Bahrain: Diabe Roa Samihafa Ho an'ny Firaisam-pirenena

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona Bahrain 2011.

Nitohy ny tolona am-pilaminana tany Bahrain tamin'ny Talata raha nikarakara Fihaonamben'ny  Firaisam-pirenena ny fito tamin'ireo vondrona mpanohitra goavana, manomboka any Salmaniya sy ny faritr'i Seef mankany amin'ny Fihodinana Pearl (Lulu). Ny Alarobia, hisy fihaonambe iray hafa hokarakarain'ny vondrona antsoina hoe Fihaonamben'ny  Firaisam-pirenena, miaraka amin'ny fangatahany manokana.

Amin'ireo tsy fitovian-kevitra misy eo amin'ny maro mitoby any amin'ny Fihodinana Pearl (Lulu) sy ireo ihaonamben'ny  Firaisam-pirenena roa samy hafa, dia na ny governemanta sy ny fianakavian'ny mpanjaka eo amin'ny fitondrana no tokony horoahana daholo, na tokony hisy fanavaozana izay hitànana ny rafi-pitantanan'olon-tokana araka ny lalampanorenana.

Ireo vondrona fito nikarakara ny fihaonambe tamin'ny Talata dia niara-nanao sonia lisitra fangatahana amin'ny governemanta, izay nadikan'ny mpitoraka blaogy Bahraini, Mahmood Al-Yousif ho amin'ny teny anglisy. Anisan'izany ny famoronana rafi-pitantanan'olon-tokana araka ny lalampanorenana vaovao, sy ny tsy fananan'ny fampielezam-baovaom-panjakana fironana ara-politika.

Fihaonamben'ny Talata

http://qik.com/video/38063234
Ampahany tamin'ny fihaonambe nampiakarin'ny mpampiasa qik Sayed Mahmood Al-Aali

@hussain_info ny olona any amin'ny fihaonambe #firaisam-pirenena ny #feb14 mihirahira hoe: firaisana  firaisana  ary mitady fandresena ho an'ny #Bahrain tsaratsara kokoa. firosoana#lulu

@MazenMahdi Sary maromaro kokoa avy amin'ny diabe nankany #lulu #bahrain #feb14 http://yfrog.com/h7r1gorj

Women marching towards Pearl Roundabout from Salmaniya as part of the National Unity rally

Vehivavy manao diabe mankany amin'ny Fihodinana nanomboka tany Salmaniya ho fandraisana anjara amin'ny Fihaonamben'ny Firaisam-pirenena

Nisy ny fanehoan-kevitra tamin'ny Twitter momba ny habetsahan'ny olona tao amin'izany fihaonambe izany.

@emoodz Nihena 30% ny olona raha ampitahaina amin'ny fihaonambe farany, mbola maro ny nanatrika… Fa tsy betsaka tahaka ny taloha fotsiny.. @ #lulu, #Bahrain

… ary namaly i @MDaaysi fa ny fihaonambe farany, lehibe kokoa dia natombok'ireo mpianatr'i Shia mba hanomezam-boninahitra ireo maritioran'ny tolona.

@MDaaysi @emoodz tadidio fa ny fihaonambe farany dia nataon'ny filan-kevitra Silamo … fomba fiantsoana hafa angamba 😛

"No Sunni, No Shia, National Unity"

"Tsy misy Sionita, Tsy misy Shia, Firaisam-pirenena"

Azo jerena ao amin'ny rakitsary Facebook-n'i Nabeel Rajab ireo sary hafa momba ny fihaonambe

Fivondronam-be ny Alarobia

Amin'ny Alarobia dia hisy fihaonambe  “Firaisam-pirenena” iray hafa indray hokarakaraina, amin'ity indray mitoraka ity tontosain'ny Fihaonamben'ny Firaisam-pirenena [ar] tarihan'ny mpianatra Silamo Shaikh Abdullatif Al-Mahmood ao amin'ny Maoske Al-Fateh amin'ny 6ora hariva, ora any Bahrain. Mitaky fanovana goavana koa ity vondrona ity.

Olona maro eo amin'ny fampielezam-baovao sosialy no manontany tena hoe nahoana no nisy Fihaonambe Firaisam-pirenena roa nataon'ny fikambanana roa samy hafa tamin'ny daty roa samy hafa:

@leildehati mampihomehy ny fisian'ny diabe firaisam-pirenena roa samihafa nokarakaraina; mpomba ny governemanta ny iray ary mpanohitra ny iray. Mieritreritra aho fa raha hisy fiovana hitranga dia be ny rà hilatsaka #bahrain

Miteny i Mohammed Al-Othman ao amin'ny Facebook:

الوحدة الوطنية المفترى عليها في البحرين: اليوم مسيرة باسم الوحدة الوطنية وغداً اعتصام باسم الوحدة الوطنية!! هل ذلك يرتبط بمسمى البحرين، يعني بحر + بحر = بحرين. وبالتالي وحدة وطنية + وحدة وطنية = وحدتين وطنيتين؟!! دار راسي الله يدور راس من كان السبب…!!!

Ny teny diso tafahoatra hoe “Firaisam-pirenena” any Bahrain: Androany (Talata), diabe miantso ny firaisam-pirenena ary rahampitso (Alarobia) fihaonam-be miantso ny firaisam-pirenena!! Misy hifandraisany  ve amin'ny anarana Bahrain (izay midika hoe ranomasina roa amin'ny teny Arabo) midika ‘ranomasina’ + ‘ranomasina’ = Bahrain (ranomasina roa), izany hoe Firaisam-pirenena + Firaisam-pirenena = Firaisam-pirenena roa?!! Fanina aho, aoka hataon'i Allah fanina koa izay nanao izany taminay!!!

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amuin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona Bahrain 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.