Maraoka: Mankalaza ny andron'ny vehivavy

Ny vehivavy maraokana, tahaka ireo vehivavy rehetra maneran-tany dia mankalaza koa ny faha-100 taonan'ny andron'ny vehivavy. Teo anivon'ny fiarahamonim-pirenena dia efa hatramin'ny ela izy ireo no niady hanana fiainana mendrika sy tsaratsara kokoa. Ary satria mbola mitohy hatrany ny “tazon”ny fahafahana andrandraina avy amin'ny “Fanoheran'ny Arabo” manerana ny ilany andrefana sy avaratry Afrika, dia anisan'ny nidina an-dalambe koa ny vehivavy maraokana, mampitovy zo eo amin'ny lahy sy ny vavy, ary ny manala ny fanjakazakana amin'ny vehivavy koa dia tafiditra ao amin'ny fandaharam-potoan'ny fanovana .

Tamin'ny 2004, namaly ny antso tsy misy farany nataon'ny fiarahamonim-pirenena ny fanjakana maraokana tamin'ny alalan'ny famoahana lalàna natao hanomezan-danja kokoa ny fanentanana manodidina ny zon'ny vehivavy sy ny hanomezana azy ireo fahefana ara-politika sy ara-ekonomika.  Fito taona taorian'ny nanaovana ny Moudawana, na ny Lalànan'ny Fianakaviana, dia maro no mahatsapa fa tsy misy fanatsarana loatra ny toerana misy ny vehivavy eo anivon'ny fiaraha-monina. Toe-javatra nampalahelo namoizana ain'olona no tsaroana raha momba ny zava-misy marina mampatahotra satria vehivavy renim-pianakaviana iray, tokan-tena, Fadoua Laroui, no namono tena teny amin'ny toerana be olona ny tapaky ny volana febroary lasa teo raha nanohitra ny zavatra mampalahelo iainany ao aamin'ny fiaraha-monina.

Vehivavy maro no nilahatra an-dalambe androany ary nisy ny fiareta-tory nokarakaraina hahatsiarovana an'i Fadoua Laroui tao afovoan'i Casablanca, tanàna lehibe indrindra manerana ny firenena, ary avy any no nandefasan'i  Feryate Mahjoub ireto sary ireto ao amin'nyTwitter:

@Feryate: كلنا فداء فدوى الشهيدة http://twitpic.com/47jazi

Vonona izahay rehetra ho faty noho i Fadoua maty maritiora http://twitpic.com/47jazi

Jiro ho tsiaro an i Fadoua Laroui

@Feryate: صورة من الوقفة التضامنية مع فدوى العروي بالبيضاء

@Feryate: Sary nampiseho ny hetsika ho fahatsiarovana an'i Fadoua Laroui tao Casablanca

Hetsika fahatsiarovana an 'i Fadoua Laroui

Feryate koa nandefa ity sary ity nalaina nandritra izany fotoana izany ihany, sary mampiseho vehivavy (sy lehilahy) milanja sora-baventy misy ny fitakian'izy ireo:

Fitoviana sy Fifandanjana ho an ny vehivavy

Ao amin'ny tontolon'ny bilaogy maraokana, mpitoraka bilaogy lahy sy vavy maro no naneho hevitra momba ny Andron'ny Vehivavy Eran-tany.

Marrokia (Sanaa) no anankiray amin'ny mpitoraka bilaogy maraokana fantatr'olona. Manana izao fitsipika izao izy ary nozarainy:

لا تبحثي أبدا عن المساواة، واستجدي العدل إن وجدته. ابحثي عنه في ذاتك ولا تطمعي إلا في راحة بال تكتفين بها. وكفاكِ هتافات ونداءات ساخرة… فالمرأة مرأة والرجل رجل.

[vehivavy] tsy miady ho amin'ny fitovian-jo mihitsy, fa mangataka hisian'ny fahamarinana fotsiny. Diniho tsara ny tenanao ary aleo mionona amin'ny filaminan-tsaina. Be izay sora-baventy sy fitakiana tsy nisy vokany izay… Vehivavy vehivavy ihany ary ny lehilahy koa lehilahy ihany…

Aghrass mpaka sary sady mpitoraka bilaogy. Manoratra izy:

Cette journée est à dédier a Fadoua Laroui qui pour des raisons et d’autres s’est donnée la mort en criant son désespoir devant l’injustice des hommes et du système

Natokana ho an'i Fadoua Laroui ity andro ity. fadoua izay noho ny antony samy hafa dia namono tena satria namoy fo vokatry ny fanavakavahan'ny lehilahy sy ny rafitra mihitsy.

Citoyen Hmida nisafidy ny hanoratra momba ny mpanao sary hosodoko vehivavy maraokana. Nandefa ny sary hosodokon'ny sasany amin'izy ireny izy ao amin'ny bilaoginy. Citoyen Hmida manoratra:

En ce 8 mars, journée internationale de la femme, j’ai voulu rendre hommage à la femme marocaine, mais sans me lamenter sur son sort et sans instrumentaliser la misère profonde que vivent au quotidien une grande partie de nos concitoyennes.

Amin'izao 8 martsa izao, andron'ny vehivavy, dia te hanome voninahitra manokana ny vehivavy maraokana aho, tsy amin'ny fitarainako amin'ny zava-manjo azy ireo na amin'ny fandoarana indray ny fahantrana lalina iainan'ny ankamaroan'izy ireo andavanandro.

Ao amin'nyTwitter, Meriem (@meriemk) faly ery. Hoy izy:

@meriemk: Aty Maraoka, amin'izao #andron'ny vehivavy izao, tsy mandoa vola ny vehivavy raha hijery sarimihetsika! lol

Tsy mandoa vola koa ny vehivavy raha handeha hijery teatra androany manerana an'i Maraoka. Tratry ny andron'ny vehivavy daholo!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.