Côte d'Ivoire: Nankaiza ny Jeneraly Philippe Mangou ?

Nafana ny andro Alatsinainy 14 martsa tao Côte d'Ivoire ary koa teo amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny tontolon'ny Twitter. Any Abidjan, taorian'ny herisetra tao amin'ny faritra Abobo tamin'ity herinandro ity, taitra tamin'ny torimasony ny Ivoarinina noho ny tifitra kalachnikov sy  fitaovampiadina lehibe tao amin'ny faritra  Yopougon, mandatehezan'i Laurent Gbagbo, filoha teo aloha [araka ny filazan'ny mpanoratra]. Nanomboka ny fifandonana tao amin'ny faritr'i Andokoi izay misy ny trano fonenan'ny  Général de Corps d'Armée Philippe Mangou ,  Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika (CEMA)  notendren'i Laurent Gbagbo. Nahatonga adihevitra lehibe momba ny Jeneraly izany toe-javatra izany. Tao anatin'ny andro vitsivitsy, nitombo ny resabe tany Abidjan momba an'i Philippe Mangou ao anatin'ny krizy. Ny hafa milaza azy nitsoaka nankao amin'ny  43ème BIMA, ny hafa milaza fa ao amin'ny masoivohon'i Canada ao Abidjan.

Philippe Mangou

Jeneraly Philippe Mangou tao amin'ny wikipedia CC license

Nanamafy izany ny tranonkala ConnectionIvoirienne raha  nanambara ny Twitter hoe:

Côte d’Ivoire, i Mangou sady tsy nandeha niasa any amin'ny toby no tsy ao amin'ny Etamazaoro, mimenomenona ny miaramila: Taorian'ny fanamarihana…http://bit.ly/dOlT2q
Raha tsy any an-tranony ny jeneraly, dia tsy misy olona mahafantatra izay misy mety misy azy amin'izao fotoana izao. Ary ao amin'ny twitter, mandeha  ny fanontaniana sy ny tsaho. Araka izany,  nanambara @MouhamedSY fa:
Amin'ireo toby roa ireo, betsaka ny vaovao tsy marina, ny lainga, ny tetika maizimaizina sy ny fanondranondranana ao amin'ny#civ2010 indrindra ny momba an'i Mangou
Tamin'ny alina, Nolazain'i Mike Miller tao amin'ny vaovao Afrikan’ ny Radio France Internationale ny jeneraly (@R2D2V3 tao amin'ny twitter)
#civ2010 Mangou ao amin'ny RFI amin'ny  enina sasany (Loharano iTélé)
Miomana hijery ny tohin'ny vaovao ao amin'ny vaovao Afrikan'i RFI ireo mpiserasera ary ho mafy ny fahadisoam-panantenany: Momba an'i Philippe Mangou araka ny filazan'i Andros Vacuna
#civ2010 tsy misy fanadihandina momban'i Mangou ao amin'ny vaovaon'ny RFI amin'ny enina sasany. Vaovao diso?
Na koa hoe Justice JFK nijery ny vaovao
RFI tamin'ny hariva: tsy nisy filazana ny fanadihadina momba nyJeneraly Mangou. Fanairana tsy izy/ i-télé? #civ2010
Tamin'ny faran'ny fandaharan'ny radio, Alain Toussain, mpanolo-tsaina serasera an'i Laurent Gbagbo niezaka nampanantena:
NyJeneraly Mangou, CEMA dia mbola eo amin'ny toerany ary eo akaikin'ny Filoha Laurent Gbagbo izy. #civ2011 #civ2010 #afrique #rfi#bbc #clifci #cotedivoire
Nangataka porofo ireo tsy nino tamin'izay nolazain'ny mpanolo-tsain'i  Gbagbo tamin'ny Camso2010 izay te-hahita ny Jeneraly ao amin'ny RTI (fahitalavitra ivoiriana mpanohana an'i Gbagbo) antsoina hoe LMP TV:
@toussaintalain Asehoy izao i Mangou eo amin'ny LMPTV anao , hampangina anay izany ! #civ2010
Mahatonga safotofoto ihany koa ny ahiahin'i  Laurent Gbagbo manoloana ireo olona mitondra fitaovam-piadina sy ny fomba nandehanan'ny CEMA teo aloha.  Io tweet an'i Jusice JFK dia manome izay  fiheveran'i Laurent Gbagbo an'ireo Jeneraly:
JA2618: “Ny Jeneraly, mampanao jery atrika anao izy, ny minitra manaraka, ahongany ianao” soniavin'i Laurent Gbagbo #civ2010
Tamin'ny hariva, tsy nahitana sary farany an'i Philippe Mangou tao amin'ny vaovaon'ny fahitalavitr'i Laurent Gbagbo, ka nanamafy ny tsaho sy ny adihevitra tsy misy farany.
.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.