Maoritania: Mety hidina an-dalam-be ve ireo mpanohitra rahampitso [alarobia]?

Nisy hetsi-panoherana nokarakarain'ireo mpanohitra tao Maoritania tamin'ny zoma teo nitaky fanavaozana ara-politika sy fitsaharan'ny fanjakana tarihan'ny filoha Mohamed Ould Abdel Aziz. Mbola narahin'ny tanora fitokonana izany ny ampitson'iny (asabotsy). Nanao tatitra i @abbassbraham fa mbola hiverina hitokona eny an-dalam-be ireo mpanohitra rahampitso [alarobia].

Namakafaka mikasika ny fihetsiketseham-panoherana ny bolongana The Moor Next Door ary nasehony an-tsary ny antoko politika sy vondrom-piaraha-monina mandray anjara sy ireo manana ny anjara toerany efa tsy nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehan'ny 25 Febroary.

A map of the political parties and social groups participating and the notable ones not participating in the 25 February protests. Photo Souce: The Moor Next Door blog

(RFD Fiaraha-mientan'ny Hery demokratika; UFP Firaisan'ny Hery ho amin'ny fandrosoana; RUF Fiaraha-mientana ho amin'ny Firaisana sy ny demokrasia; UPR Firaisana ho an'ny repoblika (mpanohana ny filoha Ould Abdel Aziz); ary ny APP Fikambanana progresista an'ny vahoaka (antokon'i Messaoud Boulkheir. “Mpikarakara ao amin'ny FB” ireo vondrona ao amin'ny vohikala Facebook (izay maro dia maro tokoa) sy ireo mpanara-dia azy namonjy ny fihetsiketsehana ka ny maro amin'izy ireo dia manana mpikambana aman'arivony (ny roa amin'izy ireo dia voatonona anarana).)

Nahoana no manohitra ny vahoaka?:

1. Ny mikasikasika izany. I Maoritania dia mitovy olana amin'ny fanjakana Arabo izay miaina anatin'ny hetsi-panoherana sy fikomiana izay antsoina hoe krizy politika ara-drariny (tonga teo amin'ny fitondrana aloha ny filoha tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana ary avy eo mirotsaka amin'ny fifidianana filoham-pirenena izay tsy ekena ny valiny), olana eo amin'ny fiakaran'ny vidin-tsakafo sy ny kalitaon'ny fari-piainana tsy azo antoka ary ny fahatsapan-tenan'ny vahoaka ho toy ny verezin-jo. Tamin'io andro zoma io dia nahitana fanoherana sy fiovaovan'ny fanonjan'ny korontana izay miparitaka manerana ny faritra rehetra, vokatry ny tsy fahafaham-po azo avy amin'ny filoha. Maro ireo Maoritaniana no tofoka amin'ny governemanta anjakan'ny foloalindahy sy ireo antoko politika mpanara-baiko fotsiny. Tsikaritra mazava tsara ho nanimba ny ambaratonga famolavolana ny fiantombohan'ny demokrasia teo amin'ny firenena i Ould Abdel Aziz tamin'ny taona 2008 (na dia maro aza no nahatsapa ny faharefoana sy ny tsy fahaiza-mitondran’ ny filoha teo aloha). Olana ara-ekonomika, tondra-drano, saika mosary ary ny olana teo amin'ny tsy fisian'ny rano izay nanampy ny fikorontanan'ny mponina, indrindra indrindra fa teo anivon'ny tanora. Hita matetika ny fisian'ny hetsi-panoherana ao Maoritania, izay miseho amin'ny endrika maro sy mahery fihetsika. Miavaka amin'ny fanoherana teo aloha ny feo heno sy ny votoatin'ny hetsi-panoherana tamin'ity herinandro ity noho izy notarihana tanora izay manana farisiham-po betsaka fa tsy tarihan'ny lehiben'ny antoko politika.

