Okraina: Mampitaha an'i Fukushima sy i Chernobyl?

Ilay horohorontany niaro tsunami namely an'i Japana tamin'ny zoma 11 martsa lasa teo iny no niteraka fahasimbana goavana [ENG] ho an'ny foibe nokleary Fukushima-1, satria ny fijanonan'ny fomba fampangatsiahana dia niteraka trangan-javatra mampalahelo toy ny fipoahana matetika, afo, ary fiakaran'ny hafanana [ENG] teo amin'ny fitaovana mpamokatra herinaratra nokleary.

Arakaraky ny fivoaran'ny zava-misy, dia mampiseho [ENG] ny media fa i Fukushima no loza nokleary ratsy indrindra hatramin'ny fahapotehana nateraky Chernobyl [ENG]. Nandona an'i Okraina avy hatrany ny vaovao satria tao no nisy ny toby nokleary Chernobyl ary mbola tsaroana mandraka androany ny zava-nitranga nahatsiravina 25 taona lasa izay.

Manaraka akaiky sy maneho hevitra momba ny Fukushima ny mpitoraka bilaogy sy twitter avy any Okraina.

Mpampiasa LJ mipetraka any Kyiv fantatra amin'ny hoe nadiya55 nanoratra izao [RUS]:

Электричество – это хорошо, удобно, привычно. Ядерная энергетика – удобно и выгодно. Но это опасная игрушка в руках невежественного существа – человека, не умеющего предусмотреть и обезопасить в форс-мажоре.

Чернобыль, ещё чернобыли..???

Tsara ny herinaratra, tena ilaina ary efa mahazatra. Tena ilaina sady hahazoana tombony ny angovo nokleary. Kanefa mampidi-doza izy ity tahaka ny olombelona ihany, tsy manana hery hahafantatra na hiaro tena amin'ny zavatra miseho tampoka.

Chernobyl, mbola  misy chernobyls ihany…???

Mpampiasa LJ mipetraka any Kharkiv fantatra amin'ny hoe slobozhanyn nanoratra izao [UKR]:

Ясності що саме сталося немає… Воно й ясно. Ніхто в умовах, коли Японія зазнала катастрофічного лиха внаслідок землетрусу та цунамі нічого не скаже, бо це просто підніме паніку. А так – народ там дисциплінований, тому зайвого кіпішу не буде.

І ось останні повідомлення, що аварія подібна до того, що сталося на Трі-Майл-Айленді у 1979-му… Тобто “вибухнула мусорна бомба”, але не наружу, як в Чорнобилі, а в середину…

[…]

Зараз повідомили, що аварії на даний момент надали 4-й рівень з 7-ми за класифікацією МАГАТЕ. До слова, 5-й у Трі-Майл-Айленд'а, а 7-й … не будемо про погане…

[…] Tsy dia mazava loatra ny zavatra misy ao Fukushima ankehitriny… Kanefa fantatra. Amin'ny zavatra nahazo an'i Japana izay sady niharan'ny horohorontany no nasian'ny tsunami dia tsy miresaka malalaka ny olona satria hiteraka tahotra izany. Tsara taiza sy manara-dalàna ny olona, dia tsy ilaina izany manakorontana izany.

Ny tatitra farany mikasika ny loza no nahafantarana fa nitovy tamin'ny zava-niseho tao amin'ny Nosy Three Mile tamin'ny 1979 ity loza ity… Izany hoe “baomba nipoaka” tsy nankany ivelany tahaka ny an'ny Chernobyl fa tao anatiny ihany…

[…]

Voalaza fa tafakatra dingana faha-4 amin'ny maripandrefesan'ny[INES] izay 0 hatramin'ny 7 iny loza iny. Ny an'ny Three Mile Island nahatratra 5, avy eo 7… kanefa tsy horesahantsika eto ny ratsy indrindra dia i Chernobyl izay nahatratra 7.

LJ fantatra amin'ny hoe astarot-reload nandefa sarintany sy sary ary rohy mankany amin'ny vaovao mikasika an'i Fukushima-1 ary nanoratra izao [UKR]:

[…] Таки є там радіаційне зараження зі слів Японської влади. […]в країні землетрусів 55 реакторів…

повернемось до новин: новини пагані – системи охолодження на деяких реакторах вийшли з ладу, інженери качають в ті реактори морську воду.. тобто варто очікувати більш серьозних викідів радіації..[…] Землетрус – Цунамі – ядерне зараження.. кожний раз здавалось куди вже щє. […]

[…] Noho izany, misy ny fanapoizinana radiolojika araka ny nambaran'ny manam-pahefana Japoney… Any amin'ity firenena misy horohorontany ity dia misy fitaovana mpamokatra angovo 55…

Fa aleo hiverina amin'ny vaovao isika: [ratsy] ny vaovao – simba ny fomba fampangatsiahana any amin'ny fitaovana mpamokatra angovo sasany, manala ny ranomasina tafiditra ao anatiny ny injeniera ankehitriny… midika izany fa mety hisy ny fivoahan'ny taratra nokleary aty ivelany… […] Horohorontany– Tsunami- fanapoizinana avy amin'ny taratra nokleary… Isaky ny mieritreritra izany dia ohatry ny tsy misy zavatra ratsy tahaka izany. […]

Mpiserasera twitter maro no nanamarika fa zava-baovao i Chernobyl tamin'izany ary naneho hevitra momba ny fitoviana misy teo amin'ireo loza roa.

