Amman: Marika Famoronana Ho Amin'ny Fanovàna Tanatin'ny Hetsi-panoherana Tao Amman

Mbola nisy hetsi-panoherana hafa indray ny andro zoma  nitaky fanavaozana tao Jordania natao tao afovoan-tananan'i Amman androany (4 Martsa). Taorian'ny herinandro izay nahitana fahadisoam-panantenan'ny rehetra nohon'ny lahateny nataon'ilay praiministra voatendry vao haingana sy ny fanambarana tsy nahafa-po sy nandranitra nataon'ireo ministra teo aloha sy ny mpikambana tao amin'ny antenimieran-doholona, dia tamin'ny alalan'ny antso fanaingana fanavaozana sy fanovana no namalian'ny ny vahoaka sasany tao Jordania izany.

Ireto ny sasany amin'ireo sora-baventy natsangan'ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanehoan-dry zareo ny fomba fijeriny:

I want state media that represents me, not one that takes me for a ride. Photo by @KTT84

Mila haino aman-jerim-panjakana hisolo tena ahy aho , fa tsy hanambaka ahy fotsiny.
Raki-tsarin'i @KTT84

Agenda? I don't have an agenda, except for the one I bought from Istiqlal (independence) Bookstore! Photo by @KTT84

Diary? Tsy manana diary aho, afatsy ilay anankiray novidiako tany amin'ny magazay mpivarotra boky, Istiqlal (fahaleovantena)!
Raki-tsarin'i @KTT84

Citizenship is: to want your country to be the best country, and to want your people to be the best people, and when you see something wrong, don't stand there silent. Photo by @KTT84

Ny maha olom-pirenena dia: ny faniriana ny firenenao ho ny firenena tsara indrindra, faniriana  ihany koa mba ho ny mponina ao aminao no mponina mendrika indrindra, ary raha toa ka misy zavatra tsy mety hitanao dia tsy hangina sy hijery izany fotsiny.
Raki-tsarin'i  @KTT84

Bare armed, bare legged girl wants political reform. Photo by @KTT84

Tsy amim-pitaovam-piadiana, maniry fanavaozana ara-politika ireo tovovavy tsy mikiraro ireo
Raki-tsarin'i @KTT84

Ary tany am-pifaranan'ny hetsi-panoherana tamin'ny fiandohan'ny folakandro, dia namonjy ireto saka kely voapotsitra tao anaty vahoaka ireto i   @RaghdaButros ary manam-pikasana ny hanome azy ireo ny anarana Thawra (Fikomiana) sy I3tisam (Fanoherana):

Revolutionary kittens. Image by @RaghdaButros.

Sakakelin'ny revolisiona. Sary avy amin'i @RaghdaButros.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.