Panama: Hofoanana ny lalàna manova ny fehezan-dalanan'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany

Ny marainan'ny 3 Martsa, nanome toky ny Filoha Ricardo Martinelli fa hanafoana ny lalàna 8, izay nanova ny fehezan-dalàna mikasika ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany any Panama. Mitatitra i Hora Cero [es]:

El Presidente de Panamá, Ricardo Martinelli anunció este jueves que su gobierno derogará este jueves, una ley minera que miles de indígenas rechazaron durante las últimas semas con protestas en las calles y cierres de rutas en la provincias de Chiriquí y Veraguas.

Ny Filohan'i Panama, Ricardo Martinelli dia niteny ny Alakamisy fa, hanafoana ny lalàna mikasika ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany izay notoherin'ireo Indiana an'arivony nandritra ireo firotsahana an-dalambe sy ny fanakanana ny arabe nandritra ny herinandro vitsivitsy tany amin'ny faritr'i Chiriqui sy Veraguas.

Voarain'ireo Panamaniana tamin-kafaliana ny vaovao izay nijery ny fanovana ity fehezan-dalàna ity ho fanapotehina ny tontolo iainana. Nipoitra avy hatrany tany amin'ireo tambanjotra sosialy ireo fihetsehim-po.

Nizara ny fanambarana ity fanafoanana ity tao amin'ny kaonty Twitterany ny Filoha Ricardo Martinelli (@rmartinelli), nanambara fa hiaino ny vahoakany foana izy:

La Ley 8 será derogada en Consejo Extraordinario, un Presidente como yo siempre escuchará a su pueblo

Hofoanana mandritra ny Fivoriana manokana ny lalàna 8, ny Filoha tahaka ahy dia mihaino foana ny vahoakany

Juan Carlos Navarro (@juancanavarro), nanoratra tao amin'ny Twittern'ny ben'ny tanànan'ny renivohitr'i Panama taloha:

panama no quiere mineria a cielo abierto. ahora a defender naturaleza, fortalecer ANAM y escuchar a la gente.

tsy mila toeram-pitrandrahana harena an-kibon'ny tany an-kalamanjana i Panama. Ankehitriny dia andao hiaro ny tontolo iainana, hampahery ny ANAM [Ny Manam-pahefana Nasionaly momba ny Tontolo iainana] ary hiaino ny vahoaka

Daniel A. Robleto A. (@danielrobleto) dia misaotra ny vahoaka madinika izay niady ny fanafoanana ity lalàna ity:

Se anuncia derogacion de la ley 8 que permitía minería metálica de cielo abierto en Panamá. Gracias hermanos Ngäbe, su lucha lo logro.

Voalaza ny fanafoanana ny lalàna 8 izay manome alalana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ankalamanjana any Panama. Misaotra anareo rahalahy Ngäbe, ny filofosanareo no nahatontosa izao.

Niara-nizotra tany amin'ny lalàn-dehiben'ny morontsiraka ireo mpianatra, vahoaka madinika, ireo vondrona mpiaro ny zom-bahoaka sy ny tontolo iainana mba hanao fihetsiketsehina manohatra ireo fanovana ny lalànan'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ny 20 Febroary. Sary nahazoana copyright tao amin'ny Demotix nalain'i Guillermo Johnson

Mampiseho ny hafaliany tamin'ny fanomezan-toky amin'ny fanovana i Yitzhak Polanco M. (@yitzpolanco):

Super Feliz!!! Degoracion total de la LEY 8!!! NO A LA MINERIA en PANAMA!!

Tena Faly!!! Fanovana tanteraka ny LALANA 8!! TSIA AMIN'NY FITRANDRAHANA HARENA AN-KIBON'NY TANY aty PANAMA!!

Nanako ireo tenin'ny filoha i Ana Perezmackenzie (@peresmackenzie):

Martinelli dijo “No me gustan las minas, los mineros, ni la mineria” bueno a sacarlos de Panama, que el ORO de Panama es Verde!

Niteny i Martinelli “tsy tia ireo lavaka fihadiana harena an-kibon'ny tany, mpandavaka, na ny fitrandrahana aho” avoahy ivelan'i Panama izy ireo, aoka ny VOLAMENAN'i Panama ho maitso!

Nampahatsiaro ny mpanaraka azy i C. Adrian Martínez (@cadrianmartinez) fa ny fanomezan-toky hanafoana dia tsy voatery midika ho tsy hisy intsony ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ankalamanjana any Panama:

La derogación de la Ley 8 no es compromiso de un Panamá sin minería metálica/a cielo abierto. Ahora hay que lograr garantizar esto.

Tsy fanekena ny [firenena] ho tsy hisy vy/fitrandrahana harena an-kibon'ny tany malalaka ny fanafoanana ny lalàna 8. Ankehitriny dia mila miantoka izany isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.