Filipina: Ireo hevitra manoloana ny fikambanan'ny bilaogera eto an-toerana

Mandeha ny adihevitra eo anivon'ny mpitoraka bilaogy Filipina izay mikasika ny soso-kevitra hananganana ny ‘Fikambanana bilaogera eto an-toerana [nasionaly]”. Nanomboka ny 31 janoary izany  raha nanontany ny lahatsoratra iray ao amin'ny bilaogy i Janet Toral hoe “ Mankasitraka ny Fikambanan'ny bilaogera eto an-toerana ve ianareo?‘ Ny tanjon'ny fikambanana dia:

[Mba] hiara-hiasa amin'ireo mpanapa-kevitra, ny governemanta sy ny fikambanana tsy miankina , izay liana amin'ny famolavolana ny torolalana  ka hisy fiantraikany amin'ny fiombonan'ny bilaogera.

Raha navoaka izany, ireo bilaogera roa tonta, izay momba sy manohitra ny soso-kevitra dia samy nanambara ny hevitr'izy ireo tsirairay avy.

Tsara ny manamarika fa ireo izay manohana ny hevitra handrafetana ny Fikambanan'ny bilaogera eto an-toerana dia tokony hitandrina. Nanolo-kevitra i Regnard Raquedan fa izany eritreritra  izany dia tokony hodiovina ao anatin'ny fikambanan'ny “matihanina” fa tsy ny bilaogera Filipina rehetra no atao solontena:

Ity fikambanana ity dia tsy tokony hanenjika ireo bilaogera izay manao ny bilaogy ho toy ny fialam-boly sy fomba ahafahana maneho hevitra. Mazava ho azy, fa ny fikambanana dia tokony hampahafantatra ny tenany amin'ireo solontenan'ny bilaogera matihanina, fa tsy ny bilaogera rehetra. Tokony atao izany filazana izany

Mino aho fa tsy misy fikambanana na dia iray aza mahasolontena ny tontolombolongana Filipina- fa toa fanandramana ihany ny hampiseho ireo rehetra izay afaka miteny . Nefa mino aho fa ny fikambanana dia nifantoka amin'ny endriky ny blaogy, izay bilaogy matihanina sy bilaogy misy fandaharam-potoana tsara, hampahazoana fitokisana ny Bilaogy Filipina mba ho toy ny fomba fanao .

Mametraka ny fatokisany amin'ny hevitra i Bjornson Bernales fa misy ny fahendrena tamin'ny fametrahana ny fikambanana ary matoky izy fa mbola ho lava ny lalana, ary ho mazava sy voadio ny zavatra rehetra:

Mbola tsy matotra amiko ny filazana momba ny firafitry ny fikambanana bilaogera Filipina. Fa ny zavatra iray izay antenaiko dia ny faniriana ho mpikambana ao.

Manaja ny hevitr'ireo bilaogera hafa aho. Izay mahatonga ny tontolombolongana miloko manana karazana fijery sy hevitra, ary mihazona ny fifandanjan'ny yin sy ny yang.

Mbola milaza amin'ny fikambanana bilaogera Filipina aho hoe eny. Manofy ny ho lasa fanantenana feno mpanohana ireo bilaogera aho. Tsy hoe satria aho manambola sy manana fahefana. Fa satria tsapako ary miaina ny fahalavorarian'ny toe-javatra aho izay mahakasika ny bilaogera sy anisan'izy ireo.

Naka fotoana namakiana indray ny tantaran'ireo ezaka teo aloha tamin'ny fametrahana ny fikambanan'ny bilaogera amin'ny firenena hafa i Aileen Apolo – izay tsy nahomby avokoa -ary maka toerana tsy mirona amin'ny atsy na eroa:

Ka ireo sosokevitra momba ny Fikambanan'ny bilaogera eto an-toerana…tsy fantatro tsara, nefa matoky aho fa hiditra sy handray anjara amin'ny fisafidianana ny tetikasa/ ireo zavatra atao satria dia tsy nisy namokatra avokoa ireo fanandramana natao teo aloha. Fanampin'izany, ny fikambanana dia miara-miasa tokoa amin'ny olona vitsivitsy mifindrafindra  toerana (nahatsikaritra matihanaina teo an-toerana aho tamin'izany), koa ankehitriny dia tsara indraindray ny manana tombotsoa amin'ny fiaraha-miasa ny fikambanana amin'ny karazana tetikasa mba ahazoana  fitarihana bebe kokoa .

