Ejipta: Hitan'ilay mpamily Taxi tamin'ny alalan'ny facebook ny tompon'ny fakantsary very

Inona no mety ataonao raha mahita fakantsary ianao, ka hamerina azy amin'ny tompony? Tamin'ny fomba ejipsiana no nanaovan'ilay mpamily taxi ejipsiana iray azy ka nampiasa ny aterineto izy – ary nivaly vetivety izany.

Niangavy ilay mpandeha nahita ny fakantsary hamoaka ny sasantsasany amin'ny sary ao anatiny amin'ny aterineto ilay mpamily antsoina hoe Abdel Hameed Tawfiq. Nitantara ilay mandeha izay mbola mpianatra antsoina hoe Asmaa Mostafa:

فى البداية لما “عبد الحميد” سائق التاكسى أستعان بيا وطلب منى أنى أنشر صور “السائح التى تظهر على الكاميرا على النت” قررت أتواصل وأطلب من الصفحات اللى أعضائها كتير المساعدة وبالفعل الصفحات ساعدتنى وشجعتنى جدا ودعمت الموضوع ونشرت صور “ماركوس” على صفحاتها […]بعد كده بعت رسالة لشخص زميل هو اللى قالى أعملى صفحة على الفيس بوك خاصة بالموضوع . وبالفعل عملت الصفحة وأبتديت أدعى الناس والصفحات اللى مذكور أسمها فوق هى كمان شاركتنا فى دعوة أعضائها إلى الأنضمام لصفحتنا، الصفحة أتعملت كان من أهدافها أولا :رجوع الأمانة لصاحبها / ثانيا: رجوعها عن طريق شعب مصرى والمصريين وماكنتش بفكر ابدا أنى أبعتها لسفارة وهى اللى تتعامل مع الموضوع كانت بتمنى أننا اللى ننادى عليها ونبحث عنه ونقوله بنفسنا ونفاجئه ولله بجد كان عندى أمل بس مش بالسرعة دى خالص قلت هنأعد نبحث شهور
ثالثا: تحسين الصورة الذهنية لمصر والمصريين بالخارج الأمانة لازم ترجع لأىحد مهما كانت جنسيته وكان لازم نحاول الوصول لمالك الكاميرا واللى زادنى حماسة أكتر أنه مش مصرى قولت أحنا سمعتنا بتبقى مش كويسة فى الخارج وبعض التجار المصريين بيستغلوا السياح وده شىء بيأثر علينا كلنا
رابعا: الهدف الأقوى أننا نوصل الصفحة دى لكل الناس أحنا مجرد بنبتدى ومعانا ثقة الحمد لله. لازم الناس تعرف أن مصر أمنة وبلد الأمان بالشعب […]خامسا: مصر مش تخلف ولا بلطجة ولا سلبية وعشوائية ( مصر هى عبد الحميد واللى زيه والوحش عمره ما هيغطى على الحلو فينا(

Tamin'ny voalohany rehefa niangavy ahy hamoaka amin'ny aterineto ny sarin'ilay mpizahantany hita tao amin'ny fakantsary ilay mpamily antsoina hoe Abdel Hameed, dia nanapa-kevitra aho ny hifandray tamin'ny takelaka maro izay maha-mpikambana ahy hifanampy amiko, sady nanampy ahy sy nandrisika ahy ary nanohana ahy tamin'ity raharaha ity ireo takelaka isan-karazany ireo. Namoaka ny sarin'i Marcus tamin'ny takelak'izy ireo aho. […] Taorian'izay moa dia nadefa hafatra tamina mpiara-miasa iray izay nilaza tamiko hanokatra takelaka Facebook manokana momba ity raharaha ity aho. Nanokatra takelaka [antsoina hoe mitady ity olona ity i Ejipta iray manontolo] aho ary nanasa olona [hiditra ao], ary nanasa ny mpikambana ao aminy hiditra ao amin'ny takelaka ihany koa ireo takelaka efa nifandraisako. Ny tanjon'ny takelaka nossokafako moa:

1. Hamerina ny zavatra very amin'ny tompony

2. Hamerina izany amin'ny fanaon'ny vahoaka ejipsiana (tsy nieritreritra velively ny handefa azy amin'ny ambasady aho hifanarahana); Nanantena aho fa isika izay miantso, mitady ary mifampiresaka dia hahita tampoka azy, ary tena nino aho saingy tsy vetivety araka izay nitranga, nieritreritra aho fa mety haharitra am-bolana ny fikarohana.

3. Hanatsara ny endrik'i Ejipta sy ny ejipsiana any ivelany; tsy maintsy averina amin'ny tompony, tsy anavahana firenena niaviana, ny zavatra very ary miezaka izahay ny ho tafapaka any amin'ny tompon'ny fakantsary. Ny tena nampazoto anay dia ny fahafantarana azy ho tsy Ejipsiana. Tsy tsara loatra manko ny lazantsika any ivelany; misy mpivarotra Ejipsiana manambaka ny mpizahatany ka miantraika amintsika rehetra izany zavatra izany.

4. Ny tanjonoa goavana indrindra dia ny hanatratra ny rehetra amin'ity takelaka ity, vao manomboka isika ary matoky ihany koa. Ilaina ampahafantarina ny rehetra fa voaaro ny olona any Ejipta. […]

5. Tsy firenena mihemotra feno jiolahimboto sy korotana i Ejipta, Ejipta izany dia i Abdel Hameed sy ireo izay mankasitraka azy, ary tsy misy zava-dratsy hahasarona ny tsara ao anatinay na oviana na oviana.

Marcus Abdullah Bregenzer

Marcus Abdullah Bregenzer, takelaka facebook mitady ity lehilahy ity i Ejipta iray manontolo

Ora iray sy telo minitra monja taorian'ny nananganana ny takelaka dia nisy hafatra nalefan'i Mohamed Abu Seda, nilaza fa fantany io olona hita amin'ny sary io, lehilahy Soisa iray antsoina hoe Marcus. Nitady fifandraisana tamin'i Monzer Mohamed Rashad i Mohamad, fa ilay io no naman'i Marcus any Soisa, ary vetivety fiana dia nandefa hafatra indray i Monzer miaraka amin'ny sariny miaraka amin'i Marcus. Avy eo moa dia namokatra lahatsary nitantarany ny tantara iray manontolo ry zareo (Nanomboka tamin'ny teny Arabo i Monzer ary i Marcus – antsoina ihany koa hoe Abdullah – indray nanohy tamin'ny teny anglisy):

Mbola nahazo mpanaraka maro ihany ny takelaka facebook, ary lasa ampiasaina hampalaza an'i Ejipta ho milamina fitsidihan'ny mpizahantany. Araka izany nolazain'i Monzer ao amin'ny lahatsorany:

مصر امبارح نجحت في إمتحان الديموقراطية والنهاردة في إمتحان الأمانة
Omaly nahomby tamin'ny fitsapana ny demokrasia i Ejipta, androany indray tamin'ny fandriampahalemana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.