Myanmar: Fitantarana ny Taorian'Ilay Horohorontany Avy amin'Ireo Mpiasa Mpanao Vonjitaitra

Horohorontany iray manana hery  6.8 no namely ny ilany avaratry ny fari-piadidian'i Shan any Myanmar tamin'ny Alakamisy, ary araka ny tatitry ny fahitalavi-panjakana dia nitombo niakatra ny isan'ny olona maty ka feno 74, ary ny isan'ny naratra dia tafakatra nihoatra ny 100 [Ang].

Araka ny tatitra fanavaozam-baovao avy amin'ny Weekly Eleven, maro ny hetsika madinika nanaraka azy iny no voarakitra tany amin'ireo faritra manakaiky ny ilany Atsinanan'i Shan ka niteraka tahotra sy horohoro teo amin'ireo mponina. Mponina iray ao amin'ny tanànan'i Oak Kyin no niteny tamin'ny 26 Martsa, tokony ho tamin'ny 12 alina:

Nisy horohorontany hafa indray halina ary iray hafa io maraina io koa. Tsy sahy mijanona ao an-tranoko intsony aho. Tena heno be ilay fihetsehana satria tsy misy fototra ny tranoko. Tsy misy zavatra azo vinaniana mialoha satria tranga ateraky ny natiora ilay izy. Dia miandry ny lahatra sy ny anjara eto.

Niteny koa ny mponina fa noho ilay horohorontany, dia vinavinaina ho be lavitra noho ny anjatony ny taham-pahafatesana tao Tarchileik, Tarle, Nar Yaung , Mine Lin , ary Mine Koe, miaraka amin'ny tanànan'i Mine Lin nahitàna be indrindra tamin'ireo niharam-boina.

Ny faharavana nentin'ilay horohorontany tao Myanmar. Sary avy amin'ny bilaogy akm-kunta

Anatin'io tatitry ny  Weekly Eleven io ihany, mpiasa mpanao vonjitaitra iray no nanoritsoritra ny toe-draharaha ao Tarle:

Nalefa any amin'ny tombim-pitsaboana any  Tarchileik sy  Mine Phyat ireo naratra. Ny vondrona mpanao vonjitaitra avy ao Tarchileik sy Kyaing Tong dia nametraka ny foibeny ao Tarle. Azo lazaina fa mba efa nisy fitoniana kely ny toe-draharaha izao. Efa nanomboka ny fananganana. Nosokafna ny toby fanarenana ao an-tanànan'i Tarle sy ao Nar Yaung.

Mpiasa iray panao vonjitaitra nalefa tany Tarle, iray amin'reo faritra tena voa mafy, no nitafatafan'ny The Irrawaddy:

Tokony ho tamin'ny 10 ora maraina teo aho no tonga tao Tarle. Ny ankabeazan'ireo trano misy rihana 3 teny amoron-dàlana dia tsy mana afa-tsy rihana 2 eo sisa ankehitriny. Maro tamin'ireo trano nanana rihana 2 koa no nirodana. Ny Monastera koa tafiditra ao anatin'ireny trano nirodana ireny. Ny sasany tamin'ireny trano avo ireny dia efa feno 20 taona mahery, isan'ny nampitombo ny haratsian'ny vokany izany.

Tsy ny mponina tao Tarle ihany, fa koa ireo mponina tao Tarchileik no voatery natory tanaty labasy. Rehefa tonga tao Tarle aho, dia nahita ireo olona manadio ny tranon-dry zareo amin'ny herin'ny tenany ihany. Ny sasany mitomany midradradradra manoloana ireo havany nafoiny. Tsy afaka nanontany na inona na inona azy ireo aho. Ny mety ho lazaiko dia ny hoe nananavintana ireo izay mbola velon'aina.

Tsy mbola nanao na inona na inona alpoha ny governemanta. Be ireo nalefa any amin'ny hopitaly. Saingy tsy nandeha tany amin'ny hopitaly aho ka tsy haiko araka izany izay zava-misy any. Fa raha ny hitako aloha, hitako fa teo amin'ny 60 teo ho eo no maty tao Tachileik. Nisy teo amin'ny 20-30 teo ho eo no maty tany (Tarle). Ny isan'ny maty  dia mbola mety ho ambonin'izany.

