Côte d'Ivoire: Facebook sy Twitter, Mpitondra ny hafatr’ Ifahafatesana

Niharatsy haingana dia haingana [fr]ny toe-draharaha politika any Cote d'Ivoire ifanandrinan'ny mpitarika roa tonta, Laurent Gbagbo sy Alassane Ouattara – samy milaza ho nandresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny Desambra.

Raha hita mbola sahirana mifantoka amina krizy mihoatra ny iray ny haino aman-jery iraisampirenena amin'ity tadio politika any amin'ny faritra Afovoany Atsinanana sy Afrika [avaratra sy ny zavamisy any Japana amin'ny fotoana andikana ny lahatsoratra] dia mahare ny mety hisian'ny ady an-trano any Côte d’Ivoire ny Firenena Mikambana.

Tamin'ny Alakamisy 3 marsa ny vondro-tafika lazaina ho miara-dia amin'ny filoha Laurent Gbagbo dia nitifitra nahafaty vehivavy fito manohana ny filoha voafidy Alassane Ouattara nandritra ny fihetsiketsehana iray, ary naharatrana olona 101 hafa tao an-drenivohitra Abidjan.

Voatatitra [fr] any amin'ny facebook-ny tsirairay avy any sy Twitter any ny fisiana gidragidra sy karazam-panentanana hihaza ny vahiny any Cote d'Ivoire, izay hita amin'ny alalan'ny fampitahoana sy ny tenifototra #civ2010 (nampisaina tamin'ny fifidianana filoham-pirenena).

Fihetsiketsehan ny tanora mpanohana an i Gbagbo manakaiky ny Golf Hotel izay ialofan i Alassane Ouattara ao Abidjan (25/01/2011)

Indreto misy ohatra roa. Taoriana kely monja ny nanafihana ny moskea tany Côte d'Ivoire ny 25 Febroary 2011, Aïko-Lala Méïta, zanaka vavin'i Mamadou Ben Soumahoro izay manondro ny tenany ho “mpikambana tsy miankina ao amin'ny Antenimieram-pirenena” [fr] sady mpanao petrakevitra momba ny ivoirité (PDF), no nanoratra tao amin'ny rindrina Facebook-ny[fr]:

les gars, surveillez vous. surveillez vos voisins. ils ont décidé d'attaquer partout après la prière de 13 heures. avertissez qui vous pouvez. les groupes d'autodéfense, le CRAC [cercle révolutionnaire d'action concrète], ce message est pour vous. réunissez vous. on va s'amuser, aujourd'hui.

Araho maso ry zalahy. Araho maso ny mpifanolobodirindrina aminareo. Nanapa-kevitra ny hanafika na aiza na aiza ry zareo aorian'ny vavaka amin'ny iray ora atoandro. Ampitandremo avokoa izay tratra antso. ny [karazana] andrimasom-pokonolona, ny CRAC [Faribolana Revolisionera manao asa mivaingana], ho anareo ity hafatra ity. Mivoria. Hanala azy isika anio.

les gars, surveillez vous. surveillez vos voisins. ils ont décidé d'attaquer partout après la prière de 13 heures. avertissez qui vous pouvez. les groupes d'autodéfense, le CRAC [cercle révolutionnaire d'action concrète], ce message est pour vous. réunissez vous. on va s'amuser, aujourd'hui.

Guy Narcisse Takri nanoratra tao amin'ny Facebook-ny ny 28 Febroary 2011 [fr]:

les gras, avec l'heure ki est grave changeons de methode Info confirmes. Ce sont des soldats burkinabes et senegalais (corps d'assaillants tues) qui combattent a abobo contre nos FDS et qui saccagent tout faites remonter l'info dans nos millie..ux pour qu'on mette la pression sur leurs ressortissants. Au prochains mort chez nous leurs ressortissants plient bagages. Comme quand l'ecomog etait annonce doit etre valable pour les pays qui ont finalement donne des soldats pour venir tuer ici. Ces inacceptables que des burkinabes et senegalais a qui nous avons gites et couverts et qui font fortune chez nous tuent nos gars et sacagent tout. c'est innaceptable et n'acceptons ca. Cette entreprise ne doit plus prosperer. Au les coeurs

Mihasarotra ny raharaha ry zalahy ka ovay ny fika voamarina ny vaovao. Miaramila Senegaly sy Burkinabe (mpanafika) no miady amin'ny FDS-ntsika ary mandroba, apariaho ny vaovao any amin'ny vondrona misy antsika mba hanerena ny olona avy any [amin'ireo mpanafika]. Raha vao misy maty ny avy aty amintsika dia mody avy hatrany ireo. Izany nolazain'ny ECOMOG dia ampiharina ihany koa amin'ny firenena mandefa miaramila hamono olona aty. Tsy azo ekena raha ny Senegaly sy ny Burkinabe izay nomentsika fonenana sy sakafo ary nahazo harena aty amintsika no hamono sy olotsika sy handroba. Tsy azo ekena izany ary tsy ho ekentsika. Tsy tokony hiroborobo intsony io orinasa io. Miarahaba ny mahery fo

les gras, avec l'heure ki est grave changeons de methode Info confirmes. Ce sont des soldats burkinabes et senegalais (corps d'assaillants tues) qui combattent a abobo contre nos FDS et qui saccagent tout faites remonter l'info dans nos millie..ux pour qu'on mette la pression sur leurs ressortissants. Au prochains mort chez nous leurs ressortissants plient bagages. Comme quand l'ecomog etait annonce doit etre valable pour les pays qui ont finalement donne des soldats pour venir tuer ici. Ces inacceptables que des burkinabes et senegalais a qui nous avons gites et couverts et qui font fortune chez nous tuent nos gars et sacagent tout. c'est innaceptable et n'acceptons ca. Cette entreprise ne doit plus prosperer. Au les coeurs

Ny andro manaraka dia voaroba ny toera-pivarotana tantanin'ny Senegaly Ismaël Ba, Mamadou Barroh ankoatra ny hafa.

Navadiky ny ‘Tanora Tia Tanindrazana’ anarana ahafantarana ny tanora mpanohana ny filoha Gbagbo, tahaka ny Patriotes Invisibles [fr] ohatra, dia namadika ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook ho privé; raha miasa dia miasa tokoa ny Twitter-ny hafa tahaka ny an'i @MossiDramane mampiasa solon'anarana maro.

Na dia natao nakotroka aza ny sioka antserasera hahatongavan'ny solontenan'ny CNN Anderson Cooper ho any Côte d'Ivoire dia tsy mbola nanitsaka ny tanin'ilay firenena ihany ny tongony. Hita mandritra ny resaka ao amin'ny #CIV2010 ihany ny fanontaniana hoe: Afa-miatrika krizy mihoatra ny iray indray maka ve ny Fiarahamonina Iraisampirenena?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.