Côte d'Ivoire: Nivadika ho fihomehezana tany amin'ny twitter ny fanapahan-kevitry Gbagbo

Anisan'ny lahatsoratra manokana momba ny tsy fahafafaliana tany Côte d'Ivoire 2011.

Amin'ny ady ifanandrinan'i Laurent Gbagbo sy Alassane Ouattara any Côte d'Ivoire hatramin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana novambra 2010, dia misy fanapahan-kevitra tsy ampoizina foana isan'andro izao. Ao ny fandraisana andraikitra misy ilàna azy ihany fa ao kosa no tsy mitombina mihitsy. Ohatra izao tamin'ny andron'ny 09 martsa 2011, niteraka fampihomehezana be tany amin'ny twitter ny fanapahan-kevitra anankiroa noraisin'ny governemantan'i Gbagbo tany an-toerana. (Jereo ity lahatsoratra mikasika ny fifandirana politika any Côte d'Ivoire).Malaza be amin'izao fotoana izao ny momba ny sosialy any Côte d'Ivoire ka ny resaka rehetra na amin'ny fampahalalam-baovao sy ny tsaho rehetra mikasika an'i Côte d'Ivoire dia hitanao daholo ao amin'ny twitter arahan'ny teny fototra #civ2010.

Voasazy ny fiaramanidin'ny Firenena Mikambana

Ny fanapahan-kevitra voalohany hafahafa noraisin'i Gbagbo dia mikasika ny iraky ny Firenena Mikambana any Côte d'Ivoire (MINUCI) sy ny fanafihana kasain'ny tafika frantsay hotanterahana any an-toerana – ilay antsoina hoe Operation Licorne (Operation Unicorn), izay ao ambany fahefan'ny Firenena Mikambana ihany.

Ny governemantan'ny filoha teo aloha Laurent Gbagbo, nanambara [fr]:

Tsy mahazo misidina sy mipetraka ao amin'ny Repoblikan'i Côte d'Ivoire ny fiaramanidin'ny Firenena Mikambana (MINUCI) sy ny an'ny Opération Unicorn, ny zotram-piaramanidina manokana hafa rehetra dia tsy maintsy hahazoana alàlana avy amin'ny ministry ny fitaterana vao mahazo mipetraka. Tsy maintsy “arovana ny firaisam-pirenena sy ny mahaizy azy ny firenena ary koa ho fiarovana ny olona sy ny fananany”.

Manoloana izany fanapahan-kevitra izany dia toran'ny hehy ny mpiserasera twitter ivoariana ary mitombo be ny fanehoan-kevitra. @ivoryunite manambara:

@ivoryunite: Pour ne pas perdre la face, LG ne prend de décret pour interdire les vols de licorne et ONUCI. Il se réfugie derrière 1 arrêté. #civ2010

@ivoryunite: Mba tsy haharesy tondromaso azy dia tsy nila lalàna i LG hanakanana ny fiaramanidin'ny Licorne sy ny ONUCI. Volavolan-dalàna iray no iafenany. #civ2010

Fa ny mpiserasera hafa kosa toa an-dry @MastahBoobah mihomehy:

@MastahBoobah: Dernieres nouvelles! Gbagbo nationalise les oiseaux de Cote d'Ivoire afin d'appliquer l'interdiction de vols de l'Onuci et Onu #civ2010

@MastahBoobah: Vaovao farany! Natao fananan'ny fanjakana ny fiaramanidin'i Côte d'Ivoire mba hanakanana ny sidina hataon'ny ONUCI sy ny UN #civ2010

Hamaliana izay fomba hanatanterahana izao fanapahan-kevitra izao satria tsy misy vola sy fitoavana ny fanjakana, dia manome vahaolana mampihomehy i @Hager55:

@Hager55: #civ2010 vraiment je comprend sa collaboration avec les chinois ces pr importer les bambous de chine et les planter afin barrer le ciel

@Hager55: #civ2010 azoko amin'izay ny fiaraha-miasany amin'ny Sinoa amin'izay izy afaka manafatra bararata betsaka avy any hanakanany ny lanitra
Manoloana ny faharesen'i Gbagbo an-tanety dia misento i @JusticeJFK :

@JusticeJFK: Gbagbo est un vrai rigolo! Espace terrestre à coté de toi même tu maîtrises pas, c'est espace aérien tu veux contrôler? Pfff!!! #civ2010

@JusticeJFK: Tena mampihomehy ay mihitsy i Gbagbo! Faritra ety an-tanety akaiky aza tsy voafehiny, dia ny any an-danitra indray no hofeheziny? Yeah, !!! #civ2010

Ado Gérard K (@nightsnake1975), maneso mikasika izany fanakanana izay – inona no hataon'i Gbagbo:

@nightsnake1975: #civ2010 Il est desormais interdit a tout oiseau au plumage blanc de voler au dessus du territoire de CI

@nightsnake1975: #civ2010 Tsy mahazo misidina ao Côte d'Ivoire izay vorona rehetra manana volo fotsifotsy
Manohy izany fihomehezana izany ihany, ho an'i @Kanazan izao fanakanana izao dia hanaketohana an'i Ouattara lasa any Addis Abeba namonjy ny Fihaonana an-tampon'i Afrika:

@Kanazan: gbagbo veut empecher ado de rentrer au pays, c'est puerile et ridicule #civ2010

@Kanazan: Tsy tian'i Gbagbo hiverina any an-tanindrazany i Ouattara [Alassane Dramane Ouattara] ,tena manao toe-tsain-jaza sady mampihomehy#civ2010

Ny momba ny kakaô

Ny fanapahan-kevitra faharoa tamin'iny hariva iny izay noraisin'ny governemantan'i Gbagbo dia ny fampitahorana mody nanana endrika fanambarana: hogiazana ny ampahany amin'ny vokatra kakao eo am-pelantanan'ny antokona orinasa matanjaka handoavan'ity farany ny hetra tokony ho naloan'ny orinasany amin'ny fanjakana.

Ny rohy #civ2010 manentana momba izay resaka izay indray. Ho an'ny @nightsnake1975, midika izao fa mila vola ny fanjakana:

@nightsnake1975: @Sanders225 La raison est simple, plus de sous, il veut les forcer a donner un peu de sous #civ2010

@nightsnake1975: @Sanders225 Tsotra ny antony, tsy misy vola intsony, tereny ry zareo handoa lelavola ho azy #civ2010

Simon Rouvoy (@rouvroys) malahelo amin'ny fanaovana ny zavatra rehetra ho fananam-panjakana ka mahatonga azy ho borona haingana:

@rouvroys: Quand LG aura fini de tout nationaliser il sera propriétaire de ruines habitées par des cadavres. iI faut l'arrêter. #civ2010

@rouvroys: Rehefa vitan'i Gbagbo ny manao ny zavatra rehetra ho fananam-panjakana dia izy no ho tompon'ny fahapotehana feno faty. Tsy maintsy atsahatra izao #civ2010.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.