Nanolotra zavatra vitsivitsy aho, paty tonga dia vonona sy rano. Nomeko ny solontena ofisialin'ireo mponina izy rehetra ireny. Tsy haiko izay hanaovan-dry zareo an'ireny zavatra ireny. Nanokatra toby fialofana vonjimaika ry zareo. Izay manana fianakaviana moa dia nandeha namonjy niara-nipetraka amin'izy ireny.

Ankehitriny, nakatona vonjimaika ny lalambe migodana. Nambaran-dry zareo fa hisy fanamboarana hatao azy io.

Mpiasa mpanao vonijitaitra iray hafa avy any Tarchileik no niteny hoe:

Tamin'ny 24 Martsa tamnin'ny 8 ora 25 mn alina no nitranga ilay horohorontany. Ora maro taty aoriana, tonga ireo manampahefana avy ao  Tarchileik ka nangataka ahy hirotsaka an-tsitrapo, dia nanainga niaraka tamin'izy ireo aho. Tonga tao Tarle aho tamin'ny misasakalina.

Teny an-dàlana ho any Tarle, dia nisy tetezana lehibe iray. Rehefa tonga teo amin'io toerana io izahay, tsy afaka nanohy intsony ny fiara nentinay. Noho izany dia voatery niampita an-tongotra an'ilay tetezana izahay ary nanohy nankany Tarle. Nikorotsaka tokony ho 1 metatra mahery teo ny làlana tany ampitan'ilay tetezana. Be ny faharavana. Ho an'ny trano sasany, ny tafony sisa tazana fa ny trano manontolo dia nifotetaka amin'ny tany daholo.

Ny sisa tsy maintsy nataoko dia ny nandefa ireo naratra nankany amin'ny hopitaly ao Tarchileik. Misy hopitaly ao Tarle, saingy na io hopitaly io koa aza dia nirodana. Voalohany indrindra noho izany, tsy maintsy napetrakay tamin'ny toerana malalaka teo anoloan'ny hopitaly ireo marary ary nomena ny fitsaboana sahaza azy ireo. Taorian'izany, notaterina tamin'ny filanjana ry zareo niampita teny amin'ny lafy ilan'ny tetezana. Làlana tokony ho 15 mn eo.

Rehefa tonga teny ampitan'ny tetezana izahay, tsy tonga dia azonay nalefa avy hatrany tany amin'ny hopitaly ireo marary. Satria tsy nanana filanjana ampy isa izahay, ilainay iny filanjàna iny ho entina miverina maka marary iray hafa indray. Tsy ampy ny fiara ka tsy afaka ny handefa marary iray isaky ny fiara iray ho any amin'ny hopitalin'i  Tarchileik izahay. Noho izay antony izay dia izay marary tonga mialoha teo amin'ny fiara dia tsy maintsy niandry ireo marary hafa ho tonga.

Zavatra iray hafa koa ny tsy maintsy niandrasanay ny fahazoan-dalàna hanainga avy amin'ireo manampahefana isan-ambaratongany mba hahafahan'ny fiara miala ho any amin'ny hopitaly. Mandany fotoana sarobidy loatra izany. To anatin'ny fiara iray izay izaho no namily azy, dia marary iray no tapitr'aina raha vantany vao hiditra indrindra ny faritry ny hopitalin'i  Tarchileik. Nisy ireo olona maro tra-pamonjena tamin'iny horohorontany iny, saingy namoy ny ainy tamin'ny tsy misy fotony satria tsy nahazo ny fitsaboana ara-potoana tokony ho natao tamin'ny ratra nanjo azy ireo. Tena manohina ny foko tanteraka izany.

U Win Swe, filohan'ny Myanmar Geological Society, niteny tamin'ny Weekly Eleven:

Tany aloha tany, nisy horohorontany nahery vaika niantraika tamin'ny faritra manodidina an'i Shan. Saingy efa ela no nisehoan'izany. Matetika no misy horohorontany mitranga amin'ny faritra sasany izay efa voadona teo aloha. Resaka fiverimberenan'ny fitrangany ny sisa. Tany amin'ireo faritra nanandrify ny tany nitriatra, dia azo eritreretina ny mbola hisian'ny fihetsehana madinika aorian'ny nitrangan'ny horohorontany goavana.

Nampitandrina koa izy fa noho ny ampahantany Indiana misisika ao ambanin'i Azia, Myanmar dia tokony hivonona foana hiatrika horohorontany amin'ny hoavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.