Japana: Tahotra any Fukushima

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Horohorontany Japana 2011 ity lahatsoratra ity.

Ny andro taorian'ny nandonan'ilay horohoron-tany manana tanjaka 8.9 an'i Japana, nisy fipoahana tao amin'ny Ozinina Famokarana Hery Nokleary any Fukushima Daiichi, 150 miles Avaratr'i Tokyo, dia sady nahatonga tahotra sy fikorontanan-kevitra tao amin'ny aterineto mikasika ny zavatra mety hitranga manaraka. Hatreto, voalaza fa tsy naninona ireo fitaovana nokleary, ary voafehy ny taratra ratsy indrindra. Kanefa, an'arivony ireo mponina hafindra monina avy any amin'ireo faritra manodidina ireo ozinina roa famokarana hery nokleary any amin'ny Prefektioran'i Fukushima. Maro ireo fampitahàna natao tamin'ilay loza Chernobyl tany URSS tamin'ny 1986, nefa mbola tsy voafaritra tsara ny halehiben'ny fahasimbana mety hisy any Japana na ny isan'ireo aina afoy amin'izany. Ho tondro fampahafantarana ny ahiahy, ny iray amin'ireo tenifototra vaovao farany dia ny #save_fukushima.

Distance from Fukushima on map of Japan

Ny elanelana amin'i Fukushima an-tsaritany ao amin'ny saritanin'i Japana ao amin'ny Google Earth – nozarain'i bizenjirapid213 tamin'ny Twitpic

Tahotra any Fukushima

Ireo mponina ao anatin'ny ozinina any Fukushima sy ireo monina eny akaikiny indrindra no tena miatrika loza goavana. Ao amin'ny Twitter, misy hafatra maro maneho fanohanana sy ahiahy.

@take_c: 福島原発で、必死で戦う現場作業員に敬意を払う。家族も恋人もいるだろうに、自分の家も被害を受けているだろうに。爆発・被爆の恐怖とも戦いながら、必死で戦う現場作業員に、敬意を。

@take_c: Manaja ireo mpiasa ao amin'ny Osinina Famokarana Hery Nokleary ao Fukushima aho, izay miady amin'izany amin'ny ain-dry zareo manontolo. Manana olon-tiana sy fianakaviana izy ireny, ary ny fonenany koa tsy maintsy simba ihany koa. Ny haja ambony indrindra no atolotro ho an'ireo izay any an-toerana, mandresy ny tahotra ny fipoahana sy ny fiantraikan'ny taratra nokleary.

@Soc214:友 達のご主人がここの制御にあたるため福島向かったらしい…着いてないと良いな…不謹慎だけど知り合いが危険な所に居ない事だけをまず祈ってしまう…。とり あえずテレビ報道下手すぎて状況分からず… 新聞はスピード面で大敗を期す模様。私は無力~ㅜㅜㅜ

@Soc214: Nankany Fukushima ny vadin'ny namako iray mba hanampy. Manantena aho fa mbola tsy nanao izany izy. Fantatro fa tsy fitandremana izany kanefa dia mivavaka aho aloha mba tsy ho any amina toerana mampidi-doza ny olona fantatro. Ratsy be ny sary alefan'ny fahitalavitra hany ka tsy fantatray mazava ny zava-mitranga. Tena taraiky be ny gazety mikasika izany. Tsy misy hery intsony aho…

Mami (まみ), mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo, nitoraka tweet avy any Fukushima milaza fa fadiranovana izy:

@mamionbiscuit: 福島です。怖いです。もうやだ。どうして原発なんかあるの?どうして福島にあるの?ひとが作った物なのに、ひとが安全を確保できない物なんて必要ないよ。悲しいことが増えるだけ。なんもいいことないよ。ほんと怖い。怖いよ。

@mamionbiscuit: Aty Fukushima aho. Fadiranovana. Ampy tena ampy izay. Maninona isika no manana ozinina famokarana hery nokleary? Maninona no aty Fukushima? Tsy mila zavatra vita avy amin'ny tànan'olombelona nefa tsy hainy harovana isika. Mampitombo ny fahoriana fotsiny izany. Tsy manao zavatra tsara na inona na inona . Tena fadiranovana. Fadiranovana.

Azontsika inoana ve ny vaovao?

