Syria: Namotika sy Nanaisotra ny Sarin'ny Fitondrana Syria ny Mpanao Fihetsiketsehana.

Fanadihadina manokana momba ny Fihetsiketsehana ao Syria taona 2011 ity lahatsoratra ity.

Ao Syria, hita matetika eny amin'ny takelaka fametrahana dokambarotra, eny amin'ny trano be, ary amin'ny endrika sarivongana ny tarehin'ny Filoha Bashar al-Assad sy ny rainy, ny Filoha teo aloha Hafez al-Assad. Gaga indraindray ireo vahiny eto amin'ny firenena mahita ny fahamaroan'ireo sary isan-karazany ireo, raha efa zatra kosa ny Syriana amin'ny fiainana andavanandro. Omaly, karazana horonantsary no niseho izay ahitana ireo mpanao fihetsiketsehana manimba sy manaisotra ireo sarin'ny fitondrana: afisy sy sary-vongan'ny fianakaviana Assad.

Mampiseho ny taonan'ny fifidianana lalampanorenana manaraka ity sarin'i Bashar al-Assad ity, izay nalaiko sary tamin'ny fivahinianako tao Tartous tamin'ny taona 2009.

Mampiseho ny mpanao fihetsiketsehana manimba ny sary vongan'i Hafez al-Assad ity horonantsary ity, avy amin'ny mpampiasa 42Maher, avy any Daraa:

Ity horonan-tsary ity, tao Daraa koa , dia avy amin'ny 42Maher ihany izay mampiseho olona iray mandrovitra ny afisy lehibe an'ny Filoha Bashar al-Assad ankehitriny , raha mitehaka azy kosa ny mpijery:

Niparitaka lavitra eny amin'ny firenena hafa mihoatra an'i Daraa ny fihetsiketsehana. Ao Homs, manimba sy manaisotra ny afisin'ny Filoha teo aloha Hafez al-Assad ny mpanao fihetsiketsehana(horonan-tsary tany amin'ny thehawkofsyria):

Ary tao Arihah, akaiky ny afovoan'ny firenena, miventsoventso ny mpanao fihetsiketsehan hoe: “Miala i Bashar al-Assad” (horonantsary avy amin'ny sailor999999990):

http://www.youtube.com/watch?v=hiUOuLcpw4A&feature=player_embedded#at=61

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.