Horohorontany mahery vaika indrindra teo amin'ny tantaran'i Japana

Ny Zoma 11 martsa 2011 tamin'ny 2:46:23 hariva (ora any an-toerana), horohorontany  8.9 amin'ny maridrefin'ny fihovitry ny tany no namely an'i Japana, horohorontany mahery vaika indrindra teo amin'ny tantaran'i Japana.

Indreto fitaovana  an-tserasera sasany izay nampiasan'ny olona hifandraisana sy hanomezana vaovao:

Namorona ny tenifototra ny tontolon'ny Twitter Japoney #sendai sy#jishin. #prayforjapan no nampiasaina mba andefasana vavaka  any amin'ny tontolon'ny Twitter miteny anglisy.

Olona maro ao amin'ny Twitter no niezaka nitony ary nizara torohevitra, izay nifantoka indrindra tamin'ireo horohorontany efa niainana toy ny Horohorontany Lehibe tao Hanshin na ny Horohorontany tany Chuetsu.

@asahi_chousa:

【拡散希望】電気屋さんからの忠告!です。 ただ今地震で停電している地帯の方はブレーカーを全て落として下さい。通電されたら小さなブレーカーを一つづつ入れて下さい。漏電ブレーカーが落ちるようでしたら、無理に入れず、電気事業者等に連絡をとって下さい。漏電による火災を防ぎましょう。

Azafady, Aelezo ny vaovao! Soso-kevitra avy amin'ireo mpahaiherinaratra: raha any amin'ny faritra tapaka jiro ianao dia piho ny “disjoncteur”. Raha miverina ny jiro, alefaso tsirairay ny “disjoncteur kely”. Raha mbola mitohy ny “court-circuit”, aza  terena, fa antsoy ny mpahaiherinaratra hanampy anao. Idifio ny afo mety ho vokatry ny tariby mihanjaka (herinaratra).

@take23asn:

@take23asn 【タンスの下敷きになった人を助ける方法】タンスが頑丈なのは全面と上部、側面だけ。背の面は薄い板でできている。その薄い板を蹴破り、そこからすべての引き出しを抜き取る。そうすれば簡単にタンスを解体できる。

@take23asn “ahoana no hiarovana ireo olona voatsindrin'ny lalimoara:  Ny sisiny efatra, ny ambany, ny ambonin'ilay lalimoara dia vita amin'ny hazo mafy tsara avokoa. Fa ny aoriana kosa vita amin'ny solaitra manify. Araka izany dia dakao ary vakio ny solaitra manify aoriana mba ahafahana manala ny vatasarihana ary sarasaraho mora ilay fanaka.

@Grpa_Horiuch:

【 緊急 】 手話が必要な方に教えて上げてください。「目で聴くテレビ」でNHKのニュースに手話をつけて放送中。このURLから「緊急災害放送」をクリックしてください。 http://t.co/KQPhc1r #jishin #NHK

[Maika] Atsangano ny tanan'ireo izay mila mpandika teny baiko moana azafady . Tsindrio ny  http://t.co/KQPhc1r ary jereo ny vaovaon'ny NHK  “Henoy amin'ny masonao ny fandaharana ao amin'ny TV.”

@hibijun:

FMわぃわぃは多言語で地震・災害情報を放送中。インターネットでも聴けます。http://bit.ly/eaV16I%20 在日外国人の皆さんに伝えてください。 #saigai#eqjp #earthquake

Mandefa vaovao momba ny horohorontany ny radio mampiasa fiteny isan-karazany FM wai-wai (simulradio) . Afaka mihaino amin'ny alalan'ny aterineto  ianao: http://bit.ly/eaV16I%20 Alefaso ny hafatra ho an'ireo vahiny ao Japana azafady.

@kuilne

iPhoneの電池を少しでも長持ちさせる方法。
1.wifiを切る
2.位置情報サービスを切る
3.通知サービスを切る
4.Bluetoothを切る
5.画面の明るさを一番暗くする
6.余計なアプリを切る

Hitsitsy ny mpiteraka angovon'aratra (batterie) ny Iphone 1) Mamono ny wifi 2) Mamono ny  GPS 3) Mamono ny  fanondroana hotsindrina (push notifications) 4) Mamono Bluetooth 5) Mampihena ny hazavan'ny efijery (écran) 6) Mamono ny fampiharana tsy ilaina.

@Tranquil_Dragon ao Sendai, nandefa ny pikantsary tanefijery (capture d'écran) i Miyagi Prefectiora:

@wanchan11 nandefa sary nalaina tao amin'ny seranan'i Sendai izay dibo-drano:

Horonan-tsary vitsivitsy tany Tokyo:

Fisaorana lehibe ho any ekipan'ny GV (Global Voices)  Japana izay nanambatra ny heriny nandritra ny horohorontany mba hiara-hiasa amin'ny fandikana ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.