@Misterio_SS nanoratra izao [UKR]:

Чорнобиль в трендi. Невже в #Japan справдi все так погано?

Zava-baovao i Chernobyl. Tena ratsy tokoa ve ny zava-misy any #Japan ?

@2X_ nanoratra ity [UKR]:

@spotko всі так перелякались землетрусу, цунамі і апокаліпсу що вже і Чорнобиль згадали #Ukraine #Japan #Chernobyl

@spotko matahotra horohorontany, tsunami ary fara-andro ny olona rehetra ary tadidy i  #Ukraine #Japan #Chernobyl

@antiolya nanoratra izao [UKR]:

Привіт японський “чорнобиль”. В СРСР спочатку теж казали, що нічого серйозного у вибусі АЕС не буде.

Arahaba ry “Chernobyl” japoney. Tamin'ny voalohany koa tany URSS dia nolazaina fa tsy misy atahorana ny fipoahana nokleary.

@serg_lukyan nanoratra ity [UKR]:

@dvrnd Цілком може бути, що для ядерної енергетики японські події стануть ударом, страшнішим за Чорнобиль. В сенсі громадських настроїв.

@dvrnd raha araka ny zavamisy dia mety ho ratsiratsy kokoa noho i Chernobyl ny voka-dratsy naterak'ity fipoahana nokleary tany Japana ity. raha ny hevitry ny olona no jerena.

Ilay praiministra tany Okraina taloha sady mpitarika ny mpanohitra Yulia Tymoshenko (@Yulia Tymoshenko) nanoratra izao [UKR]:

@kino4ka Я стежу за ситуацією в Японії.Ми знаємо, яка це велика біда (Чорнобиль).Слава Богу, реактор цілий. До Токіо всього 20 км.

@kino4ka narahako ny toe-draharaha tany Japana. Fantatsika tsara hoe tahaka ny ahoana ny fahasimbana aterany (Chernobyl). Isaorana Andriamanitra fa tsy voakitika ny fitaovana mpamokatra angovo. 20 Km miala an'i Tokyo fotsiny no misy azy.

Ilay mpanao gazety sady mpitoraka bilaogy Kyrylo Lukerenko nanoratra ity [UKR]:

За 25 років після Чорнобиля ми встигли звикнути до виключності нашого нещастя. Пережите лихо в очах багатьох навіть певною мірою виправдовувало довгі роки наших економічних труднощів і безбарвний побут багатьох наших співвітчизників.

Тепер у нас все менше підстав вважати наше горе унікальними, таким що і надалі заслуговує на співчуття цілого світу.

Крім того, ми просто звикли до Чорнобиля, а події у Японії знову нагадують усім нам про його небезпеку: зокрема і про те, що через 25 років після катастрофи на ЧАЕС над зруйнованим реактором не існує надійного укриття, яке б убезпечило витоки радіації назовні. […]

До чого я веду – як воно буде далі невідомо, але якщо зведення нового саркофага над ЧАЕС дійсно настільки потрібне, як нас переконують, то ставитися до нього треба навіть з більшим ентузіазмом, ніж до підготовки до Євро-2012.

Nandritra ny 25 taona taorian'ny nipoahan'ny Chernobyl izao dia efa zatra miaina amin'ny alahelo isika. Ho an'ny sasany, dia hita amin'ny fiainana andavanandron'ny mpiray tanindrazana amintsika ny hamafin'ny fahavoazana nandritra izany taona maro izany.

Ankehitriny dia tsy manana zo hieritreritra intsony isika hoe isika irery no nihara-pahavoazana, tahaka ny miandry fitserana avy amin'izao tontolo izao foana.

Efa zatra ny Chernobyl isika, ary ny zavamisy any Japana dia mamerina amintsika indray ny loza aterak'izany : ny tena miavaka dia 25 taona aty aorian'ny fipoahan'ny Chernobyl dia mbola tsy hita foana izay fomba hanapenana ny fiparitahan'ny taratra nokleary navoakany. […]

Ny zavatra tiako hambara dia izao – mbola manjavozavo hatreto ny mety ho fivoarana, kanefa raha raisitsika ho zava-dehibe ny fanamboarana [sarony vaovao manodidina an'ny Chernobyl] handresena lahatra antsika, dia tokony horaisintsika amin'ny hafanam-po tokoa izany manoatra noho ny fikarakarantsika ny Euro 2012 [UEFA Fiadiana izay ho tompon-dakan'i Eoropa amin'ny baolina kitra].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.