Namaly ny voalaza tao amin'ny bolongana The Moor Next Door i Amar:

Tsara  ity lahatsoratra ity. Manazava amin'ny alàlan'ny porofo mivaingana izy ary marina avokoa ny ankabeazan'izay voalazany eo amin'ny ny tontolo manodidina ny resa-politika maoritaniana.
Na dia izany aza, na aiza na aiza, ao anatin'ny lahatsoratra, dia tsy ahitana filazana  mikasika ny fifandraisana akaiky misy eo amin'ny fanjakan'i AZIZ (mpikambana ao amin'ny fitondrana jadona, havana akaiky sy ireo mpandraharaha etc …) sy i Frantsa (ekipa frantsafrikana) nefa raha ny fantatra dia misy io rohy io?
Ny mety mahatonga izany angamba dia ny fahitana ny haren'i Maoritaniana mankany  Frantsa (solika, volamena, uranium, rafibaton'i  Taoudeni tsy dia fahita loatra eto amin'ity tany ity) sy fifampiraharahana maro eo mamofopofona ”frantsafrika”.
Ankoatra izay, mety hahaliana tokoa raha ezahana ampifandraisana ny niforonan'ny fanjanahana Frantsay tao Maoritaniana tamin'ny fiantombohan'ny taon-jato faha 20  sy ny endrika vaovaon'ny “fanjanahana moderina” izay nampiasaina ankehitriny mba ahatratrarana ny tanjona napetraka teo aloha, kanefa kosa tsy ahitana fahasimbana loatra .


Mihevitra i Tidinit
fa tsy handao ny filoha Mohamed Ould Abdel Aziz mihitsy ny ankamaroan'ny antoko politika ao Maoritania :

Toy ny efa nolazaiko teo aloha, raha tsy hoe hanao hadalàna tsy hay heverina toy ny famonoana vahoaka ny filoha Aziz, dia tsy hanary azy mihitsy i Frantsa, i Etazonia ary ny ankamaroan'ny antoko politika fa hanohana azy amin'ny fifidianana manaraka amin'ny taona 2014 noho ireo tombontsoa azon'izy ireo avy amin'Andriamatoa Aziz sy ny  vola azony ary ny zavatra rehetra tadiaviny. Ankoatr'izay, roa taona latsaka  izy no teo amin'ny fitondrana (nanimba ny sain'ny mpanohitra izy, noporofoiny fa olona tsy mahavita na inona na inona daholo izy ireo) ary mihevitra aho fa tsara raha mbola manohy ny fitondrana izy mandra-pahatongan’ ny fifidianana manaraka ary ho resy izy ra tsy mety ny ataony, handresy kosa izy raha mety ny ataony. Tofoka nohon'ny fiovam-pitondram-pahefana miseho amin'ny endrika fanonganam-panjakana ny vahoaka nanomboka tamin'ny taona 1978.

Hoy i Jackie Cohen hoe mety hanomboka hihatòny ny onjan'ny hetsi-panoherana ao Maoritania miseho amin'ny alalan'ny fikomiana sy fanonganam-panjakana ao amin'ny faritra:

Na izany na tsy izany, dia manamarika ny fahatonian'ny onjan'ny fikomiana amin'ny fanonganam-panjakana ao amin'ny faritra ny filaminan'ny manodidina sy ny hakelin'ny isan'ny mpandray anjara amin'ny fanaovana hetsi-panoherana ao Maoritania raha oharina amin'ny firenena mpifanolo-bodirindrina aminy ao afrika avaratra. Mety ho zavatra tsara izany raha ny fahitana ireo  herisetra nianjady ny firenena toa an'i Libia. Ary vao maika aza tsara ny fisian'io fiovana io mba hampanjaka ny filaminana, tsy ho an'ny mponina voakasik'izany  ihany fa ho an'ny vohikala Facebook ihany koa, izay lasa fitaovana ampiasain'ny vahoaka ahalalana vaovao, hany ka lasa mihoatra noho ny tokony ho izy ny asa aman'andraikitry ny vohikala facebook any amin'ny faritra atsinanana afovoany.

#Nandefa tweet i Mauritania:
@abbassbraham:

Hiverina hidina an-dalam-be ny tanora ao Mauritania rahampitso. Ho ratsy torimaso ny foloalin-dahy junta sy ny ambiny rehetra izany.

@johntmorgan:

@abbassbraham Misy rohy ve miresaka izany? Miezaka mitàna ny voalohan-daharana i #Mauritania eo amin'ny fampiasana teny anglisy ao amin'ny takelaka Facebook , tsy hisy izany – mbola te hijery ny takelaka sasany ve ianao?


@Kengeo_com
:

Atoroy anay hoe aiza ho aiza no misy an'i #Mauritania ao amin'ny sarin-tany http://ow.ly/1bxljY

@Abdarrahmen:

Azo antoka fa fanomezana 11 tapitrisa no natolotr'i qatar ho an'i #mauritania izay halefa any amin'ny kaontin'i #aziz [President Mohammed Aziz] sy ny namany rehetra !

Mety hidina an-dalam-be ve ny vahoaka rahampitso?Aleo iandrasana dia ho hita eo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.