India: Fahatezerana tao amin'ny Parlemanta noho ny fivoahan'ny telegrama vaovao tao amin'ny Wikileaks

Nitarika fahatezerana tamin'ny Parlemanta Indiana nahitana ny mpanohitra nangataka fanazavana tamin'ny praiminisitra, ary tonga tamin'ny fitakiana ny fialàny ny fivoahana andia-telegrama Indiana farany avy amin'ny Wikileaks, manambara ny fisiana fanangolena ny depiote nandritra ny fametraham-pitokisana volana jolay 2008  nofinidin'ny governemanta UPA ankehitriny. Voatery nanao fanambarana mandà izay voalaza ny praiminisitra Manmohan Singh sady nanontany [misalasala ny amin'ny] ny fahamarinan'ny telegrama sy fahazoana matoky izay voalaza ao anatiny. ,- noho ireo karazana hafetsena nitondra tamin'ny fifandimbiasana haingana, farany anefa dia nanao fanambarana mandà ireo voalazany izy ary tamin'izany fotoana izany nisy ny fanontaniana momba ny fahatokisana sy ny fahamarinan'ny telegrama . Efa tratran'ny fanontaniana sesilany momba ny fanafintohinana isan-karazany nitranga tao amin'ny antokony noho ireo karazana fisolokiana manko ny Praiminisitra.

Fotoanan-ny Wikileaks any India

Ankoatra ny Parlemanta, hatramin'ny namoahan'ny Hindu ireny telegrama ireny dia nafana ny adihevitra teo amin'ny mpiserasera izay misy ny rikoriko, misy ny manebaka ary misy ny mamazivazy.

@Chellaney: Arakaraky ny hamakian'ny olona ny telegrama Wikileaks, no mahabetsaka ny isan'ireo tsangan'olona hita. Ohatra, nisaotra an'i Kalam i Mulfoed noho ny fandresen-dahatra nataony tamin'ny resaka nokleary

@omkara2: @vikramchandra maro ireo firenena hazan’ ny wikileaks..tsy misy nanao fihetsika toy ny nataon'i India..sinema re izany..izay mampiavaka an'i India

@m2shooter: Tokony holazain'ny Wikileaks ny vidin'i India, efa atao lavanty noho ny kolikoly ny firenena.

@twitchdude: Mahagaga !! nahoana ny telegrama tsy nohamarinina sy tsy azo hamarinina no mahatonga korontana tahaka izao. #wikileaks #india

@pradeepphadke: Ny tsy fahalalana na inona na inona dia toetra mampiavaka ny mpitarika – toa an'i MM Singh! izy no Praiminisitry ny demokrasia goavana indrindra manerana izao tontolo izao nefa tsy mahalala na inona na inona mihitsy!!

@dibgal: ahoana no ilazan'olona fa manana ny fandaharam-potoana manokana ho an'i India ny wikileaks? iray amin'ireo naman'ny raiko izay mpanao politika mafana fo dia niteny sahala amin'izany ihany koa. mahasanganehana

@jhunjhunwala: Tratran'ny krizy nokleary i Japana. Ao India, tsy fantatra izay tokony hifampiraharahana voalohany – 2G, CWG sa Wikileaks amin'izao. Tratran'ny krizy TSY FANTATRA isika

@coolfunnytshirt : Raha nanontaniana momba ny fatiantok'i India tao SA, nilaza ny Praiminisitsika fa fomba fitadiavam-bola sy tsy voamarina ny amboara iraisam-pirenena. #wc11 #cwc2011 #wikileaks

Nisy ny adihevitra momba ny filazana koa fa sahirana ny sekretaram-panjakana Amerikana Hillary Clinton tamin'ny fanendrena an'i  Pranab Mukherjee ho minisitry ny vola.

@Bansal_Anurag: Tsy faly ny Amerikana tamin'ny fanendrena an'i  Pranab Mukherjee ho minisitry ny vola: WikiLeaks, izahay koa tahaka izany. Ahoana no itovizan'ny fihetseham-po miampita kontinanta….Mahagaga

@KanchanGupta: Ny didim-pitsarana! Lasan'i Pranab Mukherjee ny loka Golden Pumpkin tamin'ny fisisihan'ny telegrama tafavoakan'ny WikiLeaks hizaka ny tsimatimanota diplomatika!

Na dia izany aza, tsy ny olona rehetra no niara-paly tamin'izay hita ao amin'ny Wikileaks. Vitsy tamin'ireo mpi-tweet no nahatsapa fa mila tsiambaratelo ny governemanta raha miasa saingy nopotehin'ny Wikileaks izany fanao izany.

@IntelliCzar: WikiLeaks..vato mamingana ny zon'ny governemanta hiasa mangina..izay eritreretiko fa tena ilaina raha hitondra firenena lehibe sy maro karazana tahaka an'i India malala.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.