Côte d'Ivoire: Inona no vahaolana amin'ny krizy taorian'ny fifidianana?

Tsy misy fiovana mihitsy ny krizy iainan'i Côte d'Ivoire taorian'ny fifidianna filoham-pirenena fihodinana faharoa natao ny 28 novambra 2010 izay nifanandrinan'i Laurent Gbagbo sy i Alassane Ouattara izay samy milaza fa nandresy.  Misesisesy ny trangan-javatra tsy ampoizina [fr] , ary tahaka ny tsy hisy vahaolana mihitsy izany.

Ohatry ny hijanona eo anelanelan'ny fandriampahalemana mbola marefo sy ny ady misokatra ny krizy manan-tantara any Côte d'Ivoire. Efa niandry efatra taona talohan'ny fifidianana filoham-pirenena vao vita ny fifanaovan-tsonia teo amin'i Filoha Laurent Gbagbo sy ny Hery Vaovao momba ny Fifanarahana fandriampahalemana tao Ouagadougou. Nandritra izany fotoana izany dia niaina teo ambanin'ny fizarazarana i Côte d'Ivoire.

Fandoroana fitaovam-piadiana : finiavana tsy hampiasa fitaovam-piadiana tamin'ny 2007 tao Bouke, CI. UN saripika/Basil Zoma Flickr (CC-NC-ND)

Fandoroana fitaovam-piadiana : finiavana amin'ny tsy fampiasana fitaovam-piadiana tamin'ny 2007 tao Bouke, CI. UN sary/Basil Zoma ao amin'ny Flickr (CC-NC-ND)

Miteraka fiakaran'ny taha amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ity krizy any an-toerana ity. Mandritra izany rehetra izany anefa dia tsy mitsahatra mitady vahaolana ireo mpanelanelana avy ao amin'ny Fiombonam-be Afrikana tarihan'ny filoham-pirenena dimy. Voatantara ao amin'ny twitter ny herisetra tsy mitsaha-mitombo ataon'ny “Tanora tia tanindrazana” mpanara-dia an'i Gbagbo.

Jeanette Mallet

@jeanettemallet: #Gbagbo “Tanora tia tanindrazana” mampihorohoro ny mponina ao #Abidjan #IvoryCoast #civ2010 http://ow.ly/48dFD avy amin'nyFrance24

Hita ao amin'ny twitter ny zavatra iainan'ny ivoariana tamin'ny alalan'ireo fanehoa-kevitra nanoloana ny famonoana vehivavy fito tao an-tanànan'i Abobo tamin'ny 03 martsa, tahaka ny nataon'ny mpiambina an'i Gbagbo. Manoloana izany, ny mpanohana an'i Gbagbo, arahan'ny mpitarika ao amin'ny tafika sy ny fahitalavitra, miseho ho tsy mahalala ny zava-misy ary manilika ny andraikitra amin'ny mpanara-dia an'i Ouattara atao hoe “Kômandô tsy hita maso”.

Endrika roa tsy mitovy

Claudus Kouadio nandefa lahatsary navoakan'ny RTI ary miahiahy ny mpanara-dia an'i Ouatarra:

Claudus Kouadio

@ClaudusIvoire: #civ2010 Diaben'ny vehivavy tao Abobo: Mpanara-dia an'i Ouattara mirongo fiadiana- Abidjan.net Vidéo http://t.co/LDxiuo9 via @abidjan_net

Novalian'i Dignity Quest teo no ho teo ihany izy, ivoariana hafa izay nandefa rohy nahitana ny lahatsary tena izy nandritra ny famonoana ireo vehivavy ireo.

Dignity QUEST

@ivoryunite: @ClaudusIvoire diaben'ny vehivavy tao Abobo, latsaka ao anatin'ny fandriky ny RTI ianao. Ity ny sary mihetsika tena izy: http://bit.ly/eo4rEF #civ2010

Ao anatin'izany fifandirana tsy misy farany iainan'ny roa tonta izany dia tsy manadino ny tena tanjona kendreny ny “filoha” anankiroa : manala ilay anankiray resy tamin'ny fifidianana. Ny mpanara-dia an'i Gbagbo mangataka an'i Ouattara hanaiky ny fahareseny ka hipetraka amin'izay. Araka ny lazain'i Greg Parlour :

Greg Parlour

@gregoryparlour: @tommymiles Nahoana no tsy manaiky ny fahareseny i ADO, sarotra ve izany? Resy izy dia ampy izay, mahafantatra izahay ivoariana fa resy izy!! #civ2010

Ireo mpanara-dia an'i Ouattara kosa etsy ankilany, mangataka an'i Laurent Gbagbo hanaiky tsotra fotsiny fa resin'i Ouattara izy tamin'ny fifidianana. Ado Gerard K. namaly ny mpanohana an'i Gbagbo iray tao amin'ny twitter:

Ado Gerard K.

@nightsnake1975: @mouayoro #civ2010 Et pkoi ne pas commencer a essayer de faire comprendre a GBAGBO qu'il a perdu les elections ?

