Ejipta: Findain'i Ayman Nour nisy nangalatra sy Tweet tsy izy

Ayman Nour, izay isan'ireo nifaninana ho filoham-pirenena Ejiptianina tamin'ny taona 2005, dia nandefa ity tweet manaraka ity ny Asabotsy 5 Febroary, teo amin'ny 3 ora maraina teo ho eo:

@ayman_nour: قراري الأخير : لن أترشح لرئاسة الجمهوريه وأفضل الدكتور محمد البرادعي رئيسا للجمهوريه الفترة القادمه لأن هذه الفترة تحتاج لرجل حكيم
@ayman_nour: Ny fanapaha-kevitro farany: tsy hifaninana amin'ny fifidianana ho avy eo aho fa aleoko ny Dr. Mohammad El-Baradie no filoha fa mila lehilahy hendry ny vanim-potoana manaraka.

Iray ora taty aoriana, namoaka fanitsiana izy nilaza fa nisy nangalatra ny findainy , ary tsy izy no nandefa ilay hafatra vao haingana teo.

@ayman_nour: تصحيح لم تصدر مني أي تصريحات بشأن الترشح للانتخابات الرئاسيه من عدمه._ وألسابق نشره بفعل سرقه محمولي اليوم واستخدام اللص لحسابي في تويتر
@ayman_nour: Fanitsiana, tsy nanao fanambarana mihitsy aho mikasika ny hirotsahako na tsia amin'ny fifidianana filoham-pirenena manaraka. Ary momba ilay tweet nivoaka farany teo dia satria nisy nangalatra ny findaiko , ka nampiasain'ilay mpangalatra ny kaonty Twitterako.
Snapshot of Ayman Nour's twitter account

Sarin'i Ayman Nour

Tao aorian'ilay tweet voalohany, ary talohan'ilay faharoa, nifangaro ny fihetsehim-po ny olona tao amin'ny Twitter.

@bassem_tarek: اعلان ايمن نور عن عدم ترشحه للرئاسه زاد كتيير من اعتزازي بشخصه
@bassem_tarek: Mbola mahabe ny fankasitrahako azy ny fanapaha-kevitr'i Ayman Nour momba ny tsy hirotsahany ho filoham-piorenena.
@archsoom: قرار ايمن نور قرار وطنى محترم يضع مصلحة البلد فوق اى مصالح اخررى
@archsoom: Fitiavan-tanindrazana sy manankaja ny fanapaha-kevitri’ Ayman Nour, izay mametraka ny fitiavany ny fireneny ho ambonin'ny zava-drehetra.

Mahmoud Ibrahim, amin'ny lafiny hafa, mahita ny tweet-n'i Nour ho tsy misy ilaana azy, fa efa nampidirina an-tranomaizina ary tsy manan-jo hirotsaka intsony.

@M_ibr: هههه الداكتور ايمن نور بيقول انه لن يترشح للانتخابات ..و هيبايع البراجعي ..مع انه لو راح يقدم ورقه محدش هياخده لانه محروم من الترشح اصلا
@M_ibr: Hahaha, miteny i Nour fa tsy hirotsaka ho fidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena ary hifidy an'i El-Baradie, na dia izany aza raha te-hirotsaka izy dia tsy afaka.

Ny sasany amin'ireo mpitoraka tweet dia tsy nino ny tantaran'i Nour. Satria niteny izy fa nisy nangalatra ny findainy, kanefa ilay tweet diso dia nalefa avy amin'ny vohikalan'ny Twitter.

@aymanelhattab: @MennaGamal nahamarika ve ianao fa avy amin'ny vohikala ilay tweet voalohany no nalefa?

Tamin'izay dia nandefa tweet iray hafa manazava [Ar] indray izy fa samy nisy nangalatra daholo na ny blackberry na ny solosaina findainy.

Fanavaozana, 18:00 PM: vao avy namafa ireo tweet taloha i Ayman Nour.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.