Koa, firenena malalaka izy ka manana ny safidiny ny olona tsirairay avy 🙂

Etsy andaniny, ny bilaogera izay manohitra ny fananganana ny fikambanan'ny bilaogera eto an-toerana [nasionaly] dia nivoaka mba hampiseho ny momba azy ireo.

Nandray ny hevitra tamin-kerisetra sy tamin-kasosorana i Janitor Al :

Tsy misy dikany izany satria ny famoronana izany dia mety mahatonga olana mitovy ihany izay itadiavany vahaolana indray avy eo. Ohatra amin'izany, raha nitady hanakambana ireo bilaogera izy , dia toa niharihary fa niteraka fisarahana betsaka indray izany hevitra izany . Maneso? Angamba. Hadalana? Izay no tena tiko lazaina.

…..

Amiko manokana, dia hitako somary mirentirenty ny ezaka natao. Tsia. Tsy tia fivoarana. Mirentirenty. Vinavina fotsiny mba ahafahany mitondra bilaogera an-tapitrisa ambonin'ny tapitrisa hikambana ary hanaiky izany rehareha izany.

Andeha hijery ohatra manokana, ny momba ny fisoloantena. Raha ny toe-javatra tsy miova, angamba raha misy sasany afaka misolotena ny bilaogera amin'ny andro ratsy, ny ankamaroantsika dia hiteny tsy ampihambahambana hoe , “Tsia”. Ireo bilaogera ireo dia tsy manao fihetsika ofisialy hisolotena ahy na bilaogera hafa amin'izany resaka izany .” Ary ny ankamaroan'ny tranga, dia mety toy izay no hiafaran'io zavatra io. Ampidiro ankehitriny ny tena”fikambanana” mitaky ny hisolotena antsika bilaogera rehetra. Raha ny fahatsorany izay ny ankabetsahan'ny fampitam-baovao taloha dia mbola tsy mahafantatra tsara ny tontolombolongana , ny mampatahotra eto dia ny ijeren'ny haino amanjery mahaztra ity ‘fikambanana’ ity ho mahasolotena ofisialy. Fa iza no nanome azy ireo izany zo izany?

Ny Mommy Bloggers Club dia tsy manohitra ihany ny hevitra momba ny fikambanan'ny bilaogera nasionaly fa satria mety hifanohitra ny bilaogy tena izy  miankina sy tsy miankina  , mandroso soso-kevitra mifanipaka izy:

Raha maniry hanana fikambanana hiady ny zon-tsika isika , amin'ny resaka etika, ny zon'ny mpanoratra sy ny vola miditra, tiako koa ny manolo-kevitra mba hanana Fiaraha-miasa ny Bilaogera, izay ahafahan'ny tsirairay mizara ny heviny, ny fahaizany, ary izay mety ho vola raisina. Afaka manana renivola isika  ho an'ireo bilaogera rehetra eto amin'ny firenena mba ho zaraina sy ampiasaina. Afaka manohy izay tiantsika atao, na mitoraka bilaogy, tsy misy fitsipi-pifehezana fa kosa mihatsara hatrany.

Niditra tamin'ity fihevitra ity i Ms Noemi Dado sady nanolotra safidy roa:

Raha manaiky ny fitambarana miaraka momba ny fitsipiky ny etika ho an'ny bilaogera aho, dia tsy resy lahatra amin'ny fametrahana ny fikambanan'ny bilaogera nasionaly. Isan-karazany ireo bilaogera ka mety tsy hiditra amin'ny fikambanana lehibe iray noho ny antony maro samihafa.

Mialoha ny fametrahana ny fikambanana, ny fitsipika momba ny etika dia tokony hodinihina ary ekena amin'ny fivoriana sy ny fihaonambe, ary afaka manaraka ny ambiny avy eo.

Mbola tsy tapitra ny adi-hevitra momba ny fikambanan'ny bilaogera eto an-toerana noho ny fahamaroan'ny bilaogera maka ny andaniny sy ny ankilany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.