@yasser.taha: عندما نفقد الوطن نبحث عنة في مبارة كرة قدم ….وعندما نمتلك الوطن لاتفرق معنا مبارة كرة القدم
@yasser.taha: Rehefa very ny fireneny dia karohinao ao amin'ny adi-baolina fandaka izany, saingy rehefa hitanao indray ilay firenena dia tsy raharahianao ilay baolina fandaka.
Egypt: Taxi Driver Celebrating with Egyptian Flag

Mpitondra Taxi amina sainam-pirenena Ejipsiana, sary copyright Demotix

Nandritra ny fihetsiketsehana tany Ejipta tokoa manko dia maro tamin'ny mpialalao baolina no nivoaka nanohana an'i Hosni Mubarak. Tokony ho herintaona sy tapany tokoa izay, Mubarak sy ny mpampita vaovaony ary ireo mpilalao baolina no nanomboka ny ady teo amin'ny Ejipta sy i Alzeria ary nampiely lainga sy fankahalana Alzeriana noho ny lalao baolina fandaka iray. Saiky voafandrik'izany lainga izany avokoa ny Ejipsiana tamin'izany fotoana izany ary izay angamba no nahatonga azy ireo hieritreritra fa marika ahafantarana ny vanim-potoanan'ny kolikolin'i Mubarak ny ekipam-pireneny.

@ktarek78: اللي اتغلب ده منتخب مؤيدي مبارك
@ktarek78: Ny ekipa resy dia ny ekipa mpanohana an'i Mubarak.
@alibrisha:منتخب مصر مازال يعيش في عصر مبارك يتصرف مثله .. بطء في التفكير.. ضعف في التنفيذ.. فساد في إختيار التشكيل طبقا للواسطة والمحسوبية
@alibrisha: Mbola miaina ny vanim-potoanan'i Mubarak ny ekipa Ejipsiana ary mitondra tena tahaka azy, votsa fisaina, tsy hendry fisaina sy fihetsika, feno kolikoly eo ampifidianana izay hilalao.
@Hannah__HK: منتخب مبارك يتنحى أمام منتخب مانديلا
@Hannah__HK: Niondrika teo anatrehan'ny ekipan'i Mandela ny ekipan'i Mubarak.

Tsy vitan'ny hoe tsy nalahelo ny vahoaka fa faly aza satria mieritreritra ny olona fa afa-mifantoka amin'ny fihavaozana politika misy any Ejipta amin'izay ry zareo.

@Sherifmgdy: شكرا جنوب أفريقيا علي دعم مجهودات التحول السياسي في مصر
@Sherifmgdy: isaorana i Afrika Atsimo nanohana ny fihavaozana politika mitranga any Ejipta amin'izao fotoana izao.
@Nourinho82: كده بقى يا وحوش مفيش منتخب حتى 2014 شوفوا بقى هتضحكوا علينا اذاى؟و اللهى الحكومة دى صعبانه عليا
@Nourinho82: Tsara, izany hoe malalaka tsara ny fandaharam-potoanan'ny ekipam-pirenentsika mandrapahatongan'ny 2014. Mampalahelo ahy ny fitondrana ankehitriny fa tsy manan-javatra hampialana voly antsika.

Ary farany, tsy nahatana ny esoesony i Muhammad Habib:

@m7abib:الثورة المضادة: المنتخب مايروحش أصلا بطولة أفريقيا، الجماهير تطالب بعودة مبارك راعي الرياضة الأول في مصر
@m7abib: Tohitra-revolisiona: Nandamoka ny Ekipam-pirenena hahafahany mandray anjara amin'ny fiadiana ny amboara, ka mitaky an'i Mubarak hiverina ny vahoaka hamonjy ny fanatanjahantena any Ejipta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.