Côte d'Ivoire : Mety ho heno ve ny antso fitoniana ?

Manaraka ny herinandro mangotraka izay nidiran'i Côte d'ivoire ho amin'ny herisetra tsy mbola nisy [tao] hatramin'ny nahavitan'ny fifidianana ny novambra 2010, dia efa nandalo imolotry ny Firenena Mikambana ny mety hisian'ny ady an-trano. Misy ny mpiserasera Ivoariana, na dia tena vitsy tokoa aza, no miantso fitoniana.

Saripika Stefan Meisel (Copyright Demotix) – Sary nataona artista ivoariana 26 taona, Aboudia (Abdoulaye Diarrassouba), vita ny desambra 2010 nandritra ny gidraka nanaraka ny fiodinana faharoa fifidianana filoham-pirenena ivoariana.

Tsy mba tahaka ny ankamaroan'ny Ivoariana mpampiasa Twitter, izay mitsoka ny afon'ny fampisarahana hirehitra kokoa na avy amin'ny andaniny izany na avy amin'ny ankilany,  ny mpamaham-bolongana Yeni Djidji  milaza ao amin'ny bolongany ity herisetra ity ho Fahadalana roa sosona. Voasoratra ao amin'io lahatsoratra io ny fanakianany ny fanimbana ny zotram-pitaterana SOTRA (Société des Transports Abidjanais) nataon'ny mpomba an'i Alassane Ouattara ary melohiny ny valifatin'ny mpanohana an'i Gbagbo izay namotika ny taxibe tsy miankina izay heverina fa mpanohana an'i Ouattara ny tompony.

Vous voyez à quel point la situation devient ridicule. A quel point le fanatisme politique, peut inhiber le bon sens des gens. On sait tous où Alassane se trouve, on sait tous où Gbagbo est. Mais, c'est dans les quartiers que les gens s'empoignent, ce sont les biens qui n'appartiennent ni à l'un ni à l'autre qu'ils détruisent.

Hitanareo amin'izao hoe tonga hatraiza ilay fahadalana. Tonga hatraiza ny fanimban'ny fitiavana politika tafahoatra ny fahaizan'ny olona mamakafaka. Samy mahalala daholo hoe aiza no misy an'i Alassane, samy mahalala daholo hoe aiza i Gbagbo. Nefa dia any anivon'ny fokontany any no mifanenjana, ny fananana tsy an'ireo olona roa voatonona ireo no potehiny

Etsy ankilany, manontany tena i Stéphane ao amin'ny bolongany Dans ma cabeza ny antony lalina ao an-tsain'ireo nanao ireo asam-pamotehana ireo. Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Au nom de … quoi?[amin'ny anaran'ny…inona?], izy no mampahatsiaro ny tsirairay ny fotoana nangirifiry efa nandalovan'i Côte d'ivoire taloha.

Quel souvenir gardons-nous des évènements de 2000 ?
? Une des nombreuses expressions de notre vocabulaire politique : le balayeur balayé ?
? Un « beau » monument censé célébrer les combattants de la démocratie, mais qui ne représente pas encore le symbole qu’il doit être ?
Si vous êtes conscients de l’importance de cette période dans notre histoire mais comme moi, êtes incapables d’avoir un souvenir très précis, alors dites-moi au nom de quoi nous battons-nous aujourd’hui ?

<

strong>Inona ny fahatsiarovana tazonintsika tamin'ny raharaha 2000? Iray amin'ny fomba fitenintsika eo amin'ny politika ny: mpamafa voafafa? ny tsangambato “tsara” iray noheverina hanandratana ny mpiady ho amin'ny demokrasia, saingy tsy mbola misolo tena ny tokony asehony? Raha tsapanao ny halehiben'izao fotoana izao amin'ny tantarantsika saingy tsy manana tsiaro mazava tahaka ahy ianao, dia lazao hoe amin'ny anaran'ny inona moa no iadiantsika amin'izao fotoana izao?

Tian'i Stéphane ho fantatra tsara noho izany ny tarigetran'ny Ivoariana ka tonga amin'izao herisetra izao.

Au nom de… quoi ?
Au nom de la souveraineté ??? Clamée par l’un dont certains choix économiques pour son pays trahissent les mots ?
Au nom de… quoi ?
Au nom de la démocratie ??? Défendue par l’autre dont les supputations sur le passé jettent des ombres sur sa cause ?
Souveraineté ??? Démocratie ??? Au regard de tout ce sang versé, ce ne sont que d'autres noms qu’ils donnent au mal selon qu’il vive dans un hôtel ou dans un palais.

Amin'ny anaran'ny… inona?
Fiandrianam-pirenena???Dradradradrain'ny iray izay mifanipaka amin'ny teniny ny safidy ara-toe-karenany?
Amin'ny anaran'ny… inona?
Demokrasia??? Arovan'ilay hafa izay mbola manaloka azy ny zavatra nataony tamin'io tarigetra io taloha? Fiandrianam-pirenena??? Demokrasia??? Raha jerena amin'izao ra latsaka izao dia voambolana hafa izay atolony amin'ny ratsy na miaina amin'ny efatra fandraisam-bahiny izy na miaina ao an-dapa.

Ao amin'ny Twitter, Ivoariana vitsivitsy no manontany tena amin'ity raharaha ity, tahaka an'i @diabymohamed izay noraisin'i @Jeanjacquesk  eto:

@ RT@ on sème ce qu'on récolte. Pourquoi avons nous abandonné notre culture de paix ? POURQUOI ET POUR QUI???

Mijinja izay nafafiny io. Nahoana moa isika no nandao io fanolokoloantsika ny fandriampahalemana io?

NAHOANA ARY HO AN'IZA???

Ao anatin'izany hafanam-po izany ny mpamaham-bolongana Edith Brou no manolo-kevitra handrarana an'i Ouattara sy i Gbagbo tsy hiditra amin'ny fiainana politika ao Côte d'Ivoire hiverenan'ny fandriampahalemana.
on bannit LG et AO de toute implication ( et leur clique) dans la vie politique ivoirienne.
Andao ailika tsy ho ao anatin'ny fiainana politika ivoariana manontolo i LG sy AO (mbamin'ny mpanaraka azy)

Ankilan'izany antso fitoniana an-tserasera izany dia nanapa-kevitra ny vehivavin'i Côte d'Ivoire hampiaka-peo ho heno. Tamin'izany tao Treichville (kaominina Abidjan) dia nandeha niakanjo fotsy manontolo ry zareo hanamelohana ny famonoana ny zanak'izy ireo. Nifanao fotoana teo amin'ny foiben'ny PDCI (Parti Démocratique de Côte d'ivoire) ry zareo ary nikasa handingana ireo Mpiandry ny Lapam-panjakana. Polisy maro no nibahana ny diaben'ny vehivavy ary niditra an-tsehatra ny kaomiseran'ny polisy iray hamarana ny diabe.

Vaovao farany: ny 03 Marsa 2011, vehivavy enina na fito no notifirin'ny mpitandro ny filaminana manohana an'i Gbagbo ary nahatratra 100 ny sivily naratra nandritra ny diabe ho fanohanana ny Filoha Ouattara tao Abobo, distrikan'i Abidjan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.