@nightsnake1975: @mouayoro #civ2010 Nahoana raha manaiky i GBAGBO  fa resy tamin'ny fifidianana izy?

@Fresco68, ivoariana hafa koa tao amin'ny twitter, mpankasitraka an'i Alassane Ouattara mametraka fanontaniana amin'i Laurent Gbagbo mikasika ny fihetsiny taorian'ny fahareseny.

ALERTE CHRONO

@Fresco68: #civ2010 Tu dis tu es fils d'élection. Battu aux élections, tu veux faire la guerre. Toi-même tu es qui maintenant ? On doit retenir quoi?

#civ2010 – Milaza ianao fa zanaky ny fifidianana. Resy tamin'ny fifidianana, mila ady ianao. Iza marina moa ianao io? Inona no tokony horaisinay avy aminao?

Vahaolana fahatelo?

Mitsipaka ny fanohanana ny filoha itsy na i zaroa dia manolotra vahaolana fahatelo ny mpitoraka bilaogy ivoariana: ny fandehanan'i Ouattara sy Gbagbo sy ny fahatongavan'ny olona fahatelo: Mamadou Koulibaly.

Koulibaly ankehitriny no filohan'ny andrim-panjakana mpanao lalàna sady filoha lefitry ny Front Populaire Ivoirien (antokon'ny filoha Gbagbo). Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Ary raha vahantsika amin'ny alalan'ity varavarana ity ny krizy?” ao amin'ny bilaogy Le Blog de Yoro manolotra hevitra:

Les médiations ont quasi échoué. Le Panel des Chefs est d’Etat est obligé de jouer les prolongations parce que le match est difficile. La fin semble infernale. Jamais en Côte d’Ivoire on n'avait atteint un tel niveau de violence. Jamais on n’avait été aussi divisé. JAMAIS ! Aujourd’hui, ce n’est plus le Nord contre le Sud, ni les musulmans contre les chrétiens, comme veulent le faire croire les charognards. La fissure est partout. Dans les bureaux, dans les communautés, dans les foyers chez les religieux. C’est grave !

Tsy mahomby ny fanelanelanana. Voatery manalava ny fe-potoana iasany foana ireo filoha mpanelanelana satria miady be ny baolina. Ohatry ny ho ratsy be ny fiafarany. mbola tsy nahitana herisetra tahaka ny hita ankehitriny taty Côte d'Ivoire hatramin'izay. Mbola tsy nizarazara ohatr'izao taty hatramin'izay. SANATRIA! Ankehitriny, tsy ny atsimo intsony no mifanandrina amin'ny avaratra, na ny silamo amin'ny kristianina, araka ny tian'ny vorona mpihinana faty hampinoana anao. Eny rehetra eny ny fizarazarana. Any amin'ny birao, eny amin'ny fiaraha-monina, any an-trano, ho an'ny mpitondra fivavahana. Tena zava-doza!

Eo am-pahitana ny fizarazarana lalina iainan'ny ivoariana sy ny fanohanana azon'ny filoha anankiroa avy amin'ny mpanohana azy avy, dia manolotra vahaolana heveriny fa mety ity mpitoraka bilaogy ity:

Le débat aujourd’hui, n’est donc plus de savoir qui a gagné et qui a perdu. Mais comment on stoppe l’hémorragie. Comment on n’arrête tout ça ? Et nous pouvons choisir de sortir par le sang ou par le bon sens. Je pense pour ma part, qu’il faut un troisième homme. Et en le disant, je pense à Mamadou Koulibaly.

Ny resaka androany dia tsy hijerena intsony hoe iza no nandresy na iza no resy. Fa ny hoe ahoana no hanajanonana ity fahaverezan-dra be ity. Inona no atao hampijanona izao zavamisy izao? Afaka mifidy isika na hivoaka amin'ny alalan'ny ra mandriaka na amin'ny alalan'ny lalana tsara. Heveriko fa, ho ahy manokana, dia ilaina ny olona fahatelo. Ary raha milaza izany aho dia mieritreritra an'i Mamadou Koulibaly.

Ho an'i Yoro, manam-pahaizana amin'ny ekonomia avy any avaratry Côte d'Ivoire ity farany ka ho afaka hampikambana ny hery velona rehetra ao amin'ny firenena ary hanambatra indray ny firenena ao anatin'ny tetezamita mandritra ny 3 taona sady hitondra fivoarana:

organiser des élections libres, justes et transparentes. Elections auxquelles il ne se présenterait pas, ni Laurent Gbagbo, ni Alassane Ouattara, ni Henri Konan Bédié, ni Guillaume Soro, ni Charles Blé Goudé.

Hikarakara fifidianana malalaka – fifidianana marina sady mangarahara. Ffifidianana tsy ahitana intsony an'i Laurent Gbagbo, Alassane Ouattara, Henri Konan Bédié, Guillaume Soro na koa Charles Blé Goudé.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.