Ny Zoma, andro nisian'ilay horohoron-tany, zara raha nanonona ireo ozinina famokarana hery nokleary ireo vaovao tamin'ny fahitalavitra. Ao amin'ny aterineto, sady nisy hevitra mihazohazo sy tsaho marobe. Maro ireo mponina miahiahy fa tsy mandre ny tena marina rehetra avy amin'ny Governemanta, izay mety milalao loza roa mba hialana amin'ny fisavorovorona sy ny fanamelohana. Ny Sabotsy, namoaka baiko hamindrana ireo mponina mipetraka 20 km manodidina ny ozinina any Fukushima ny governemanta.

Ao amin'ny Twitter, Takeshi Funyu (@tksfn) manontany tena hoe sao misy vaovao afenin'ny governemanta.

@tksfn: 実家があるいわき市勿来の母とまだ直接話せてはいないが、姪っ子のメールで安否確認はできた。しかし次に福島原発の危険性も出てきた。政府の情報開示に疑問だな。

@tksfn: Tsy afaka niresaka tamin'ny reniko any an-tanànan'Iwaki, nefa nifanakalo mailaka tamin'ny zanaky ny iray tampo tamiko aho ary nanamarina fa tsy naninona izy ireo. Amin'izao fotoana izao dia mihaino ireo vaovao momba ny loza any amin'ny Ozinina Nokleary any Fukushima izahay. Manana ahiahy aho mikasika ny fomba fandrindran'ny Governemanta ny fanapariaham-baovao.

@yyyhonda: 福島原発の問題は、世界が注目しているから政府もさすがに情報隠蔽はできないだろう。 本気で情報が収集出来てないとしたら、それはそれで大問題だが…

@yyyhonda: Mifantoka amin'ny Ozinina Famokarana hery nokleary any Fukushima daholo izao tontolo izao, noho izany dia tsy afaka hanafina ireo vaovao rehetra ny Governemanta . Raha tena manana fahasarotana izy ireo amin'ny fanangonana vaovao, dia tena olana goavana tokoa izany….

Ny toro-hevitra amin'ny fomba hikarakarana ny ffipariahan'ny taratra dia noharina tamin'ny fitsaboana tazon-kahitra tao amin'ny fahitalavitra NHK, hoy i @ydme286.

@ydme286:(福島原発)NHK等で出てる注意事項を覚えきれないという方がいたら「花粉症の時みたいに」と考えてみて下さい。なるべく屋内、マスクする、家に入る時は衣服を払う、手・顔を洗う等、実際にやる事は花粉症の人が普段する行動と結構似ています。#save_fukushima

@ydme286: [Ozinina mpamokatra hery noleary any Fukushima] Raha tery ara-potoana ianao  hitadidy ny fampitandremana nomen'ny NHK [TV], eritrereto ho tahaka ny “‘tazon-kahitra” izany. Miezaha mijanona ao anatiny, manaova saron-tava, borosio ny akanjonao rehefa hiditra ny trano, sasao ny tànanao sy ny tarehinao. Jereo, ireo fepetra tokony ho raisinao ireo dia tahaka ny fepetra isanandro ataon'ny olona voan'ny tazon-kahitra.

Antso fitoniana

Maro ireo manentana ny mponina tsy hanaparitaka tsaho sy hampitombo ny fisavorovoroana.

@marquee77: 福島第一原発のニュース、正式発表があるまで、ツイートを控えましょう。不安をあおるばかりで、何の益もありません。

@marquee77:Mandra-pahazoantsika vaovao ofisialy mikasika ny Ozinina 1
Famokarana Hery Nokleary any Fukushima, ndeha haato ny famoahana tweet honohono. Hampitombo ny tahotra fotsiny izany ary tsy misy zava-tsoa azo avy aminy.

@PABUR0216: 僕個人の考えでは原発の爆発は天災だと思っています。誰が悪いなんてありません。twitterだからこそ自分の発言には責任を持つことが必要だと思います。

@PABUR0216: Raha ny hevitro, loza voajanahary ilay fipoahana tany amin'ny Ozinina Famokarana Hery Nokleary. Tsy fahadisoan'iza na iza izany. Mihevitra aho fa ilaina ny fandraisana andraikitra amin'ny zavatra teneninao ao amin'ny twitter.

Haraho ao amin'ny Twitter izahay

Maro ireo mpamoaka sy mpanoratra lahatsoratra ao amin'ny Global Voices no mipetraka any Japana ary misy vitsivitsy manoratra fanavaozana vaovao tsy tapaka momba ny taorian'ilay horohorontany ao amin'ny Twitter. Afaka harahinao ao amin’ ity lisitra Twitter ity izy rehetra.

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Horohorontany Japana 2011 ity lahatsoratra ity.

Tomomi Sasaki no nandika ireo tweets tao anatin'ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.